Mampiady angely ny mpanao politika
Mandreraka ny mihano ny fifamalina misy eo @ TGV sy ny TIM satria mifamaly @ alalan'ny fampiantsona mpanao gazety izany. Ho anay mpitazana moa dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sy manao izay hatsara ny sary eo imason'ny vahoaka fotsiny izy ireo. Kendaina izahay hoy ny ankilany manakenda ve izany rehefa mandoa ny trosa sa mamporisika ny olona tsy handoa ny trosany koa izany. Kenda ve ny kaominina raha mandoa 4miliara @ 125miliara ao @ kitapom-bola ampiasaina. "Diversion" ilay fika TGV amiko.
Tsy midika velively izany oe fijery mitongilana satria tena mamitaka vahoaka ny tena marina. Ny tena marina dia tsy mahavita azy ireo bandy tafiditra ao @ kaominina ireo dia miala bala fotsiny. Ny andaniny kosa moa dia diso paika ihany koa satria vao maika halan'ny vahoaka hatrany isaky ny mandray fanampahan-kevitra. Ho sahirana Ingahy Ravalomanana raha mitetika ny hirotsaka indray @ 2012 satria efa ratsy toerana izy eto Antananarivo.
Manaraka izay dia nilefitra ihany ny fanjakana @ ilay 4 miliara tokony alohan'ny kaominina inona izany moa fa tsy filana ady no tena marina t@ ilay izy. Kanefa ny Tgv indray no mbola nahazo tombony eo imason'ny vahoaka. Mbola maro moa ny sihon-dresaka mikasika ny fingana tetehina atao @ ity TGV ity kanefa tokony hahay hiova fomba fiady ny mpitondra fa tsy hanao politika botolo toy ny natao ny arema fahiny.
Miresaka arema ihany aho dia mitatitra ihany koa oe marary mafy hono ny amiraly ankehitriny ary voa ny homamiadana any @ loha. torak'izany koa i Pety Rakotoniaina dia marary mafy ihany koa ankehitriny kanefa moa vao maika nafindra any Tsiafahy fa ahina koa ny hiombon'ny aretina.
Izay ny @ iny aloha fa nivaly ny Bac Tekinika andrasana tsy ho ela kosa ny Bac jeneraly. Mirary soa ho an'izay afaka ary mampahery kosa an'ireo izay tsy nahomby.
Tsy mety mivaly ny Bac
Tomefy tanora tetsy Ankadifotsy omaly tolankandro sasamiandry ny fivoahany valiny bac! Indrisy anefa fa mbola tsy nisy izany. @ ity herinandro ity no tombanana ny hivoaka ity bac ity ny any sisiny anefa efa mivaly daholo ny ankamarony. Aleo anefa tena ialana nenina tsara mihitsy ny fanarahamaso sy ny fanamarinana faram-parany ireo salan'isa azo ny mpiandina tsirairay mba tsy hifanomezan-tsiny avy eo. T@ zoma teo tokoa mantsy ny déliberation no natao ary 9,5/20 no salan'isa omena ireo afaka @ izany.
Eo @ vaovao hafa kosa dia lasa mankadilo sofina indray ny maheno ny fitarainana ataon'ny ben'ny tanàna sy ny ekipany @ izao fotoana izao. Amiko manokana mantsy dia tokony efa nivonona ny @ izay mety ho fingana izy raha nirotsaka teo. Ny fikarohana ny vahaolana no tokony imasoana fa tsy ny fitarainana lava no tatitra omena ny vahoaka. Nasaina nandoa ny trosa hatrany @ taona 1980 tany ho any angaha hono ny kaomina ary manodidina ny 850.000.000 Ar any ho any ny vola nalain'i fanjakana foibe t@ kitapom-bola tokony ho an'ny CUA. Etsy an-danin'izay anefa dia mitombo ny takelaby sy dokam-barotra azon'ny orinasa injet eto @ tanàna ary eny @ toerana tsy tokony hisy azy ary indraindray no misy ireo takelaka. Efa manampatra fahefana sahady ingahibe ny tanàna.
Nalefa eny Antanimora vonjy maika kosa i Kevin ilay voampanga fa nanao ilay fanolanana sy famonoana zazavavy kely 6 taona tetsy Anjanahary. Alaim-panahy ihany aho hiteny oe sao mba mila irony seza elektrika ihany ary eto Madagasikara. Maro laotra mantsy ny mihetraketraka eto. Vao tsy ela akory koa izao ilay lehilahy récidiviste sady mpifoka rongony no efa nigadra in-5 t@ famonoana olona no namono olona bevoka teny @ faritra 67Ha iny. Avy dia nomeny ny totohondry ny kibon'ilay ramatoa no mbola nolerany ny antsy ihany koa! Soa fa mba voavonjy itsy farany sy ny zaza tao ambohoka. Mampalahelo ny zava misy fa atao ahoana moa.
Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
Matetika moa ny zavatra rehefa tina asondro-bidy dia somary afenina kely na tsy apoitra eny @ etezera fa lazaina oe lany dia avy eo misondrotra ny vidiny. Tsapa mantsy tato ato izay fa lany ny dibera tiko tsy misy afa tsy io mantsy no tena malaza ka miandry izay fisiny sisa. Ny nividianako farany izao dia t@ zoma lasa teo ary 2000 Ar ny 250g. Voalaza moa fa toa oe simba nga hono ny milina mpamokatra azy ity any Antsirabe any.
