Andeha sa tsy andeha?
Vakansy ny andro te mba hiala sasatra i news2dago! maro anefa ny zavatra tsy maintsy homanina sy ilana paikady tsara vao tena afaka mandeha. Eo ohatra ny vola atotona @ ity vakansy ity ze aleha tokoa vola daholo. Manaraka izay ny toerana, maro ny toerana efa nitsidika tato an-tsaina kanefa toa tena tsy hitako izay haleha.
Ambila sa Folopointy samy tsara kanefa misy lafy ratsiny daholo Ambila ohatra dia ilay milahatra baka no tsy reviko any dia tsy kaonty iny zany aloha. Folopointy avy foana hono ny orana any! tsy afaka hilalao rano zany fa sao manavy eo. Vatomandry sa Mahanoro? Vatomandry tsy dia misy toerana afaka hilalaovana rano sy hilomanosana torak'izany koa i Mahanoro. Raha ho any Mahajanga anefa toa ohatra ny lavitra loatra ka tsy hatanty rafotsy satria mavesatra entana! teraka an-dalana eny zay vao loza eo.
Raha mijery ny ho entimanana indray aho anefa dia toa tena handany vola be ihany vao afaka ny hiala sasatra, ny vola anefa mety tena ilaina ao aorina kely ao rehefa tonga ny vahiny. Dia angamba izahay tsy andeha indray fa hitanin'andro etsy antokotany fotsiny sisa.
Lalina ihany izy ity ka taloha mantsy dia tsy mba notazaina t@ izany vakansy izany izahay ny tena moa zanaka mpiasa ny lalamby taloha ka tsy nisy afatsy Antsirabe sy Toamasina no falehako ary Ambatondrazaka dia indray mandeha monja aho no mba tany. Manakara moa dia mbola tsy hitako mihitsy. Izao kosa efa mitokatrano ka dia miova ny fiainana lasa mandeha vakansy foana matetika ny tena fandehananay dia rehefa farany volana septambra eo mantsy tsy manahirana ny mitady trano satria efa tapitra mody ireo mpiala sasatra. Dia aleo @ taona manaraka indray e!
Natao mariazy i Spir'Omic
Ny lalao any Beijing aloha no tena malaza ankehitriny. Ary vokatra ratsy sahady ho an'ny malagasy satria dia raraka t@ fihodinana voalohany avokoa ny mpanao judo malagasy sy ny mpilomano. Tsy asina resaka intsony moa satria ny fanomanana vonjy tavanandro fotsiny ka mazava ho azy fa ny vokatra koa dia sahala @ izay ihany koa.
Nahazo mari-boninahitra Honoris Causa hafa indray ny filoha Ra8 tany @ oniversite ny Beijing raha totalina moa izany dia efa 3 sahady ny mari-boninahitra ambony azony tao anatiny heritaona izay. Noho ny hafalim-pony moa dia nomena vatsy kely ireo atileta malagasy mandray anjara @ ity lalao olimpika ity ka nahazo 200$ isan'isany avy.
Natao mariazy t@ zoma 8/8/8 lasa teo kosa ilay mpanakanto malagasy metisitisy endrika maha taratara ireo zatovovavy eto @ tanana ary inoana fa maro no diso fanantenana sy mba niandrandra ny ho voafidy kanefa dia efa nanana ny safidiny ny lehilahy tsy iza izany fa i Spiromic tetsy @ culte Andohalo moa no natao ny mariaziny ary tetsy @ hotely Colbert no niara nisakafo izy sy ireo mpanotrona. Maharena tokatrano ary mahareta h@ farany. Ho an'ireo zatovavy kely kosa dia mbola ao i Mirado fa aza kivy e! lol
Maivan-danja ve ny rà afrikanina?
Hafa kely ity vaovao entiko eto ity androany satria mba nahita vaovao t@ tv5 aho anikeo milaza oe tompon'antoka lehibe t@ famonoana olona fahobe na "génocide" tatsy Roanda ry zareo frantsay sy ny fanjakana noentin'i François mitterand. T@ taona 1994 moa no nanomboka ity ady an-trano ity ary tombanana any @ 800.000 any no maty t@ ireo foko "totsy" sy "oto". Raha izaho manokana aloha dia tena resy lahatra aho fa marina io fanambarana navoaka ny fanjakana roande io, satria tena mitovitovy an'io ihany ny fomba saika hatao teto Madagasikara t@ taona 2002 ary ny tantara moa afaka mitsara izany. Teo no nimpoitra ny fankalahana frantsay teo @ ireo malagasy ary io no mba anisany nampiakatra ny fitiavan'ny olona an'i Ra8 t@ fotoan'andro dia ny oe afaka @ zioga ny frantsay isika. Manamarina izany ihany koa ny zavatra nintranga tatsy Côte d'Ivoire.
