[Politika ] 03 Martsa, 2009 09:06

Mitohy ihany ny tolona etsy @ 13 mai ary omaly no nanomboka ny fitokonana faobe. Tsy dia tafita 100% moa izany hetsika izany na dia niezaka mafy ary ny mpanentana sy ny mpikomy handresy lahatra ny olona. Nifarana t@ vaky trano sy ny fandrobana arakin'ny mahazatra moa ny hetsika. Lasibatra avokoa ny teny Tsaralalana sy ny manodidina soa ihany fa teo ny mpitandro ny filaminana.

 

Mbola nahitana razana ihany koa tao @ ilay tranombarotra may "Trading center" ka naranty teo @ 13 mai ireo razana ireo. Tsy naneho ny heviny moa i Andry Rajoelina t@ ireo faty hita ireo fa nanamarika fotsiny izy fa faty nafenin'ny fanjakana tao ireo!!! Napetraka teo anolon'ny lapihazo teo moa ireo razana ireo. Asa inona ny antony tsy mbola mazava.

Nisy korotana ihany koa teny Ambohipo omaly satria dia nanao barazy eran'ny tanàna ny mpomba ny 13mai ka noravan'ny emmonat ny sakana nisy naratra mazava ho azy noho ny fandosirana ny sasany t@ ireo nanao barazy. Voaelingelina arak'izany ny fivezivezena eo @ fiara sy ny mponina manodidina. Mbola demokrasia malagasy koa izany.

 

Niely koa ilay tapakila na banky azon'Ingahy Rajoelina avy any @ José Viane. Ny fahamarinany kosa aloha tsy fantatra satria efa avo lenta ihany ny teknolojia izao ka mety azo amboarina ihany itony zavatra itony. Na izany aza tsy midika koa oe tsy mitombona ilay izy fa natao ieritreretana tokoa oe sao dia mba marina ihany ary!!!

 

Nokorotanin'ny fanjakana ihany koa ny onjam-peo ny fahitalavitra sy ny radio viva ka tsy nisy feo sy sary intsony nanomboka ny asabotsy ny nakaty!!! Hany herin'ny radio viva dia nafindrany na notsindriny avy hatrany koa ny onjam-peo ny radio fahazavana izay radio ara-pilazantsara an'ny protestanta. LOL

(sahalan'izao angamba ny fitaovana ampiasaina handravana ny radio tele viva tena samy be atidoha marina)

Jereo koa eto 

[Politika ] 22 Febroary, 2009 09:15

Toy ny varisosoa voatapon-drano ireto mpitokona tetsy @ kianja ny 13mai raha naheno fa nahazo taratasy fanasana avy any @ FFKM ny tenany (Andry TGV) mba hihaona @ Filoha Ravalomanana Marc omaly asabotsy 21 febroary. Tsy hisy aloha ny dia be fa aleo mamonjy ity fihaonana ity hoy izy. Nirava aloha be arak'izany ny fikomina omaly satria voatondro @ 1 ora atoandro ny fihaonana.

(sary malagasy aho)

Iza moa no tsy efa nilaza h@ fiandohany ny krizy oe ny midinika an-databatra boribory ihany no vahaolana fa tsy ny fizirizirina hikomy sy hanakorotana etsy sy eroa. Andrasana efa misy faty olona maro sy zavatra simba betsaka vao tonga saina oe ilaina ny fifampidinihina. Tsy misy hanome anao fahefana eny an-dalambe izany eo na iza mpitondra eo na iza. Nefa dia nilaza mihitsy moa t@ izany fotoana oe za tsy hiaona @ mpamono olona e! za tsy hidinika raha tsy tetezamita sy ny sisa. Tsy fotoana ny fandatsana intsony moa izao fa fotoana tokony hibanjinana ny ho avy.

