Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Mety ho samborina ny Minisitra Radavidson!!!
2008/04/14,11:25

Tena henjana ny lalao e! raha kilalao baolina kitra izy ity dia mety ho maro maro indray izany no hahazo karatra mena ato ho ato! raha tsy hilaza afatsy ny minisitra ny fanabehazana sy ny filohany federalista Henri lecacheur aho... eo ihany koa ireo mikonokonona korotana toy ny crn sy ny ny mpanara-dia azy. Ny ben'ny tanàna n'antananarivo moa dia tsy hita ihany izay hapoakany h@ izao milaza ihany koa izy fa voasakatsakana ka asa izay tena marina.

Ny vahoaka etsy an-daniny manohy ny fiainana andavanandro ihany, ary tena miady mafy mihitsy mba tsy hilazana oe mitrongy vao homana, na mpiasa miankina na ny tsy miankina moa dia efa samy leo sy lonilony @ fitondrana fa tsy afaka manoatra satria ny fanotaniana lehibe mipetraka dia ny oe iza indray no hasolo (Prezida) azy eo anefa! ny mpanohitra efa teo ihany ny ankamaroany ary tsy nahavita azy akory t@ izany fotoana!

Fa ny tena tiako ho tsindrina dia ity oe maninona ary no dia manangam-pahavalo @ manodidina azy i ra8 e! nisy tsy nifanarahana ve tao dia avy eo miady. Sanatria, ohatran'ilay kilalaonay fahiny ny raharaham-pirenena ankehitriny! saingy ity farany tena tonga dia fanagadrana no miantra an'izay mifandiso @ henjana fa tsy mba oe tsy ombonako intsony ela lol! Samy hotsarain'ny tantara eto daholo na iza na iza e! ny fiainana mitohy foana. Ianareo mpamaky no iriko hanohy izay hetahetanareo avy any.

JEREO KOA ETO

 

Tsy raikitra ny tapôlaka
2008/04/11,12:08

Asa na dia ota inona laotra no nataon'i rossy izany t@ ireto mpitondra ankehitriny fa tsy mbola fotoana tokony hanaovany seho eto madagasikara hono izao noho ny antony iaraha mahalala!!! inona anefa io antony iaraha mahalala io? misitery izany anaka!!! raha izao manokana aloa tsy mahafantatra koa e! Mametram-panotaniana ihany oe misy korontana ve eto sa misy fanoganam-panjakana sa misy mikomy? Ny heno fotsiny avy tao @ minisitera ny kolontsaina dia ny oe misy hifandraisan'ny 2002 hono ilay izy! isika anefa efa aty @ taona 2008. Dia tsy misy azo hifandeferana mihitsy eto izany fa rehefa mpifanandrina fahiny dia fahavalo mandrakizay! aiza ilay fair-play e! dia izao mihitsy ilay demokrasia afrikanina porofo azo tsapain-tanàna mihitsy.

Maty antoka be hono ny media consulting t@ io fikarakarana ny "ino vaovao tour 2008" io na ny fitsidiam-paritany ataon'i Rossy satria nofoanana avokoa ny fifanarahana rehetra. Asa raha mba honeran'ny fanjakana izany fatiantoka izany na tsia, satria dia roa herinandro mialoha ny seho no nandraràna ny hanaovana ny lanonana. Mbola tantàra mitohy ny @ iny.

Managam-peo ihany koa ny federasiona milaza fa mpiaro ny zon'ny mpanjifa @ fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny ary betsaka ireo tolon-kevitra naroso hisoroana ny fiakaran'ny vidim-piainana ary misongadina @ ireny ny famerenana ny karatra isan-dahy hanalefahana ny fandoavam-bola eny @ hopitaly hono, kanefa efa hiarana mahita fa na ny vola raisina @ TAFITA isan-taona isan-taona aza tsy hita oe lasa aiza na lasa aiza avy eo. Izany ve tsy oe rano atondraka an-damosin'ny ganagana fotsiny. Ireto ny santionany @ vidin'ny PPN: 1kg vary dia 1000 Ar, ny menaka Tiko 1L dia 2000 Ar,  ny sira 1 sachet milanja 200gr dia 120 Ar, ny laoka moa dia 6000 Ar ny kilao na ny hena kisoa io na ny hen'omby, ny vary 1/2plat eny @ vary mitsangana dia 700 Ar.  Ny saran-dalana moa dia 300 Ar. Asa mety azontsika sary an-tsaina angamba ny fahorin'ny malagasy ankehitriny, raha olona mikarama 50.000 Ar ka manofa trano, ary manan-janaka mianatra, mandoa jiro ary tsy maintsy misakafo fara faharatsiny indroa isan'andro!!! ary tsy mahazo marary mihitsy satria mbola hafa ihany koa iny! Mijaly e, izay no hamehezana azy, lanja miakatra tokoa ny fiainana...

JEREO KOA ETO

 

Misy miketrika rotaka eto!
2008/04/10,12:04

Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.

Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!

Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!

Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!

JEREO KOA ETO

pôlitika voretra!
2008/03/13,16:30

Tsy dia misy lanjany firy @ olona izay fifidianana hatao @ alahady 16 marsa ary ahiana ny fihenan'ny mpifidy @ ity indray maka ity! ary efa miakatrakatra ny marimpana ao ambony ao satria dia mihetsiketsika izay tsy izy ny governemanta @ famporisihina isan-karazany an-gazety sy @ televiziona oe zo ny mifidy!

Indrisy anefa fa tsy tafapaka any @ vahoaka izany!!! iza tokoa moa ny ho fidiana eo! toa ohatran'ny vato iray ihany anie no ho hita eo @ alahady 16 marsa io ka sao dia mba tokony atao oe fandatsaham-bato izy ity fa tsy fifidianana!!! ny mpifaninana rahateo tsy nisy sahy nirotsaka ny mpitondra anefa manao amboletra ary te hanamafy ny toerana @ alalan'ny fifidianana ka lasa ara-dalàna ho azy ny rafitra apetraka satria izay anga no atao oe demokrasia!

Dia ity no tonga @ ilay fitenenena oe "Pôlitika voretra" e! satria mandeha ny tsindry aloka izao manao oe ho saziana izay tsy mifidy! kanefa ny mpifidy anie efa voasazy @ fiainana sarotra sy fahantrana impito mandifotra olona! Tian'i Lery mantsy io isa fito io! LOL! ka izaho zao mety tsy ho bediny fa hanefa ny adidiko aho raha tsy misy ny sampona! enga anie! Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy na asarotina na ilana vanony izay maka taratasy any oh oe maka certificat de résidence sns! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo! 

JEREO KOA ITY na MIHOMEZA ETO 

 

Tokony hisy "Minisitera ny fiarovana @ loza voajanahary"!
2008/02/22,09:50

Ny hevitra moa teram-bary koa dia arosoko eto indray izay mba hevitro mikasika ity fiarovana ny vahoaka @ loza voajanahary ity! satria tsy maintsy misy ny rivodoza isan-taona ary tsy maintsy misy 2 na 3 mandalo eto madagasikara dia tsy mba misy tonga saina mihitsy ve oe inona no tokony hisorohana azy! amiko dia ny fampidirana ny Minisitera hisahana ny fiarovana @ loza voajanahary no tokony atao voalohany! tonga dia efa atao maty paika ao daholo ny lamina sy ny rafitra rehetra! raha andany vola ihany mantsy aleo tonga dia manatontona vola hiarovana ny vahoaka aloha toy injay hanome vola azy fanampiana efa traboina! @ iny mantsy izy efa tsy manan-tsafidy intsony ka mora foana no mambabo ny fony @ io fotoana io!

Tena alaim-panahy aho mantsy hiteny oe ataon'ny mpitondra fitaovana politika fotsiny ny mamonjy ny traboina ankehitriny! vola anie reolona no tononin'ny filoha atao fanampina ny faritra traboina e! ny vary sy ny fromazy manginy fotsiny tsy misy maharatsy an'izany mihitsy ary tsy fotoana hifanomezana tsiny intsony izao! fa ny ahy ny tiako hatongavana dia ny oe aleo misoroka toy izay mitsabo e!

Isika anie tia mangalatahaka e! io mihitsy no fahalemetsika ambetiteniko eto foana io kanefa indraindray tsy mifanaraka @ zava misy aty @tsika ny zavatra alaintsika tahaka indraindray ny tena tahafitsika matetika moa dia i lafrantsa na eo @ lalàna izany na eo @ firafitry ny governemanta!

Jerenareo tsara fa na tranonkala milaza ny mety ho toetrandro ary anie tsy hananan'ny malagasy e! lany eo ny fahefatradiny mikaroka atsy sy aroa vao mba mahita enao @ izay indray tena zara fa milaza ny toetrandro aty madagasikara fa dia ny nosy manodidina no betsaka ao indrindra fa ny nosy la reunion! ko tsy hita tsinona fa meteo france no jerena ko izy ve hiraharaha izay an'olona hafa any fa ny azy aloa no mahamay azy! io zao dia efa lesoka iray lehibe ho antsika sahady, manaraka izay indray dia eto @ ireo mpamonjy voina hita fa tsy ampy isa mihitsy izy ireo ankehitriny ary tato ato anefa dia tena alerta foana na eo @ trano mianjera na eo @ rano miakatra sy ny sisa! sao mba tokony ampiana ny isan'izy ireny ohatra sady be ny tanora manana ny vatana afaka miasa @ ireny!

Farany dia ny benevola no tsy mba kapokatsika malagasy mihitsy e! malaina isika hanao zavatra raha tsy misy tambiny foana! asa nohon'ny fahatrana angamba! izaho zao ohatra mazoto mihitsy hanagana blaogy maimaimpoana hisahana ny toetrandro ary mino aho fa maro ireo mpamahana blaogy mety hanampy ahy @ io!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA kely ETO na ATO

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype