Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Tsy dia mahazatra antsika ny mifampiarahaba tratry ny andro nilatsahan'ny fanahy masina, kanefa dia andro lehibe tokoa ho an'ny kristianina izy ity! koa dia faly miarahaba antsika indray nahatratra izao andro fandresena izao indray! tena mihazakazaka tokoa ny fotoana! efa hisasaka sahady ny taona 2008. Tena tsy hitahita akory!
Koa dia mirary soa antsika mpitsidika ny blaogiko! ary mankahery antsika hatrany @ izao fahasahiranana mianjady antsika izao! ny Tompo anie homba antsika hatrany!
Tena misy manam-bitana ny olona sasany eto @ ity tany fandalovana ity. Gaga fotsiny aho raha nahare fa misy mpivady samy parlemantera oe eto madagasikara! samy hahazo 4x4 dia samy hahazo ny tombotsoa tsy hita nonoa. Ingahy rainy oe senatera izany Bezara Manassé zany no anarany ary lany tany @ faritra Antsinana! ny ramatoany kosa dia handimby toerana an'i Botozaza Pierrot izay lasa minisitra ny fitanterana, izany antsoina oe Yvonne Ranorovelo izany no anarany izy kosa dia ho lasa solombavambahoaka ny Toamasina I. Tena izao no tonga @ fitenenana oe ny harena mila vintana.
Lasa lefitry ny filoha ny antenimieran-doholona kosa ingahy Rajemison izany oe nitotongana izany ny toerana nisy azy raha filoha teo aloha dia lasa lefitra ankehitriny @ manaraka izany mety tsy ho hita tabilao intsony.
Avy be tsy nisy hoatr'izany kosa ny orana omaly ary tena nikotrom-baratra vao maraina tokoa satria dia vao maraina @ 10 ora sy sasany dia efa nisy ny orana ary nanariva andro mihitsy ilay izy! samy tsy nanampo na inona na inona moa ny rehetra hany ka dia kotsakotsa daholo izay nivoaka ny trano omaly! mety mbola hanao azy koa io andro io androany satria efa mandongolongo sahady izy ato.
Heritaona sahady kosa ny fandaharana ao @ televiziona malagasy anim'artista izay sehatra iray omena ny mpanakanto sy ny artista! maro ireo artista nandray anjara t@ izao fankalazana izao. samy maniry moa ny rehetra ny mba hivelaran'ny fandaharana bebe kokoa.
Farany dia mahagaga ahy mihitsy ity dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra marain-tsy hariva ity momba ny ampemba na ny sorgho izany! mampanontany tena ahy mihitsy oe ny voly vary ary tsy hita izay hanaovana azy ka dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy ary sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao! ny tantara ihany no hitsara e!!!
Tena mila mitandrina isika rehefa mahandro sakafo fa betsaka tato ato izay ny hay trano namoizana ain'olona! teny @ 67ha ohatra dia tovovavy 2 no indray maty satria tsy tafavoaka ny trano ry zareo fa misy irony "grille de protections" ny tranony! ny aty koa moa tsy ary fomba ny fitaovana ampiasain'ny pompier ka dia izao no vokany.
May ihany koa ny tranombarotra Eureka eny ankadimbahoaka! ary vola tsy toko tsy forohona no may kila tao. Ireo tety bidy ny entana oto tao moa dia sandaina @ miliara any ho any. Be moa ny resaka mandeha manodidina ity tranombarotra iray ity satria dia azo inoana fa manana assurance izy.
Tsy misy olana kosa hoy ny minisitra teo aloha Radavidson ny fifandraisany @ prezida Ravalomanana! ary vonona ny lehilahy @ izay andraikitra hafa omen'ny filoha azy. Vita hatreo izany ny resaka momba azy miralahy mianaka ireo na dia vohizina mafy mihitsy azy ity resaka ity eo anivon'ny mpanohitra raha tsy iresaka afatsy ny resaka nataon'ny herizo razafimahaleo tao @ radio antsiva ary izay mandranitra ady @ izy roa tonta voalazako etsy ambony.
