Fondation Ravalomanana!!!
Anisany zavatra mba nanitikitika ny saiko ny naheno t@ fahitalavitra fa misy izany " Fondation Ravalomanana" izany ary any amerika ny foibe toerana misy azy ity. Izay aloha no henoko t@ ilay fahitalavitra ary io no manome ireo vola rehetra ilain'ny mpianatra nahazo ny vatsim-pianarana avy any @ filoha ny repoblika. Tsy latsa danja @ ireo olobe eto an-tany izany ny filoha malagasy fa mba manana ny azy ihany koa ary io dia toetra tsara @ ity filoha ity mihitsy ilay tsy mena mitaha @ hafa. Eo ohatra ny " Fondation Clinton" izay miady @ fianahany Sida eo koa ny "Fondation Bill Gate" sy ny "Fondation Oprah"... Samy manana ny fomba hanampiana ny sahirana sy ny mahantra moa iretsy farany. Asa na inona kosa no fepetra takina mba azoana ilay vatsim-pianarana @ "Fondation Ravalomanana"? Mbola hanadiady ny momba izay aho @ manaraka.
Hanainga ho any Suede kosa moa ny filoha ary avy any izy dia hiazo an'i Beijing hanokatra ny lalao olimpika. Miandry voan-dalana indray izany ny valala be mandry. Marihina moa fa hiaraka @ filoha any shina ireo atileta malagasy nahazo ny medaly volamena rehetra t@ lalao ny nosy.
Nanatrika ny fanamarihina ny niorenany ny toby ny mpihofana ho mpiandry any Karilmalaza moa ny filoha t@ herinandro lasa iny ary teny Imerikasinina kosa izy omaly maraina nanatrika ny fotoam-pivavahana tao @ Egilizy Notre Dame de Mont Carmel, izay fiangonana vao namboarina. Manamafy ny fiarahana miasa eo @ fanjakana sy ny fiangonana moa izao fihetsiny izao.
Nafindra eny Tsiafahy kosa i Pety Rakotoniaina rehefa avy notsaboina tao @ hopitaly Befelatanana. Mbola misitery moa ny antony namindrana azy any Tsiafahy h@ izao.
Tia tena diso tafahoatra
Hofanina eny Iavoloha ny ben'ny tanàna manerana ny nosy ary voalaza fa izay miasa ihany no mahazo fanampiana! Nitafa t@ ben'ny tanàna andry rajoelina moa ny filoha avy eo. Voalaza ny mpandinika moa fa antipédagogique ny fiofanana toy izao noho ny amaron'ny mpiofana satria efa mihoatra ny 1500 any izy ireo! Omena moto iray avy moa izy ireo ho fitaovana hiasany any @ faritra misy azy avy any.
Nanomboka omaly ihany koa ny kongresy nasionaly ny TIM vory lanina ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary voafidy ho filoha nasionaly i yvan randriasandratsiniony ary voamarika fa toa natao ankilabao ingahy rajemison rakotomaharo satria tsy ao anatin'ny birao politika intsony koa ny tenany! kanefa izy no olona naha Tiko an'ny Tiko sy nampiakatra an'i Ra8 t@ toerany ankehitriny. Atahorana haka ny toerany angamba ka avy dia finganina hatraty ampiandohana. Ny mpanaram-baovao anefa mahita fa izy no olona mba tena democrate ao @ antoko TIM ao.
Fa ity no tena zava-doza! mba hisorohona ny fiakaran'ny vidin'ny PPN hono dia omena subvention ny Tiko SA ary ny fanjakana no handoa izay mety ho fiakarany!!! io moa dia notsindrin'i herizo Razafimahaleho oe iza ary no hametra ilay fiakarany! raha tahiny ka 4.000 Ar ohatra ny vidiny menaka eny @ tsena ka mahatsiaro maty antoka ny Tiko dia milaza @ fanjakana izy oe tokony ho 5.000 Ar ny vidiny ary tsy voafetra io tombom-bidy io fa asaina alohan'ny vahoaka @ alalan'ny hetra ihany avy eo! sao mba tena tia tena diso tafahoatra kosa e!
Tsy mbô za!