Ny vaovao hafa moa dia tsy misy lasatsy ao Maevatanana ka mihitsoka ao daholo ny akamaron'ireo mpanao vakansa avy any mahajanga. Mila mihomana mitondra solika @ zerikana izany izay mikasa ny ho any @ iny faritra iny mba tsy ho sahirana eny andalana eny.
Afa-baraka kosa ny eo @ tontolo ny fanatanjahatena satria dia novakiny minisitra Jean Louis Robinson batsilana ny tsy mety teo anivon'ny komity olimpika izay nanao fitsangatsanganana fotsiny no natao tany Beijing. T@ ireo olona 21 nofantenina ny ho any mantsy dia 6 monja no tena atileta ny ambony dia olona mpanaraka fotsiny. Tsy nisy mpanazatra, tsy nisy mpitsabo nohentina moa tany hoy ny minisitra. @ manaraka indray manarina.
Zava-doza mitandrema isika
Indro zaraiko @nareo eto ny email nalefan'olona taty amiko voaraiko androany! niniko tsy nadika @ teny malagasy izy ity satria sao mba misy vahiny mitsidika ity blaogiko ity dia mba azony izay voalaza ato!
Très important!! Pour une fois...
Il est important de lire ce petit message
Est-ce possible d'être rendu fou , à ce point???
Vous pouvez le croire ou non, il n`en reste qu`à vous!
Ceci s'est passé à Montréal et à St-Bruno. Il y a quelques jours de
cela,dans un cinéma, une personne s'est assise sur quelque chose de piquant sur
un des sièges. Lorsqu'elle s'est relevée pour voir de quoi il s'agissait,elle a
trouvé une aiguille plantée à travers le siège avec une note attachée disant: '
Vous venez d'être infecté par le VIH'.
Le Centre de Contrôle des Maladies rapporte plusieurs événements similaires
dans plusieurs autres villes récemment. Toutes les aiguilles testées sont
positives VIH. Le Centre rapporte qu'on a trouvé des aiguilles aussi dans
les retours de monnaie de téléphones publiques ainsi que dans des machines
distributrices de liqueurs douces.
Nous demandons à tout le monde d'user d'une extrême prudence, quand vous
serez confronté à ce genre de situation.
Toutes les chaises publiques devraient être inspectées avec vigilance et
prudence avant usage. Une inspection visuelle minutieuse devrait suffire.
IMPORTANT: SI CELA VOUS ARRIVE (DE TROUVER UNE AIGUILLE OU D'ÊTRE PIQUÉ)
SVP AVERTIR LA POLICE LOCALE IMMÉDIATEMENT ET/OU LA DIRECTION DU
CINEMA OU DE L'ENDROIT OÙ VOUS VOUS TROUVEZ À CE MOMENT.
De plus, les soussignés demandent à chacun de vous de communiquer cet avis
à tous les membres de votre famille et vos amis, du danger potentiel..
On nous a demandé de passer ceci au plus grand nombre de personnes
possible. Pensez que vous pouvez sauver une vie juste en redistribuant ceci.
L'Organisation Mondiale de la Santé vous remercie.
S/S François Charpentier
Sûreté du Québec
Manararaotra diso tafahoatra ny JIRAMA
Tototry ny fahasahiranana ny tena ankehitriny iny aloha tsy afamiala @ maha olombelona ny tena, ary tsikaritry ny maro angamba fa tsy tafablaogy mihitsy aho tato ato izay ny vaovao anefa misy tokoa ka omeko eo ihany izay tadidiko.
Voalohany dia ny eo anivon'ny Jirama izay mahatohana ny mpanjifa tokoa ny ataony satria tsy misy tonga aty an-tranory zareo fa mitokona hono ka tsy nisy naka izany ny relevé efa ho 2 volana izao. Avy eo indray ny mpanjifa no asaina manoratra @ taratasy izay consommation lany eo @ kaontera ny jiro dia torak'izany koa ny rano. Mazava ho azy fa miakatra izay tsy izy ny consommation nao ao satria tonga dia volana roa be izao no indray mitambatra ao. Tsy manaiky anefa ry zareo raha mba miangavy ny tena oe aloha indroa ilay izy.
Faharoa kosa dia ilay lalao soabika @ Tvplus! izay tena hitako oe lasa mamoafady loatra ilay izy satria dia amboridana ireo mpifaninana tsy misy afa tsy takon'enatra kely sisa anaovana. Kanefa anie dia vehivavy lehibe efa renim-pianakavina daholo ny ao e! Manotany tena mihitsy aho oe misy lanjany tokoa ve ny fitafina anaovana eny an-koditra rehefa milanja!!! Asa aloha e! Manarak'izay dia ny toem-pasalamana ny mpifaninana izay tena mampiahiahy be ihany satria misy foana no torana ao ka sao dia mba hisy loza ny farana vao ho tonga saina ireo mpikarakara.
Farany dia any Suede ny Filoha ankehitriny, raha naka vakansy kosa ny mpikambana sasany ao @ governemanta.
Welcome to Blaogin'i news2dago

