Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Glita be
2008/09/05,09:51

Zoma mahafinaritra indray ny andro! maro be ireo fety aman-danonana ary hisongadina @ ireny ny hetsika atao eny @ eldorado Cabaret concert tsy hisy afa tsy glita no tendrena ao ary fampisehona farany ataon'i Eric Manana eto Madagasikara @ ity taona ity. Maro moa ny mpanakanto miaraka hilalao aminy @ io eo ry Johary, Rija Ramanantoanina sy ny maro hafa tsy voatanisako...

Manomboka androany koa ny Festival Angaredona ary handritra ny 10 andro eo ity hetsika ara-javakanto ity izay maimaipoana moa ny fanmpisehona ary etsy ambohijatovo ny seho no atao marobe koa ireo mpanakanto vao misondrotra handray anjara @ io. I Rajery moa no mikarakara ny hetsika...

Eo @ toetr'andro kosa dia efa manomboka mafana ny andro eto Andrenivohitra, efa manala tsikelikely ny akanjo mafana ny olona. Mivadibadika be ihany anefa izany toetr'andro izany indraindray mbola mamanala ihany @ hariva. Tsy mahagaga moa izany satria tena hita misy fiovana ny toetr'andro maneran-tany. Eo ohatra ny ranomandry nirotsaka tatsy Kenya izay nahagaga ireo mponina tany. Eo koany rivo-doza mahazo ny any Amerika izay mifanesisesy izay tsy izy. Voalaza moa fa efa fantatra avokoa ny anarana omena ny rivo-doza aty @ faritra misy antsika aty.

Mandeha be kosa ny fizarana ny laharana fiara ary tsikaritra fa mihatsara ny fiara mifamezivezy ankehitriny. Efa any @ litera ....TAL moa izao ny marika @ takelaby raha ny eto Antananarivo no resahana. Midika izany fa manam-bola ihany ny gasy.

Vaovao henoko tao @ kidaona maraina kosa dia nisy mpanala bac tsy afaka izany angaha toa hoe namono tena fa ny toerana misy azy aloha tsy henoko tsara.

Omeo sopapa a!
2008/09/02,11:56

Kilalao kely atolotro ho anareo namana rehetra. Efa miandriandry ny vahiny kely moa izahay mivady ankehitriny ka ity misy fifaninana mba asaiko ataonareo!

Omeo fanampin'anarana oe ny zanako?

Fitsipika: Anarana malagasy, raha afaka manome ny dikany moa vao maika tsara!

Santionany mba tiako ohatra: Tsikisariaka, Ravakamalala, Mitia, Tokinao sns

Anarabositra kosa: Dadarabe, Pissoa, Maintikely sns

izay ary fa dia miandry ny tolotra avy aty @nareo

 

 

 

Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
2008/09/01,09:56

Mandeha ny andro ary tsy voafehy ny fotoana potoizay dia mivalona ny fakan-drivotra sy fialan-tsasatra ho an'ireo izay afaka nandeha moa dia saika efa tafaverina any @ toerana niaingana avy ny tsirairay ankehitriny ary hiatrika ny fidiran'ny mpianatra indray @ herin'andro ambony. Saika niaka bidy toy ny mahazatra moa ireo fitaovam-pianarana ka hita ho sahirana mihitsy ireo izay manana zanaka maro mbola mianatra.

Miarahaba ireo mpianatra afaka bac rehetra ary mampahery ireo izay mbola hamerina fa mbola ho avy ny anjara fa aza kivy. Nifamahofaho rahateo ny famoahana ny vokatra ka nampitebieby ireo mpiadina. Nampiavaka azy kosa dia nisy mpianatra 3 nahazo ny metion tres bien teo @ sokajy C ary mpianatra avy ao @ md misely moa izy rehetra ireo. Mazava ho azy fa hahazo vatsim-pianarana hianatra any an-dafy izy ary ny sekoly no miantoka izany. 13 taona kosa no zandriny indrindra @ ireo afaka bac ary sokajy tekinika izy.

Mandalo eto Dago kosa i Jim Carey ilay mpilalao sary mihetsika nalaza tany @ taona 1990 tany ho any.Eo @ lafiny fambolena moa no tena votoatiny ny diany aty Madagasikara. Horaisin'ny filoha Ravalomanana moa izy androany.

Nadoboka eny Antanimora kosa i Henry Lecacheur fanakorotanana ny filaminam-bahoka sy fanaovana meeting tsy nahazoana alalana moa no fanejehana azy @ izany. Mbola ho avy koa ny fanagadrana ireo mpanohatra hafa. Miandry tataka kely fotsiny sisa dia avy koa ny manaraka. Efa marika hitarafana ny fahalemeny ny fitondrana moa izao tranga miseho izao. 

Jereo koa eto

Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy
2008/08/29,10:16

Trangan-javatra hafa mihitsy no tanteriko eto indray androany, zavatra niseho tamiko izy ity tsy ela akory izay. Tsy inona izany fa momba ireo namako lasa monina sy mipetraka any an-dafy e! Nisy ranamana izay niray dabilio tamiko ary tena akama be mihitsy izy io tany @ taona 1992 tany ho any izahay no nihaona farany rehefa azo moa ny Bacc dia nanam-bitana ranamana ka lasa tany frantsa nanohy ny fianarany. Ny tena moa dia teto @ tanana ihany safidy moa io tsy misy omena tsiny mihitsy. T@ izany izy dia nahavita nanoratra taratasy saika isam-bolana mihitsy ary izaho indray ary no ila tsy hahavaly azy indraindray.

