Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Gagagaga ihany aho nandre ny resaka nataona mpandraraha iray mpandrafitra ny asany raha ny tena marina kokoa fa tsy misy hono ny hazo izao eto madagasikara, irony varongo irony mantsy no tena mba tsara hanaovana fanaka! kanefa dia tsy azo trandrahana intsony izy ireny @ izao fotoana izao. Tsy misy afatsy kesika sy hazo ala hono no azo ampiasaina! Misy lafiny tsara sy ratsy daholo moa ny fepetra rehetra raisina. Tsara satria mba miaina kely aloa ny hazo fa tsy tapatapaka fahatany intsony. Fa ny lafiny ratsy indray dia mety hiditra any @ "chomage technique" ny mpandraharaha raha tsy misy ny hazo ampiasaina. Kanefa hoy ry zareo misy ny olona ambony manondrana antsokosoko sy manangona hazo maro @ izao fotoana izao. Dia aleo fa ho tsarainy ny karatra eo foana izay manao ny tsy mety e!
Torak'izany koa ny resaka vato raràna ihany koa ny fanondranana vato any ivelany kanefa maro ihany ny mahitahita mahatafavoaka an'io vato io any ivelany, ary lasa varo maizina ilay izy avy eo. Mbola ny olona ambony sy manana fahefana tsy azo takarin'ny lalanà ihany no mahavita ireny fanondranana antsokosoko ireny fa ny olon-tsotra tsy mahavita an'io akory.
Fehiny dia tsy misy zavatra mivoamboaka fahatany izany eto raha tsy ny olona tompony lalanà ihany no manao izany. Satria izy tsy mba azo enjehina fa raha enjehina Izy dia ny mpanenjika indray no migadra sy mijinja ny vokatra avy eo. Dia miandry ny rariny eo ramalagasy e!
Ny vaovao hafa kosa dia midehaka indray ingahy ben'ny tanàna oe nahazo fanampiana avy any shina ka hanao kianja maro isakin'ny firaisana!!! ka asa raha ho vitany indray izy ity fa ny lehilahy moa dia mahay miresaka izay tsy izy ka mora mambambo vahoaka. Ny tsena moa @ izao dia miverina mivarotra eny @ arabe sy ny sisin-dalàna rehetra eny ny mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra.
Mbola resaka serasera ihany aloha no anombohoko ny vaovao omeko anareo androany. Asa nareo raha nahatsikaritra fa omen'ny olona anaram-bositra avokoa ny finday amidy @ vidiny mirary rehetra ka omeko eto aloa izay mba hany fantatro fa manampy ianareo raha mahita hafa! hafa kely mihitsy an! ny motorola c113 ka h@ c119 ohatra dia ataon-dry lerony oe MBS na Motorola ny Bandy Sahirana. eo ihany koa irony ZTE irony io indray dia ataony hoe Zanaky ny Tena Enjana na ilay lohateny ny hira malaza hirain'i Samoela sy Princio ary Rakiky!!
Vaovao hafa dia nahazo vokatra sahady ny ampemba novolena teny @ fitaratr'i Madagasikara eny Iavoloha. Faly ery ny filoha ny repoblika fa tsara ny vokatra azo! ary mahasolo ny katsaka hono izy ity! ary mety tsara raha ambolena any @faritra Atsimo.
Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.
Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an'izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.
Etsy an-danin'izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony "rencontre" irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!
Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an'izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban'ny vola.
Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan'ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol
Dia mahita atao mihitsy ity media consulting ity ka, hainy mihitsy ny mitady vola izay no azo ilazana azy, satria dia ho entiny etsy @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena indray izany ny vokatra vita sinoa manomboka ny 24 aprily ka h@ 27 aprily ho avy izao! tsy ho latsan-danja @ io zany fa afotaka ny fihinana lasopy sinoazy sy ny tsatsio kano! manginy fotsiny ny telefonina finday sy ny "menuiserie en aluminium" na ny rafitra vy ranty!!! izay tena kapoakany tokoa, eo koa my moto sy scooter sy ny maro hafa... enga anie ka mba izay tena raitra no omeny ny mpanjifa @ ity indray maka ity fa tsy ilay mora simba mampalaza ny sinoa ihany koa.
Hivoaka ato ato ihany koa ny moov 3G+ tolotra vaovao omeny ny mpamongady aterineto voalohany eto Madagasikara na ny MOOV izany. Afaka mampiasa azy ity avy hatrany moa ianao fa tsy misy ny atontan-taratasy be ilaina akory. Karazana "Clé USB" izy ity ary azo antoka fa misy irony "puce" kely irony atsofoka ao anatiny dia zay! afaka manome "debit" hatrany @ 384Kbps izy ity, raha 256Kbps ny tolotra telma sy ny orange net! mafinaritra fa afaka mifidy izay tiany ny mpanjifa ary tena tokony mba hidina ihany koa ny sandan'ny aterineto!
Hamokatra simenitra ihany koa etsy Ambohimanambola ry zareo sinoa efa mipetraka ao daholo moa ny fitaovana isan-karazany ka tombanana hamokatra simenitra voalohany izy @ volana jiona na jiolay any ho any!
Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.
Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?
Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.
Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||