Ny indro kely fotsiny dia ny oe rehefa ny afrikanina na ny mainty hoditra no maty dia hain'ireo firenena lehibe no mametrapetraka ny dôsie sy mampangina ny feo sy ny fanandihadina tokony atao rehetra. Satria tena tokony henjehina any @ tribonaly iraisam-pirenena ity vono olona matsiravina ity. Tsy io ihany fa eo koa ny atsy Sodan, RDC, sy ny faritra maro aty afrika izay misy ambadika foana moa izy ireny satria ny afrikanina tsy manana basy izany fa amporisihina hiady mba hitsetsefana ny harena be tsy hita nonoa ao aminy.
Vao tsy ela akory izay no nisy ilay tsunami tany azia ary eran'ny vazatany efatra ny famonjena sy ny fanampiana azo. Fa rehefa ny afrikanina no maty mosary sy rava ny ady dia tsy mihetsim-bolomaso akory ireto firenena lazaina fa lehibe ireto. Tsy misy vidiny ary ve izany ny aina afrikanina sy ny mainty hoditra raha oharina @ ireo volon-koditra hafa?
Vako-drazana sy hira gasy.
Voizina indray ankehitriny ireo vakoka sy kolotsaina malagasy izay tena mampiavaka ny malagasy @ ireo firenena hafa. Nomeny kaominina hilalaovana hira gasy sy vako-drazana mantsy ny kianja maintso eo Ambohijatovo isak'alahady ary dia vory eo daholo ireo sangany @ ity vako-drazana ity. Ny fanontaniana apetrako fotsiny dia ny oe fa inona tokoa moa no mampiavaka sy maha samihafa ny hira gasy sy vako-drazana e? misy afaka manome fanazavana ve? Izaho mantsy ohatrany manafangarao an'ireo foana! lol.
Nitsidika ny tetsy @ lapan'ny tanana kosa ireo orinasa namaly ny tolobidy @ fanarenana ny lapa ka orinasa lehibe 7 no namaly ny antso t@ izany. Voalaza moa fa atao mangarahara tanteraka ny fizotra ny asa sy ny tolotra omena izay mahazo ny fanorenana ny lapa. Etsy andaniny kosa anefa dia nilahatra ary nilanja sora-baventy ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Behoririka omaly. Andrasa indray izay ho tohiny ny dinika eo @ mpivarotra sy ny kaominina.
Mavaivay kosa ny fifaninana eo @ ireo mpivarotra solika eto an-drenivohitra. Tsapa mantsy fa milahatra izay tsy izy ny fiara maka solika eny @ ireo mpivarotra shell rehetra ary tsy maharaka indray aza ny tolotra omena ny mpanjifa satria dia 200 Ar be izao ny elanelam-bidy misy eo aminy sy ny mpivarotra solika hafa. Fahiny mantsy dia mitovy foana ny vidiny solika na aiza na aiza no ividianana izany tsy hita izay antony hitsinjarana azy oe Total na Jovenna na shell na Galana...fa izao kosa tena misafidy ny olona ka izay zakany ihany no vidiny.
Manao ahoana i Zain!
Hiova anarana manomboka androany ny Celtel Madagascar na ilay mpamongady @ serasera sy antso @ finday. Tsy ny eto Dago ihany anefa fa any @ tranobe reniny mihitsy no miova manomboka androany. Vao maika hafana izany ny fifaninana eo @ Orange sy Telma ary i Zain ka hisonanika ny mpanjifa hisafidy izay tiany. Mety hajifa koa anefa ny vola ao ampaosy hividianana ny fahana.
Tsy mahazo mandeha @ andro hariva intsony ireo sambo kely fripy izay angaha no azo ilazana azy sady akaiky kokoa @ zavatra fividiny ny malagasy. Izay aleha tokoa mantsy izao dia fripy avokoa ny lalana rehetra eny @ 67 ha ohatra dia misy mivarotra eo @ sisin-dalana eo ny kojakoja an-dakozia toy ny frigo, fatana, lafaoro, fanaka sy ny sisa. Toy izany koa ny vavahady ny zone franche iray etsy Andraharo misavovona ohatrany eny Isotry ireny ny fivarotana fripy. Tsy atao mahagaga moa izany satria izany no sahaza ny vola miditra @ fianakavina iray. Fa hiverenako @ izay ilay didy mandrara ny fivoahany sambo @ hariva satria dia nisy foana ny loza tato anatin'ny iray volana monja dia efa mahery ny roampolo ny maty sy tsy hita noho ny sambo rendrika ka hentitra ny fanjakana raha namoaka io didy io.
Welcome to Blaogin'i news2dago