Nivadika teny ihany ny volana sy ny taona tsy dia henoheno intsony ranamana taty aorina fa misy inona ary olona sendra nahalala azy no niteny tamiko oe nanam-bady izy! Ny tena moa manoratra email ihany fa tsy misy valiny intsony e! Ary io no tena nakamo ahy ho any frantsa t@ taona 2005 saika hianatra moa t@ io fotoana io kanefa nalaiko ambony nalaiko ambany dia tsy mety amiko ny mandao ny aty e. Tsy afaka ny hanao belote intsony ve zany na hitafa @ ireo akama rehetra aty any an-dafy koa toa ohatra ny samy maka ho azy izany ny gasy lasa any. Dia naleoko nahodina ny vola ary nananganako ny asa ataoko ankehitriny. Asa kely kanefa aleoko mionona aminy toy injay hiolonolona @ hafa rehefa mahazo diplaoma vazaha any.

Ny namana taloha ary ity toa mody fanina izany satria niantso azy efa in-3 aho t@ izany fotoana izany dia noraisiny t@ voalohany nandeha ny resaka ary natsidiko ny teny hoe "hibôsy kely any @ lisany any lesy aho raha sitram-po ny Tompo a", "hay ve hoy ranamana", "miantso anla ihany aho rehefa tena tapa-kevitra e". Nanomboka teo dia lasa messagerie vocal foana ny finday-n'ilay ranamana. tsy nisy resaka intsony nanomboka teo mandrak'androany. Raha sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity izy  izao mety ho tonga saina ihany. Sady olona mpanoratra tonon-kalo be izay izy no tia ny teny malagasy ihany koa. Afaka mifanerasera eto ihany izay mitsam na tsy mifanatritava aza.

Ny tena nanosika ahy hanoratra ity lahatsoratra ity dia izao e! nisy zanak'anabaviko izay tonga nanao mariage teto madagasikara izy mianatra any frantsa any koa ary gasy ihany koa ny vadiny. Vita soa moa ny mariage ary tsara ny fety. Nisy olona mpaka sary "video pro" izay nentiny taty dago haka sary fotsiny io mazava ho azy fa ry zalahy no niantoka ary tsy nahita aterineto ry lerony hanaovana ny famandrihana ny toerana dia tonga nidodododo taty amiko nampiasa ny aterinetiko teto. Vita ny famandrihana toerana. Lasa nanao vakansy ry zalahy avy eo, ary nody teto Tàna indray avy eo. Ary ilay anambaviko io no nahafatarako ilay vaovao oe tsy misy lasantsy ao Maevatanana any @ lahatsoratro hafa any!!!

Niniko tanterina eto izany oe tena repotrat@ praogany ry zalahy e! tsy afaka nivily mihitsy ny tena anefa mipetra ety @ RN4 lalana lalovana izany raha ho any Janga. Gaga fotsiny aho anikeho naheno t@ Rabôfy oe lasa nody anikeho any Paris ry lerony. Tsy nanao veloma akory!!! Raha azoko tsara izany dia havana raha misy patsa sisa izahay. Indrisy mifosa fotsiny aho ity sisa kanefa tena ialako tsiny mihitsy e!!! Tena manova olona izao an-dafy an-dafy ao izao ka.

Mampiady angely ny mpanao politika
2008/08/28,13:59

Mandreraka ny mihano ny fifamalina misy eo @ TGV sy ny TIM satria mifamaly @ alalan'ny fampiantsona mpanao gazety izany. Ho anay mpitazana moa dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sy manao izay hatsara ny sary eo imason'ny vahoaka fotsiny izy ireo. Kendaina izahay hoy ny ankilany manakenda ve izany rehefa mandoa ny trosa sa mamporisika ny olona tsy handoa ny trosany koa izany. Kenda ve ny kaominina raha mandoa 4miliara @ 125miliara ao @ kitapom-bola ampiasaina. "Diversion" ilay fika TGV amiko.

Tsy midika velively izany oe fijery mitongilana satria tena mamitaka vahoaka ny tena marina. Ny tena marina dia tsy mahavita azy ireo bandy tafiditra ao @ kaominina ireo dia miala bala fotsiny. Ny andaniny kosa moa dia diso paika ihany koa satria vao maika halan'ny vahoaka hatrany isaky ny mandray fanampahan-kevitra. Ho sahirana Ingahy Ravalomanana raha mitetika ny hirotsaka indray @ 2012 satria efa ratsy toerana izy eto Antananarivo.

Manaraka izay dia nilefitra ihany ny fanjakana @ ilay 4 miliara tokony alohan'ny kaominina inona izany moa fa tsy filana ady no tena marina t@ ilay izy. Kanefa ny Tgv indray no mbola nahazo tombony eo imason'ny vahoaka. Mbola maro moa ny sihon-dresaka mikasika ny fingana tetehina atao @ ity TGV ity kanefa tokony hahay hiova fomba fiady ny mpitondra fa tsy hanao politika botolo toy ny natao ny arema fahiny.

Miresaka arema ihany aho dia mitatitra ihany koa oe marary mafy hono ny amiraly ankehitriny ary voa ny homamiadana any @ loha. torak'izany koa i Pety Rakotoniaina dia marary mafy ihany koa ankehitriny kanefa moa vao maika nafindra any Tsiafahy fa ahina koa ny hiombon'ny aretina.

Izay ny @ iny aloha fa nivaly ny Bac Tekinika andrasana tsy ho ela kosa ny Bac jeneraly. Mirary soa ho an'izay afaka ary mampahery kosa an'ireo izay tsy nahomby.

Jereo koa eto

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype