[Fiarahamonina ] 04 Febroary, 2008 10:10

mampalahelo ny mahita ireo takelaby mpanoro sy fandrindrana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra fa dia lasibatrin'ny mpangalatra izy ireny ankehitriny!

tsy mba mahasoa zavatra isika malagasy fa izay azo avadika vola dia atao avokoa!

miteny ho azy ny sary oe vao ovina moa ity làlana ity no vita nahafinaritra ery ny endriky ny tanana kanefa dia izao sisa! takelaka iray na roa sisa tafajanona eo @ izao ary mety tsy ho ela ihany koa ny anjarany!

iza ary no tena tompon'andraikitra voalohany @ fiarovana an'izy ireny e! ataoko fa ny akaiky indrindra dia ny mponina manodidina no tena ho tokony sarotiny @ izy itony satria fananana iombonana izy itony! tsy izany anefa no mitranga fa dia mijery fotsiny ny olona rehefa misy maka izy ireny satria mety mpiray tsikombakomba ihany koa ny iray tanana satria olona eo ihany na izy samy izy ihany no mangalatra! mety ho olona hafa koa anefa no tena manao izao asa ratsy izao!

tsy io ihany no alainy fa izay rehetra mety ho vita @ vy dia hongotan-drizalahy avokoa toy ny sarona dalle ny telma ny lalamby ny madarail ny tariby ny jirama ary tena metatra maromaro mihitsy mba tsy hitenenena oe kilometatra mihitsy aza ary dia majifa daholo e!

ny tena loza mantsy dia misy tambanjotra mihitsy ny fangalarana ity vy ity misy mihitsy mantsy dokam-barotra an-gazety oe mividy vy @ kilao ka eo 150Ar ka h@ 200Ar eo ny kilao tsy mikely soroka anefa ny manampahefana mikaroka ny tambanjotra ka vao t@ taon-dasa no tratra ilay karana mpamongady sy mpanangona vy kanefa mety tsy ho izy irery no manao izany fa mbola misy hafa ihany satria mbola misy foana ny halatra h@ izao!

JEREO KOA ETO

 

[Fiarahamonina ] 02 Febroary, 2008 10:41

Dia tena mahalasa saina ny maro tokoa ny maheno oe misintona vahiny hono ity lakan-drano iray etsy ambohimanarina Antananarivo firaisana faha6 ity! omaly tokoa mantsy dia lehilahy iray indray no nalainy tao tsy fantatra mazava moa izay tena nahafaty an'ity ranamana ity sahabo eo @ 30 taona toa oe nenjehin'ny alika hono izy dia nisaoty tao anaty rano tao dia izay! tsy nipoitra intsony!

ny mahavariana @ izy ity tokoa mantsy dia saika misy maty an-drano foana ao isan-taona rehefa fotoam-pahavaratra! t@ taon-dasa zao dia vehivavy no maty an-drano tao ary niboridana tanteraka moa io razana io t@ izay fotaoana izay ka angamba mety oe voaendaka izy! dia novoin'olona avy eo! ary mety mitovy @ izay ihany angamba ny nahazo an'ity lehilahy omaly ity!

lasa lalamasaka tokoa mantsy izy iny satria dia maro ny mpiasa ny orinasa afa-kaba no manivaka eo rehefa andeha hiasa ireo mipetraka eny andohotapenaka sy 67ha sy ny any itaosy sy ampitatafika rehetra iny ohatra dia mandeha @ iny daholo!

betsaka ihany koa ny olona mifamezivezy @ iny lalana iny eo  ny mpanasa lamba ny asa madinika isakarazany mpanao hanimasaka ny mpivarotra vy sy ny mpanao bisikileta maro zany ny vola mihodina eo ka mety efa tilin'ny jiolahy sy ny mpanendaka ny toerana hamelezany ka mety izay koa no mahatonga ny von'olona @ iny faritra iny mangina be mihitsy mantsy rehefa mandeha elaela @ ilay fefiloha sady tsy misy hevitra hitsohahana ihany koa raha sendra voasakana eny ampovoany eny!

etsy andanin'izay dia mandeha moa ny feo oe misy lolo hono io rano io t@ telo taona lasa tokoa mantsy dia nisy tanora nianantra nilomano teo ka maty nifamonjy tao izy roalahy ary hita nifamihina mihitsy ny razana rehefa navoaka avy tao anaty rano!

fehiny, aleo mitandrina ihany rehefa mandeha @ itony fefiloha itony ohatra oe mandeha andian'olona maro no miaraka rehefa mamakivaky azy io mba tsy hitaran'ny tsaho sy ny honohono izay tsy afaka @ malagasy mihitsy!

JEREO KOA ETO 

[Fiarahamonina ] 01 Febroary, 2008 10:02

Tena mampikaikaika ny mpandeha mihitsy ity ataon'ny taxibe ity e! satria dia nofoanana ny saran-dalana 200 Ar ka natao tokana avokoa 300 Ar na aiza na aiza no miainga! izany oe tsy misy intsony izany ilay antsoina oe tapa-dalana fahiny izay nanavotra ny maro mihitsy!

heno ihany koa fa hiakatra manomboka rahampitso ny saran-dalana makany Mahitsy ka hiakatra 1000 Ar avy hatrany ny makany ambohidratrimo dia ho lasa 400 Ar ary tsy mitondra tapa-dalana ihany koa! raha azoko tsara zany ny tiandry zalahy atao dia oe mandehana tongotra e! mahagaga tokoa mantsy ny mahita an'ireo taxibe marobe mivezivezy zara raha misy olona 2 ao anaty fiara! kanefa dia aleony mitondra an'ireo toy injay hitondra olona 5 andoa sarany 200 Ar mety efa betsaka koa angamba ny azo hatrizay ka tsy olana na hitaona seza ary!

etsy andanin'izay dia miandry fatratra ny zotra andalamby ny mpandeha makany @ ireo faritra mba lalovan'ny masinina toy ny makany antsirabe ambatolampy na ihany koa ny makany moramanga sy ny faritra rehetra antsinana iny hatrany toamasina! satria dia mijaly ihany koa ireo @ io resaka saran-dalana io! ary betsaka @ mponina any mantsy no voatery mandeha an-tongotra elabe vao tonga eny @ lalam-pirenena toy ny mpandeha avy ao ambila lemaintso ohatra! efa manomboka miarin-doha tokoa ny madarail @ izao fotoana izao ary vao nahazo lohamasinina 5 vaovao be nafarana manokana avy any shina! koa inoana fa tsy ho ela dia ho afa-pasahiranana ny mpandeha ao aoriana kely ao!

fehiny, mbola mila ezaka be mihitsy ny fanatsarana ny kalitao @ itony sehatra fitanterana itony ka tokony mba jeren'ny fanjakana izay famaizana sy fantsarana ny asan'ny mpitatitra tsy vitsy @ izy ireo mantsy no mifanejika sy tsy mahay manaja ny mpandeha izay kely sisa mba zon'ny mpandeha mba tokony ho azony satria mantsy efa lafo rahateo ny saran-dalana!

jereo koa eto

 

[Politika ] 30 Janoary, 2008 12:44

Dia naseho vahoaka omaly tokoa ny ekipan'ingahy Ben'ny tanàna mifangaro ao ny vaovao sy ny tonta raha ny fijerinay ety ivelany! Mme Ratsivalaka Michele, Olga Rasamimanana ary serge Radera (sary Express de Madagascar)

ireto kosa ireo delegue d'arrondissement

firasisana volohany: Rakotomavo Serge

firaisana faharoa: Sabin Randriambololona

firaisana fahatelo: Nirina Rakotomamonjy

Firaisana fahaefatra: Donat Rakotonarivo

Firaisana fahadimy: Jean Desiré Rakotonarivo

Firaisana fahaenina: Jean Gaston Rabemanana

(sary Gazety Ao raha)

tsy dia oe fitia te hanenjika akory fa izao izany no mety ho vokatra azo tao aorinan'ny adivarotra isan-karazany e!ny fanamby nomen'ingahy ben'ny tanana aloa dia oe omena enim-bolana izy ireo fa rehefa tsy mahomby dia miala tany! dia hoy izahay oe f'anga ny zavatra oh itony mitovy ny any @ orinasa e! hifanerasera aman'olona anie no tena andraikitra sahan'izy ireo fa tsy dia oe mila vokatra be ahoana akory e! dia ho hita eo tokoa aloha izay ho afitsony fa ny zavatra hita ny mpanaram-baovaoa dia efa hita nitana andraikitra ambony teto @ firenena ireo t@ andron'ingahibe zafy sy Ratsiraka e!koa inona intsony moa no andrana mbola ilain'ny ben'ny tanàna ho fantatra fa tsy efa iarahana nahalala ve ny nataon'ireo teo @ fitondrana e! dia tena vao mianatra politika marina ka ny tonta ihany no avadibadika e! ny olomanga anie feno e! ary betsaka ny CV nalefa tany @ tany kanefa moa rehefa ireo no tiany dia ireo izany! koa aza gaga raha ialan'ny vahoaka @ fifidianana manaraka ka ho afabaraka eo fotsiny! aiza daholo ireny ekipa nafana fo nandany vola aman-karena talohan'ny fifidianana ireny? tsy vitsy amin'ireny no ankizy vao nivaoka t@ sekoly ambony kanefa mety mahavita lavitra noho ireo efa goaika be ireo! dia ho hita eo tokoa moa ze ataony fa avelao aloha hiasa e! miandry koa isika fa gasy rahateo!

fehiny, tena mety ho diso tetika ny ben'ny tanàna amin'ireto ekipany ireto satria dia tsy vaovao @ vahoaka ireo manodidina azy ireo!mety maro ihany no efa kivy @ izao fotoana izao kanefa dia tena tokony hanana ny hoaviny tsara tokoa izy! satria toa manomboka voamarina izao ireo tsaho nandeha t@ ireny fampielezan-kevitra ireny!

jereo koa eto

[Politika ] 29 Janoary, 2008 10:46

salama isika e! isaorana an'Andriamanitra aloha fa dia lasa ny rivodoza Fame na dia namela takaitra be tao besalampy aza izy ary namoizana aina iray araka ny vaovao hita etsy sy eroa! dia miandry izay ho afitsok'i Gula indray ny any @ faritra antsinana ny nosy ireo nosy rahavavy aloha dia efa azo antoka fa dia hiafana indray @ ity rivodoza iray ity!

etsy andanin'izay dia mikonokonona fitokonana ny antoko sasany izay marihina fa mpanohina ny fitondrana ankehitriny koa izay no mety hametrahako fanotaniana oe sao dia mba sarin'ady izy ity fa tsy tena izy e! hita ho mareforefo mantsy ny mpanohitra mba tsy hitenena oe tsy toa teny @ vahoaka intsony! satria dia azo lazaina fa maty pasipaoro daholo ireo antoko lehibe mpanohitra ireo ary tsy revin'ny vahoaka intsony aleo dia lazaina ny marina e! ka angamba noho izay no hamporisihina ny mfm ao ambadika mba hanetsika indray izay fanoherana izay hiverenan'ny vahoaka hiantoraka aty @ antoko Tim indray @ izao fifidianana efa ho lava izao! satria na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hanao izay ho afany ny antoko Tim @ izay fifidiana rehetra ho avy eo mba tsy hampagozohozo ny toerana izay efa azony h@ izay!

ny vahoaka moa dia efa iarahana mahalala ny fahasahiranany indrindra ny tsy fahampiana eo @ ara-bola izany! ny hany ambetiteny nay dia ny oe aza mba marary @ izao foatoana  izao ihany fa raha tsy manana any @ 200000 Ar ianao tsy afaka miditra eny @ hopitaly kanefa ny fikarakarana sy ny fanararaotana manginy fotsiny eny @ hopitaly dia hita fa tany andalam-pandrosoana e! samy manararaotra @ izay toerana misy azy! tsy miraharaha ain'olona fa vola ihany vao miresaka!

fehiny, niniko somary navoana kely ohatran'ito ny lahatsoratra androany mba hafahantsika mpamaky mahatsapa ny mety ho tontolo iainan'ny vahoaka izao izay hita tena latsaka ankaterena tokoa! izay aloha no azo natolotra adroany fa rahampitso indray manao misimisy

JEREO KOA ETO

«Mialoha   1 2 3 ... 49 50 51 52 53 54 55 56  Manaraka»