Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
Mila vola indray ny malagasy ka namory an-databatra boribory ireo mpamatsy vola ny fitondrana. Vola be mitetina any @ 5 miliara $ any ho any no ilaina hanatanterahana ny MAP. Ka asa indray izay ho fifanarahana hipoitra eo na ho lasa trosa ho baben'ireo taranaka ao aorina izy ity na hanao ahoana indray! tsy hanome vola fotsiny @ izao mantsy ny mpamatsy vola fa misy tambiny daholo izy ireny raha tsy oe angaha vola adala tompo. Hentitra ihany koa anefa ireo mpamatsy vola satria tsy dia mazava loatra ny demokrasia misy eto @tsika sy ny fitantanana mangarahara ny volam-panjakana. Ka mety hananosarotra ny hahazo ity vola be angatahana ity!
Ho tapaka indray ny lalana maromaro eto andrenivohitra ny alakamisy 12 jiona fa hisy "carnaval" izany angaha oe hamakivaky ny renivohitra @ io alakamisy io. Ny fitohanana ny fiara efa manahirana mbola hisy ihany koa izao fanampahana lalana izao angamba dia asa fotsiny ny fahasorenana ho an'ireo izay hitondra fiara @ io alakamisy io.
Hanomboka @ ity herinandro ity ihany koa ny adina ara-panatanjahatena eo @ fanadinana bakalorea! maro indray izao ny tanora hifampitaona hijery azy ity satria mahalina sy mahafinaritra ny tanora ankehitriny ny mahita ireo mpiadina maro be manao 1000m! kanefa ihany koa misy ireo mpanararaotra mangalatra ny entan'ny sasany mipetrapetraka eny rehetra eny! ka mila mailo izany ny ankizy hanao io fanadinana io. Mirary soa ny rehetra @ izany! ny CEPE moa dia @ 16 jiona no hanomboka.
Farany dia toa manatena tay tsokina ny mpitia baolina kitra te hanaraka mivantana ny euro 2008 satria dia tsy mampihetsim-bolomaso ny mpitondra akory ny fitarainan'ireo 75% mpitia baolina kitra! efa hifarana androany izao ny andro voalohany eo @ fiadian-toerana eo @ vondrona isan'isany. Kanefa dia tsy mba misy feo heno akory eo @ ireo mpitondra mahefa rehetra oe hikaroka ny fomba andefasana ny lalao mivantana! marihina fa lalao 8 @ 32 ihany no ho hita ny malagasy!
Maneran-tany ny fahasahiranana ary hita fa samy sahirana daholo na ny tany mandroso na ny tany mahantra toa ny madagasikara! efa ho 15000 fmg na 3000 ariary mantsy izao ny vidin'ny lasantsy. Mazava ho azy fa hiakatra tsy ho ela ny vidin'ny entana PPN. Any @ 135$ mantsy izao ny baryl any @ tsena iraisam-pirenena any. Mazava ho azy fa manankarena izay tsy izy izany izao ny fianankaviana Bush izay moa no efa notadiaviny hatry ny ela ka azo antoka izany fa hisotro ronono ampilaminana izy sy ny fianakaviny sy ny tarany! hiantoka izay handimby azy eo.
Tsy latsadanja @ izany koa ny prezida Ravalomanana fa hitombo ihany koa ny harena ho azony satria tsy mitsahatra mitombo ny vondrona tiko @ izao fotoana izao. Maro mantsy ny orinasa nositahan'ny fanjakana efa heno oe lasan'ny tiko indray toy ny Soavonio ohatra. Tsy atao mahagaga moa izany satria kapitalista no manjaka eto madagasikara ka izay manana volabe ampiasaina ihany no manjaka. Any japon izy ankehitriny namonjy ny fivorina iarahan'ny firenena afrikanina sy japon miasa.
Ny maro an'isa kosa dia miantoka mihitsy ankehitriny satria dia mihena ny vola eo ampelatanana ary hita mihitsy oe tsy mahatafita volana ny vola ao antrano ao! mafy e, tsy hita intsony ny handrefesana ny fasahiranana ankehitriny. Azo antoka fa hitombo hatrany ny elanelana hisy eo @ manankarena sy ny mahantra.
Sarotra tokoa ny fiainana ka raha tsy manana finoana sy ny fanantenana dia angamba efa ela no namoifoy! soa ihany fa fohy ny fotoana iainan'ny zanak'olombelona.