Ho any @ bekintana kosa ingahy Ra8 amin'ity herinandro ity hamoaka ireo mpianatra izay nomeny vatsim-pianarana nanomboka t@ 2002. Marihina moa fa tena mahay ireo ankizy ireo raha ny tatitra azo teo anivon'ny prezidansa. Nipikelika ny anao lahy raha niteny an'io tao @ radio sy ny tele. Ny mampalahelo fotsiny dia tsy latsa danja @ izany ihany koa ny fahaizan'ny malagasy fanatanjahatena izay lazaina fa tsy laharam-pahamehana tato ato izay. Tsy misy intsony mantsy ny minisitera misahana mivantana ny fanatanjahatena sy ny kolontsaina!!! atao ahoana fa tsy mahavoky ny fanatanjahatena e.
Sahirana kely aho tato ato izay fa nisy tsy salama tato @nay ary tsy maintsy naiditra hopitaly ilay olona narary! iny moa dia lalam-piainana ka tsy atao mahagaga fa ny vaovao tiako hisarihina ny saintsika kosa dia ity ambulance ity e! nila naka ambulance moa izahay satria efa tsy afa nihetsika teo am-pandriana intsony ny marary.ka ito farany no tiako asiana sira kely ary tena hanafarako taranaka fara mandimby mihitsy raha azo atao, oe aza mba miantso ity "Espace Medicale" ity mihitsy raha mbola azo atao fa tsy mamely.
Raha any ivelany moa dia mety azo torina mihitsy ry zareo saingy eto madagasikara dia tsy mbola @ izay! Inona no mahatonga aho hilaza izany hoy nareo tsy nety naka ilay marary taty an-trano ry zareo ary hitanao miala pà mihitsy raha ny fahenona ny resaka ataon'ilay ramatoa mpandray ny antso an-tariby eo. Aiza ve ko anotaniana ny taona ny marary sy ny toem-pahasalamany ary raha vao fantany oe efa olon-dehibe satria olona efa 79 taona ilay izy dia tsy mety maka ry zareo asa angaha izay antony.
Ny ambulance hafa kosa re olona dia alaina any an-toerana mihitsy fa tsy mba vita ny antsoina @finday fotsiny !!! ka raha olona efa mila fitsaboana malaky moa dia asa fotsiny izay iafarany. ny toeram-pitsaboana hafa koa moa dia tsy misy ny reanimation toy ny etsy @ toby loteriana eny ambohibao. Mbola ho ela vao handroso isika malagasy e! tena milomano ao anaty fahatrana tanteraka.
Eto dago i Dadarabe fantatry ny maro @ fanaovana tononkalo eto @ blaogy! ary ho any Mahajanga kosa izy @ herinandro ho avy eo. Marihina moa fa i Hery (sefo) no nandalo teto ihany koa t@ volana lasa iny! samy nanamarika moa izy mirahalahy namana ireo fa misy zavatra mahaliana sy mahatamana tokoa eto madagasikara. Koa miandry ireo namana hafa hitsidika koa isika!
Hipoka kosa ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanantajahan-tena omaly raha niseho sehatra tao i Melky izay tanora vao nisondrotra t@ ity sehatry ny kanto ity. Nanotrona azy tao moa i Mirado sy Nary (zay). Miandry ny hafa ihany koa isika hitsapa ny heriny.
Mbola tsy nahazo fahazon-dalana ny hilahatra sy hamory ny mpiasa kosa ireo syndicat ny mpiasa mikasa ny hilahatra @ 1 mai izay efa fantatra fa fetin'ny asa. Ahina mety hisy hanao ambadika politika indray angamba ka sakanana ny zoan'ny mpiasa @ izany.
Fisokafana kely hoy ny mpanaram-baovao satria dia notendrena ny asabotsy teo ireo senatera 11 anjarany! ahitana an'i Moxe, Rabetsitonta, Ruffine Tsiranana izay efa fantary ny maro ihany oe mpanohana azy h@ izay ihany ireo voatendry ireo ny 8 ambony moa dia ireo minisitra sy mpanolontsaina ary mpiara miasa @ tao prezidansa. tsy kaonty tao kosa i satrobory kanefa dia samy mpamono afo ihany izy sy Ingahy Moxe isaky ny misy hetsika ataon'ny mpanohatra.
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||