76777 no isan'ny mpanala Bac
Dia tonga tokoa ity ilay androm-panadinana ho an'ireo mpanala Bac ny taranja filôzôfia moa no adinina @ andro voalohany. Mirary soa ho an'ny ankizy mpiadina rehetra. Efa nivaly t@ asabotsy hifoha alahady kosa ny Bepc ary manodidina ny 49% eo no taham-pahafahana t@ izany. Miarahaba ireo afaka ary mampahery hatrany an'ireo tsy afaka kosa, mila miomana tsara indray @ taom-pianarana manaraka fa mbola misy izany ny lesoka.
Nifarana t@ asabotsy teo koa ny fifaninana lalao mm's tournement ka norombahan'i Andritiana efa tompon-daka t@ taona lasa ihany ny amboara t@ ity indray maka ity. Azo ambara fa tena havanana ny lehilahy @ lalao PES 2008 satria dia tena sahirana tokoa ireo nifaninana t@. Miandry ny lalao kitram-pokotany indray izany izao ny kilonga efa miala sasatra izay hanomboka @ 2 aogositra ho avy izao.
I Nina sy ny street fighters kosa no nahazo ny amboara teo @ fifaninana tecktonik. Na ilay dihy malaza ataon'ny tanora ankehitriny. Raha mijery an'ity dihy ity moa ka tsy asiana feo ny fahitalavitra dia tena sanatria ohatra ny mahita olona voan'ny ramanenjana ireny. LOL, samy manana ny vanom-potoanany moa ny dihy rehetra ny anay zao dia ny smurf sy ny breakdance no nalaza. Taloha tokoa izany.
Tafakatra eo @ dingan'ny manasan-dalana kosa ny Barea ny Madagasikara eo @ lalao cosafa castel cup! lalao atao any Afrika atsimo naharesy an'i Angola t@ isa 1 no 0 moa izy t@ ampahefa-dalana ary hidona @ i Mambas Mozambika indray. Mety mba hamaly bontana kosa angamba ireto omby masika ireto androany.
Mampatahotra ny lozam-pifamoivoizana!
Kamiao be anakiroa omaly no nanapaka ny lalana RN4 vokatry ny loza naterakin'ny tsy fitandremana. Voalaza mantsy fa nifanenjika ireto kamiao anakiroa ireto ka izao niteraka fitohanana sy lalana tapaka izao soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahavoazana ara materialy no betsaka! tao ny rava trano ny kamioa moa potika tanteraka ny Kaontenera nentina nidoboka sy nitsivalana teo @ arabe. Ny Kamiao iray moa dia nidofotra tetsy Antanety Ambohimanarina ary nifaoka trano anakitelo ny faharoa kosa dia teo @ ilay fidinana Ambodimita ary nifatratra tany @ tranon'olona ihany koa! soa fa niandry faty ireto tompotrano ka tsy nisy tao fa raha tsy izay angamba dia faty nikararana no hita.
Nisy olona maty hita natsingevan'ny rano indray tetsy @ ilay lakan-drano etsy Andraharo mbola eny @ iny faritra Ambohimanarina iny ihany no niseho ny tantara. Vehivavy lehibe ilay izy ary mbola teny ankodiny daholo ny fitafiny rehetra. Ity rano ity moa dia ahitana ohatr'izao foana rehefa miditra ny rano. Mbola misitery ny antony nahafaty ity olona ity fa ny tena nampahonena dia ny tsy fikarakaran'ny Kaominina ny razana. Ireny Kamiao be mpitaona fako ireny mantsy no nakana ilay faty!!! ary onena daholo izay sendra nandalo sy nahita ity tranga ity omaly oe sanatria ve efa fatim-biby no dia atao ohatr'izao. Toy izao koa mantsy hono no nanaovana ireo enin-dahy maty teny Ivato herinandro lasa izay. Mba tokony jeren'ny tompon'andraikitra akaiky ihany ny ohatr'izao.
Efadahy mpikambana sy mpikarakara Rallye ao @ FMMSAM no indray maty tsy tra-drano tany Ilempona Antsirabe raha nisava ny lalana kasaina hanaovana ny fifaninana ao aorina kely ao. Rehefa ho avy moa ny loza tsy mba mampilaza. Dia bangana indray izany ny tontolon'ny fanatanjahatena. Vokatrin'ny fandehanana mafy moa no tena nahatonga ny loza ary tsy teny @ lalam-pirenena akory no nitranga fa tany @ route secondaire ary voalaza fa tsy tafiditra tao anaty tetezana ilay 4x4 netin'izy efadahy ka izay no tena nahatonga izao loza izao.
Hivadika lafim-baovao hafa kosa tanteraka aho aloha fa efa ho lava izany zavatra mampalahelo notataraiko teo izay. Dia ny lafin'ny toetrandro izany, diso fanantenana tanteraka mantsy ny olona mpanao vakansy any Toamasina ankehitriny fa tsy misy masoandro mihiratra mihitsy fa dia orabe mikija foana izay efa ho herin'andro izao. Ka asakasak'izay mbola te handeha any aloha.
Atao fitadivam-bola ny mpianatra manala BAC
Tsy misy hetsika afatsy fanentanana ny ankizy mpanala BAC hanala azy ankehitriny ao @ onjam-peo sy ny fahitalavitra. Izany no tena oe tsy mivoaka ny ala akory dia efa misihoka. Asa zao raha mba hifantoka tsara @ fanadinana ireto ankizy mpianatra ireto na tsia fa dia tena mahonena ny maheno ireo dokam-barotra. Eo ohatra ny manala azy vita bac miaraka @ Olombelona Ricky iray izay, ny faharoa dia ny dihy techtonik mandramaraina, ny fahatelo dia ny smile party eny ankorondrano, ary farany dia Tovo jhay. Ny mahalasa ny saiko fotsiny dia ny oe fa heverin-dry zalahy manambola be ary ireto ankizy cibler-ny ireto!!! sady avy eo dia hanaonao foana any satria hivoaka alina koa, misy azy ny raiamandreny raha mba afaka moa maninona fa raha sanatria tsy afaka no tena voa mafy. Tokony mba hieritreritra ihany ny mpikarakara lanonana fa diso tia tena loatra.
Manaraka izay dia nodimandry t@ alahady 20 jiolay teo i Rabenahy Paul izy moa dia mpampianatra physique chimie no sady maitre de conférence eny ankatso tao @ sampana science, ary nampianatra tao @ acem. Mety misy mahafantatra azy ihany ny akamaron'ny mpianatra nanao cours tao @ Acem. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankavina isika.
Marary mafy eny @ réanimation eny Ilafy kosa ny filoha ny Leader Fanilo Herizo Razafimahaleo. Avy nodidina moa ny lehilahy ka tsy nahatsiaro tena intsona na oe etat comateux izy izany ankehitriny. Ity vaovao ity moa dia navokan'ny gazety mpiseho isan'andro iray eto madagasikara.
Mbola mahalasa saina ihany koa ireo zavatra boribory maro hita tao Manakara. Ary lasa resaka be mihitsy ao @ radio sy ny tele satria dia ny mponina no nahia ireo zavatra ireo. Ny filoha moa dia niteny oe misy manao trafika na fitaovam-piadina eto. efa misy mafia zany eto amintsika ka ahina ny fifandonana @ fisamborana ireo atidoha manao io trafika io.
Fandrindram-piterahana mety hahomby ve?
Ady @ hamaron'ny zaza teraka ankehitriny no fanamby omen'ny fitondrana ka mila arindra ny fiainam-pianakavina. Tsy vitsy mantsy ny fianakavina malagasy no mbola mihaotra ny zaza enina ao an-trano kanefa ny vola raisina tsy mahatoraka ny vola mivoaka @ famelomana. Mbola marikin'ny fahatrana ihany koa moa ny hamaron'ny zaza teraka. Tsy dia hita kosa anefa ny tena politika tena matipaika hiadina @ izy ity fa toa resaka ambony latabatra fotsiny no betsaka. Ka ireo mipetraka ety ambonivohitra sy misy ny serasera no tena madaitra fa ireo tambanivohitra kosa tena mbola lavitra ny asa. Eo ihany koa ilay soatoavina malagasy izay mahamenatra ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo @ olona tsy fantatra sy eo @ ray aman-dreny sy zanaka.
Nambaran'ny filoham-pirenena kosa fa misy orinasa lehibe manao trafika na basy eto Madagasikara. Mampitandrina ny tenany fa tsy hitsitsitsitsy izay tratra @ izy ity. Nisy sary maromaro moa nasehony t@ izany ho porofo @ fisin'ilay trafika. Midadasika ny morotsiraka ary tsy azo lavina fa sarotra ny fanaraha-maso ny morotsiraka fa ilaina ny fiara-miasa @ vahoaka izany vao mety ho vita.
Mafotaka kosa ny lalao MMS tournement ao @ fahitalavitra MBS. Izy ity moa dia lalao @ PS2 ka lalao ady baolina kitra no atao ilay PES2008. Tena kinga tokoa ireo kilonga kely ary tsy diso anjara ihany koa ireo lehibe milalao sy manaraka azy ity. Ny tena moa mba milalao ihany fa eto @ solosaina eto ihany no mikatroka fa tsy sahy mifanejana @ ireo kilonga ireo satria azo antoka fa resy bobaka be ka aleo manaja tena. Ho tanterina miandalana eto ihany moa izay mety handrombaka ity lalao ity.
Nisondrotra omaly indray kosa ny vidin-tsolika ary 3100 Ar izy ankehitriny raha 2970 Ar teo aloha ny gazoala kosa dia 2980 Ar. Dia miaritra izay hiafarany eto moa ny rehetra fa hiteny inona intsony moa. Ny shell ihany no hany mbola nitazona ny vidiny taloha.
SoAbika na Bigest loser gasy
Dia mahazo vahana mihitsy itony tele realité itony eo @ ireo fahitalavitra malagasy ankehitriny. Efa tsy vaovao @tsika intsony ohatra ny fandaharana Pazapa izay isany nisantatra itony tele realité itony teto Madagasikara. Izy io moa dia fifaninanana mihira ka ny mpijery no mifidy izay tiany hahazo ny vola be Roapolo tapitrisa Ariary @ farany tsy mahagaga raha roboka daholo izao bodo sy adala rehetra izao! LoL ialantsiny @ teny somary hejakenjana, satria dia fafinaretana ho an'ny mpikarakara ny mampiseho ireo olona miteniteny foana @ tonon-kira tsy fantatra na teny inona na teny inona. Mety misy ny tsy nianatra nandray anjara @ izy itony kanefa eo koa ny sasany tena tsy ampoizina mihitsy oe olona ohatr'izao ihany ve kanefa dia tena miteniteny foana ohatr'izany. Asakasak'izay mbola tsy tonga saina ihany @ ity fandaharana iray ity aloha e.
Avelako eo ny @ iny satria samy manana ny safidiny ny olona ka tsy azontsika sakanana @ izay tiany akory. Dia hanomboka tsy ho ela koa ny fifaninana hanahia tena ampahibemaso satria dia andeha mivantana eo @ fahitalavitra eo izany ny fikotsanana!!! sy ny fifadina hanina ho an'ireto tovovavy sy ramatoa bota be miisa 500 be izao, samy mba te hahazo bika hono izany angaha ny "motivation" tena nanaovan'ny ankamaron'ireo mpifaninana ireo. Dia tena karazany tokoa moa izany ao ny botrefona fohy kely eo ny trozona lavabe eo ny katavy tsy hoby varavarana!!! Dia hisy azy indray ny hijery an'ity fifaninana ity ka na dia mangalatahaka ilay "Bigest loser" atao any ivelany any aza.
Mbola maro moa ny tele realité ataon'ny vazaha ho an'ireo fahitalavitra hafa tsy mbola mamoaka ny azy eo ny "Fear Factor" eo koa ny "Bachelor" eo koa ny "triumph" sy ny sisa ka miakina @ fahavonona ny tsirairay sisa izay dia hijery foana aloa sady ny fialam-boly tsy misy firy eto @ tanana. Ny fandehanana any @ vakansa moa efa iarahana mahalala fa henjana nohon'ny lasantsy tsy takabidy no sady faritra mena daholo ny lalam-pirenena satria misy manakan-dalana any ankodahoda any.
Welcome to Blaogin'i news2dago