Tena misy manam-bitana ny olona sasany eto @ ity tany fandalovana ity. Gaga fotsiny aho raha nahare fa misy mpivady samy parlemantera oe eto madagasikara! samy hahazo 4x4 dia samy hahazo ny tombotsoa tsy hita nonoa. Ingahy rainy oe senatera izany Bezara Manassé zany no anarany ary lany tany @ faritra Antsinana! ny ramatoany kosa dia handimby toerana an'i Botozaza Pierrot izay lasa minisitra ny fitanterana, izany antsoina oe Yvonne Ranorovelo izany no anarany izy kosa dia ho lasa solombavambahoaka ny Toamasina I. Tena izao no tonga @ fitenenana oe ny harena mila vintana.
Lasa lefitry ny filoha ny antenimieran-doholona kosa ingahy Rajemison izany oe nitotongana izany ny toerana nisy azy raha filoha teo aloha dia lasa lefitra ankehitriny @ manaraka izany mety tsy ho hita tabilao intsony.
Avy be tsy nisy hoatr'izany kosa ny orana omaly ary tena nikotrom-baratra vao maraina tokoa satria dia vao maraina @ 10 ora sy sasany dia efa nisy ny orana ary nanariva andro mihitsy ilay izy! samy tsy nanampo na inona na inona moa ny rehetra hany ka dia kotsakotsa daholo izay nivoaka ny trano omaly! mety mbola hanao azy koa io andro io androany satria efa mandongolongo sahady izy ato.
Heritaona sahady kosa ny fandaharana ao @ televiziona malagasy anim'artista izay sehatra iray omena ny mpanakanto sy ny artista! maro ireo artista nandray anjara t@ izao fankalazana izao. samy maniry moa ny rehetra ny mba hivelaran'ny fandaharana bebe kokoa.
Farany dia mahagaga ahy mihitsy ity dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra marain-tsy hariva ity momba ny ampemba na ny sorgho izany! mampanontany tena ahy mihitsy oe ny voly vary ary tsy hita izay hanaovana azy ka dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy ary sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao! ny tantara ihany no hitsara e!!!
Tsy azo trandrahana ny hazo sy vato
Gagagaga ihany aho nandre ny resaka nataona mpandraraha iray mpandrafitra ny asany raha ny tena marina kokoa fa tsy misy hono ny hazo izao eto madagasikara, irony varongo irony mantsy no tena mba tsara hanaovana fanaka! kanefa dia tsy azo trandrahana intsony izy ireny @ izao fotoana izao. Tsy misy afatsy kesika sy hazo ala hono no azo ampiasaina! Misy lafiny tsara sy ratsy daholo moa ny fepetra rehetra raisina. Tsara satria mba miaina kely aloa ny hazo fa tsy tapatapaka fahatany intsony. Fa ny lafiny ratsy indray dia mety hiditra any @ "chomage technique" ny mpandraharaha raha tsy misy ny hazo ampiasaina. Kanefa hoy ry zareo misy ny olona ambony manondrana antsokosoko sy manangona hazo maro @ izao fotoana izao. Dia aleo fa ho tsarainy ny karatra eo foana izay manao ny tsy mety e!
Torak'izany koa ny resaka vato raràna ihany koa ny fanondranana vato any ivelany kanefa maro ihany ny mahitahita mahatafavoaka an'io vato io any ivelany, ary lasa varo maizina ilay izy avy eo. Mbola ny olona ambony sy manana fahefana tsy azo takarin'ny lalanà ihany no mahavita ireny fanondranana antsokosoko ireny fa ny olon-tsotra tsy mahavita an'io akory.
Fehiny dia tsy misy zavatra mivoamboaka fahatany izany eto raha tsy ny olona tompony lalanà ihany no manao izany. Satria izy tsy mba azo enjehina fa raha enjehina Izy dia ny mpanenjika indray no migadra sy mijinja ny vokatra avy eo. Dia miandry ny rariny eo ramalagasy e!
Ny vaovao hafa kosa dia midehaka indray ingahy ben'ny tanàna oe nahazo fanampiana avy any shina ka hanao kianja maro isakin'ny firaisana!!! ka asa raha ho vitany indray izy ity fa ny lehilahy moa dia mahay miresaka izay tsy izy ka mora mambambo vahoaka. Ny tsena moa @ izao dia miverina mivarotra eny @ arabe sy ny sisin-dalàna rehetra eny ny mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra.
Ino vaovao Tour
Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.
Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?
Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.
Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.
Welcome to Blaogin'i news2dago