  (sary malagasy aho)

Mbola mampitandrina ihany moa i Andry Rajoelina oe aato ny fikomina fa tsy tapitra akory!!! Ny hany tsapa ny mpanaram-baovao aloha dia ny fihenan'ny mpanaradia sy ny fahalanin'ny vola nampiasaina t@ izany fikomina natao izany. Teo koa ny tsy fahombiazana teo @ tetika natao hatrany amboalohany. Ny fanaganana governemanta eny an-dalambe sy ny famakina minisitera sy ny fitarihina ny olona hiditra any @ faritra mena mba hisin'ny sorona sy ny rà latsaka. Izany no natao moa hoy Ingahy Manandafy dia ny mba hanalana baraka an'Ingahy Ravalomanana fotsiny @ ireo any ivelany oe olona lia-drà ny mpitondra toy ny natao @ 10 aogositra. Ie tsy nitarika olona ho eny Iavoloha tokoa izy t@ izany fa ry Pasitera sy ry Zafy no nampidikizo ny vahoaka teny.

Na izany aza anefa dia mba nahavelom-bolo ihany ny nahenona ny fisiin'ilay fihaonana ary samy nandefitra ny andaniny avy ka afaka nifampidinika ihany. Ny tsara atao kosa nefa dia tsy mihaino lakolosy tokana avy any @ ekipan'ny tgv fotsiny fa mba tokony henoina koa ny feon'ny mpanao politika hafa sao mba misy hetahetany koa ireo hafa ireo ary azoko antoka fa manana tokoa izy ireo.



Miandry ny ampitso izany isika manomboka izao. Efa saika ratsy ihany ny zavatra nitranga satria efa vonona ny @ ady an-trano mihitsy ry zareo mpikomy satria efa natsoina ny reservista sy ny miaramila sasany hanampy azy ireo ary haka basy any an-dakazery eto andrenivohitra omaly ka nandeha foana ny fanaingana ny andrimasom-pokonolona hiaro ny toerana vitsy vitsy teto antananarivo omaly. Tsy nisy fihetsika hafahafa kosa anefa hatreto aloha.

Ny irarina moa dia ny hifaranan'ny fikomina tanteraka sy ny hisin'ny filaminana maharitra. Ary hita ho miramirana avokoa ny rehetra namonjy fiangonana androany alahady. Hanomboka herin'andro vaovao indray isika rahampitso ka entina am-bavaka hatrany mba hisy vokany izay dinika ataon'ny roa tonta izao.

Jereo koa eto

Sur invitation des « Raiamandreny am-panahy » , le Président de la République, Marc Ravalomanana, a pris part, ce samedi 21 février 2009, à l’Episcopat Antanimena, aux pourparlers dirigés par les 4 Chefs d’Eglise, dirigeants du FFKM (Conseil chrétien des Eglises), en présence de M. Andry Rajoelina et en vue de la recherche d’une solution à la situation politique actuelle.
 
Selon le communiqué lu par le FFKM à l’issue de cette rencontre, les deux parties se sont convenues  :
 
- D’arrêter toute forme de provocation, de dénigrement, et de diffusion de fausses nouvelles par le biais de l’Audiovisuel.
- De faire cesser tout acte de pillage et de vandalisme visant des biens des particuliers et de l’Etat
- D’arrêter toute manifestation dans la rue
- De cesser toute forme d’arrestation et de poursuites à caractère politique

Les dirigeants du FFKM ont salué « la volonté et le courage » des deux parties d’avoir bien voulu honorer leur invitation.
Les pourparlers se poursuivront.

 Source : Présidence de la République de Madagascar 

[Politika ] 20 Febroary, 2009 07:28

Velona ny valim-botana nataon'ny fanjakana alina ka nisy ny fifampitifirana teo @ ireo andrimasom-pokonolona sy ny miaramila rifatra nandositra moa ny andrimaso noho ny poabasy tsy akijanona nanomboka t@ 2 ora maraina. Mpandromba tokoa satria dia vakitrano ampahibemaso no lazain'ilay Jeneraly Organes iny fa modely tokony arahana ny rehetra. Ô re olona e!!! fa loza inona ary ity hoy aho izao ve no atao modely. Tsy menatra akory izy milaza izany an! Mbola tsy fantatra izay maty tao fa arak'ilay vaovao azoko dia nisy tokoa ny gly tao.

 

Manarak'izay dia kivikivy ihany ny vahoaka manohana ny ara-dalàna alina satria dia resy tsy niady izy ireo noho ny fahitana ireto mpanohatra miditra ao @ minisitera. Velona moa ny antso an-tarobia oe aleo hidiranay @ izay ny fisamborana rehefa tsy hanao ny fanjakana e! Marina tokoa izany satria mbola eo ampelatanana tokoa aloha ny fahefana feno dia tokony ampiarina fa tsy asina indrafo izany. Efa tany miady io mantsy ka izay mifanadrify @ izay no tokony arahina. Mazava koa ny tenin'ny Alain Ramaroson t@ fahitalavitra oe tokony dorana daholo ny tranona minisitra rehefa mitady hisambotra azy. Izany ve dia tokony mbola hisy hanaovana marimaritra iraisana hoy ny mpanaradia ny ara-dalana.

Azo antoka koa fa efa niditra tao @ minisitera ireo mpandromba ka asa izay zavatra very tao izay ny vavahady rahateo efa voapitsoka aby. Mila mampiasa hery @ izay rafanja fa ela loatra a! Izahay anie miandry top fotsiny e! rehefa oe tairina izy tia dia raiketo ny hazalambo.Ny vaovao farany azoko avy @ ireo namana akaiky vaditany dia milaza ry zalahy fa vaditany fôpla ireo nentina nolazina fa vaditany ireo ny tena marina dia vaditany mpianadraharaha ry lerony ireo. Dia ahoana ihany ary izany! Fitaka sy lainga foana ve izany no hitaritana ilay vahoaka sa inona mihitsy no tena tanjona.

 

Vaovao farany henoko t@ olona sy ny radio kosa dia feno fiara mifono vy ao anosy ao @ izao fotoana izao ary nahazo akanjo vaovao miaro @ torabato ny zandary sy ny polisy. Tsy hilefitra mora foana izany ny fanjakana ara-dalàna ary rariny ny azy. Efa nitsipaka ny fakana fahefana eny andalam-be koa moa ny minisitra anglisy ka mino izahay fa hanaradia ny ara-dalana ireo firenen-dehibe rehetra ka ho vasoka eo lafrantsa mpiatsaravelatsihy.

Mbola maro kosa ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana ka tonga nanohana ny antso nataon'ny Filoha teny Iavoloha omaly. Akory atao moa fa dia tohanana ny ara-dalàna fa tsy hanaiky mpaka fahefana eny an-dalambe sy ny mpaky trano.

 

Jereo koa eto

[Politika ] 19 Febroary, 2009 11:35

Samy sorena aby ny mpanaram-baovao naheno oe ny vadin'ny miaramila no aroso eo aloha mba hakana seza sy ny minisitera. Namaly moa ny maro oe tsy mety ve raha ny vadin'ny mpitari-tolona no atao eo aloha eo.

 

Raha tsy mahomby io dia mety ny zazakely sy ny vehivavy bevoka ary ireo be antitra no ho entina atao takalon-tsorona eny @ 13mai. Aza hitako ka mijery eto ny mpitarika tolona ka haka ity sopapa ratsy ity. Andeha fafako indray ity fa sao dia mampidin-kizo ny hafa. LOL

 

Manarak'izany dia tena olona mpandromba mihitsy ireto etsy @ 13mai ireto satria dia nisaritaka sy ny nikorotana be omaly hariva ny tanana rehetra manodidina. Noana tany @ grevy tany mantsy izy mianankavy ka norobainy avokoa ireo mpivarotra koba sy mananasy tetsy analakely etsy @ "sept prix" iny nitohy h@ mpivarotra kafe sy mofo izay an'ny madinika mba mitady sy sahy miatrika fiainana no samaritahana ohatran'io.

 

Voaroba avokoa ny versment ny taxibe iray tetsy @ petite vitesse iny. Ireo mpandalo sendra mifanena aminy moa dia tsy misy miangana fa lasany avokoa ny finday sy ny vola rehetra eny @ eny. Tsy mety fay mihitsy ry zalahy ireto satria entin-javatra izany mifoka môly no tena marina. Tena ilay olona eny @ faritra iva sy tsy an'asa ireny no manao ity fandrombana ity. Mody mifangaro @ mpitolona ao ry zalahy dia avy @ angady sy ny harona rehefa avy eo. Efa misy sarety kely entiny mihitsy moa eny hiaomana entana voaroba. Tokony avy dia tifirina kosa ry zalahy ireo fa tsy ho hendry intsony raha ny fijeriko azy.

JEREO KOA ETO

[Politika ] 05 Febroary, 2009 07:56

Na inona na inona dia misy hadison'ny vahiny ihany izao zavatra mitranga eto Mandagasikara izao. Misy tena mahatsiaro very tombotsoa manokana indrindra fa ny reny malala hatramin'izay niakaran'i Ra8 teo @ fitondrana izay ary mazava ho azy fa tsy mankasitraka izany izy ireo ka manao izay hatongavana any @ ady an-trano.

 

Raha tsy mitandrina isika dia ho tody @ zavatra iriny ireto firenena matanjaka ireto satria mantsy afaka miditra mivantana eto ny tafika vahiny hampandry ny tany sy hiaro ny teratany vahiny monina eto amintsika no sady afaka manao ampihimamba maka ny harenan'ny malagasy toy ny vehivavy sy ny vatosoa ary ny safira sy ny lavanila... Misy mivohy foana mantsy izao ny resaka merina sy tanindrana any @ sisiny any ary voalaza fa misy manejika ny mpiavy tany @ faritr'i sava iny ary efa nisy 4 no maty t@ ireo mpanao varo-mandeha.

 

Ny zavatra mitranga anefa dia ny samy merina no miady seza eto andrenivohitra ny mpanaraka azy ireo anefa dia hita misy fahasamihafana mihitsy satria ny mpanohana ny fitondrana dia olona manana ny toerana salan-tsalany fa ny manohana ny Tgv kosa dia ireo kilasy fahatelo hita izany @ sary maro samihafa ireo izay mora karamaina vola sy tsy mijery lavitra satria efa tena ao anaty fahatrana tanteraka. Mahita izany ireo fanetribem-pirenena izay voakarama ny firenena lehibe ihany koa ka mijapy ilay Tgv sy miantsy ady hatrany handranitana an'i adim-poko io.

 

Tsy izaho velively no handeha hampianatra ireo ngeza lahy roa mifanandrina eto Iarivo eto fa tokony hahay hanindry fo izy ireo. Ka tsindriko eto mihitsy ny oe tokony hahay hifandefitra satria samy diso samy marina fa tsy misy manana ny marina feno akory afatsy Andriamanitra irery ihany. Zavatra tsy ampoizina akory mantsy dia mety hanimba ny taranaka maro hifandimby. Ny zanak'ireo mpitondra sy mpanakorotana sy mpanao politika ireo moa dia any an-dafy any avokoa. Ka sady tia tena zany ry zareo no tsy mendrika ny hizaka ny zom-pirenena malagasy ihany koa. Asakasak'izay manan-tsaina hitarika adim-poko eto.

 

Ny vaovao farany eto dago aloha dia ny fifanolanana @ le resaka PDS sy ny fandravana ny sefom-pokotany 192 ka androany no voalaza fa hametraka ny solontena ny PDS ny eo anivon'ny fitondrana  hanendry sy hametraka ny eny @ firaisana ary hanedry ny prezidam-pokotany kosa ny ekipan'ny tgv. Mitohy hatrany ny ady saritaka efa manomboka mahatofoka ny vahoaka.

JEREO KOA ETO 

1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»