Nangina ny fankalazana ny 13 mai! Amiko manokana aloa dia tsy dia hitako laotra tokoa ny hankalazana ny 13 mai na dia tena manana ny tantarany tokoa aza io andro io teo @ resaka fanonganana fanjakana satria dia voalaza fa ny amiraly irery no tsy mba nampiasa izany kianja izany raha naka ny fahefana! fa na i zafy na ra8 dia samy may vava teo daholo t@ fotoan'andro! noho ny injay anefa lasa prezida dia samy nandà daholo ny hanaovan'ny mpanohitra fihetsehana teo! mahagaga ihany.
Hiakatra fitsarana androany kosa i pety sy ny Jly fidy. Momba ny nakana ny toby BANI ankeriny moa no hiompanan'ny fitsarana atao androany io; ka andrasana indray izay vokatry ny fitsarana sy izay mety ho sazy ho azon'izy mitsamy ireto.
Ny fiainana moa mande ihany etsy andanin'izay! miverina manadio tsena indray ny mpiasan'ny CUA ka manao fangalampiery @ mpivarotra indray ry zalahy izany izao.Manomboka kosa ny fanamboarana ny kianjan'andohalo ary tena dokam-barotra be mihitsy moa izy ity izay mande @ fahitalavitra matetika.
Lasa 5000 Ar kosa ny litatra ny menaka Tiko! izay marihina fa niakam-bidy foana izy ity tao anatin'ny 6 taona izay, tena mampiteny ny moana mihitsy ny fiakatry ny vidim-piainana!
Farany dia resy teo anivon'ny Chambre administrative ny fanjakana raha nandrava ny federasiona malagasy ny baolina kitra!!! tsy atao mahagaga moa io satria efa nihaona ny mpikambana eo anivon'ny federasiona sy ny filoha ny repoblika tapam-bolana lasa izay ka io angamba no lalana ialana @ fahafaham-baraka noho ny tsy fahaizan'ny minisitera! mahay miala bala foana kosa aloa ra8 eo @ lafiny toy izao e! hainy mihitsy ny mampiasa fahefana.
Nahavory kristianina maro ny "global day of prayer" izay nototosaina tao @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alahady hariva lasa teo! andro natokana hiarahan'ny kristianina tsy hanavahana antokom-pivavahana niaraka nidera an'Andriamanitra moa izy ity! ka vory lanina tao avokoa ny mpino rehetra! ary ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly moa no nikarakara azy ity izay tarihin'ny Pastora Mamy Rakotolehibe.
Etsy andanin'izay kosa dia nipoaka izay no filazan'ny tanora azy ny seho sehatra nataon'i Din Rotaka tao Antsahamanitra ny alahady ihany koa! na izany aza anefa dia tsy nihemotra ny lehilahy fa nototosainy foana ny lanonana.
Nahazo olona kosa anefa i lola ny alatsinainy ary tena mbola ao anatin'ny lazany izany ny lehilahy na dia efa feno 10 taona aza izy izao no nandeha irery! ny indro kely fotsiny dia teo @ herin'aratra izay tapaka lava ka nanimba ny feeling teo @ ireo mpankafy! na izany aza anefa dia isany tanjona ho tratrarin'ny mpanankato malaza ankehitriny tokoa izany laza tsy lefy ao anatiny folo taona niakarana an-tsehatra izany.
Toy izany koa ny seho nataon'i Tsiliva tao antsahamanitra dia tomefy olona ihany koa tao!
Olona 6 kosa no namoy ny ainy ary am-polony no naratra mafy nanditra ny fety nodiavintsika teo iny! tantely amam-bahona tokoa ny fiainana tsy maintsy misy foana ny loza rehefa fety toy izao. eo ny mety oe tandrevaka eo @ tsirairay kanefa mety ho vokatrin'ny fisotroana diso tafahoatra ihany koa! anatra ho an'ny fety manaraka izany ka mila mailo hatrany satria lahy tokana ny aina.
Jereo koa eto na koa mihomeza kely ato.
Tsy dia mahazatra antsika ny mifampiarahaba tratry ny andro nilatsahan'ny fanahy masina, kanefa dia andro lehibe tokoa ho an'ny kristianina izy ity! koa dia faly miarahaba antsika indray nahatratra izao andro fandresena izao indray! tena mihazakazaka tokoa ny fotoana! efa hisasaka sahady ny taona 2008. Tena tsy hitahita akory!
Koa dia mirary soa antsika mpitsidika ny blaogiko! ary mankahery antsika hatrany @ izao fahasahiranana mianjady antsika izao! ny Tompo anie homba antsika hatrany!
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |