Trondro maina nahafaty olona 3
Anisan'ny sakafo tian'ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly!
Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin'ireto tsondro ireto! ary entanina arak'izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina! voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona!
Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono!
Vaovao tapatapany hafa!
Heno zany zao fa ninjanona t@ heviny ny minisitra ny fanatanjahan-tena! andrasana izany izay mety ho sazy hahazo an'i madagasikara!
mahatsikaiky sy mampihomehy be ny miheno voka-pifidianana ao @ radio oe: " mitarika 100 isan-jato ny Tim" @ ireo vokatra voaray vonjimaika!
Mila vola ny fifindra-monina any aostralia
Nalaza indray tato ato tao aorinan'ilay fisolokiana goavana nataona maorisianina iray hanome mana sy tantely any bahamas dia indro indray fa manangasanga any ny nofinofy aostralianina! feno ny trano tao @ motel anosy omaly raha nitafatafa t@ mpanao gazety sy ireo olona te hifindra monina any aostralia ny kabinetra iray misahana ny fikarakarana ny taratasy hifindra monina any aostralia!
Tsy azo mora foana anefa izany fa miantotena tanteraka ireo olona maniry ny hifindra monina any ary mandany any @ 10.000$ amerikanina any ho any izay te hifindra monina any aostralia! inona anefa moa no tena mety ho tombotsoa hifindra any raha tsy tena matipaika daholo ny zavatra rehetra! toy ny trano hivantanana ny asa mety ho atao sy ny ho entimanana @ sakafo ary indrindra ny fiantohana @ mety tsy fahasalamana tampoka! raha akapoka ireo vinavina rehetra ireo dia mety ho avo 2 na 3 heny @ io no tena ilain'ny olona iray izany raha te hifindra monina any ivelany ianao!
Etsy andanin'izay raha sahala amiko manokana ka oe manana ireo vola ireo aho dia aleoko mijanona eto madagasikara manangana orinasa madinika toy injay hitetateta ho any ivelany any aho! ka asa aloha izay tena mety mandrisika ireto tanora malagasy ho any an-dafin'ny rika ireto fa tena vonona tokoa ry zareo raha vao misy resaka fifindramonina tahak'itony! efa niforona ohatra ny agence iray mikarakara ny taratasy ho an'ny mpianatra maniry ny hianatra any lafrantsa! izy daholo no mikaroka izay fikafika sy taratasy rehetra ilaina! dia toy izany koa ireo mapanera mpiasa hiasa any liban izay iarahana mahalala ny fijaliana rehefa tonga any kanefa dia somary henjana ny traikefa ilaina toy ny fahaizana miteny frantsay tanteraka sy mahay ny asa an-trano rehetra! manodidina 200$ eo ny mety karama @ io! ny olona iasana anefa tsy fantatra na anao ahoana na ahoana!
Eto ampamaranana dia mba te hanaitra ireo malagasy namana aho oe tsy aleo ve eto no mikaroka ny tsara sy ny mahafinaritra dia miala sasatra no atao any ivelany any fa tsy oe hifindra monina izany e! samy eto an-tany daholo na aiza na aiza no mipetraka ary masoandro iray ihany no manazava antsika rehetra eto! hafa ihany anie ity Madagasikara ity leretsy e!
Mamely ny kohaka sy gripa
Tao aorinan'ny orana nikija t@ nandalovan'Ivan teo ireny dia nivadika namay be ny andro nandritry ny herinandro teo ho eo! @ izao indray anefa dia mamirifiry sahady ny hatsiaka! ary misy erikerika kely ny maraina raha tsy hiteny ny t@ alahady teo ohatra! tsy fantatra intsony na fahavaratra na maitany sa ririnina!
Noho izany dia mipoitra daholo ny karazana sery sy gripa dia mivadika kohaka tsy mety mihafana ilay izy! ary miafara @ fangovitana sy tsy fahatsapana hafanana intsony rehefa lazony elaela eo! maromaro ihany ny olona voan'izy ity ankehitriny! sady tsy sitran'ny paracetamol sy ny nivaquine ilay izy! io mantsy no mba fanafody fihinan'ny malagasy rehefa sendra marary an-doha na misy hafanana iny!
Tena angamba mety aretina azo avy @ ilay toetr'andro miovaova ilay izy! na izany aza tena mihanaka be ilay aretina ka atahorana hiova valanaretina indray! mino izahay fa efa mandray ny andraikiny ny tobim-pahasalamana sy ny minisitera @ izy ity!
Na izany na tsy izany dia mbola hita taratra @ endriky ny malagasy ihany ilay endrika mirana sy te hitraka! angamba fitsapana ataon'ilay nahary ho antsika malagasy mihitsy ny voina sy ny aretina toy izao mba hiveren'izay mania ao ambala!
Tananan'ny Gangs!!!
Isan'andro dia tsy maintsy ahenona vono olona sy halatra foana eto antaninarivo nanomboka t@ volana janoary no nankaty! tsy vao ela akory moa no nifanafika ny polisy sy ny jiolahy! dia izao indray dia ny jiolahy no mandripaka ny vahoaka!
Tsy izany mantsy fa t@ androny propagandy dia oe laharapahamehana ny fandriampahalemana ary saika nivoy an'io daholo ny mpifaninana! @ izao fotoana izao anefa dia toa very fanahy mbola velona ihany ny mpiarabelona fa toa tena ataon'ny jiolahy haza lambo mihitsy!
Tsy hita moa izay iatorahana fa dia samy miaro tena ny rehetra ary aleon'ny olona aza maka alika masika "chien de race" toy injay maka mpiambina fa toa oe ireny ihany hn no mamely @ ankapobeny ny halatra! toy ny eny mahabo andoharanofotsy izao dia alika be masika daholo no miandry tanàna!
Mandeha be mihitsy ny fampiterahana alika @ izao fotoana izao ary tena misy mahasahy mividy lafo mihitsy! satria dia any @ 1.000.000 Ar any ny alika iray izao! rehefa voabaiko tsara. Ny biby indray izany izao no atokisan'ny olona kokoa noho ny olona.
Maloto be ny ranon'ny JIRAMA!
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatran'ny maloto be ny rano @ paompy izao! io aloa mety tsy mahagaga fa noho ny fiakaran'ny rano manodidina an'i mandroseza angamba! fa ilay izy tena mitovy @ ranom-potaka no tena maha sadaikatra indraindray oe azo sotroina ve ity sa ahoana?
Ny fanontaniana mipetraka dia ny oe izy itony moa ve tsy mba tokony handalo analyse maromaro vao tokony omena ny vahoaka e? satria ao anatin'ny kalitao daholo izany ary ny mpanjifa tokony omena zavatra madio satria miala vola! Ny mifanohitra @ izany foana anefa no mitranga matetika ary tsy mahagaga izany satria aty amintsika tsy dia misy be taraina ka dia manjaka ny gaboraraka!
Efa tena tarazo @ malagasy mihitsy mantsy ny manome zavatra tsy madio ho an'ny mpanjifa raha tsy hiteny afats'ilay tranga tany moramanga isika oe omby efa marary izao dia mbola amidy ihany! na koa oe akoho efa maty ny barika izao dia mbola varotana ihany!
Ataoko angamba fa mba fotoanan'izao ny mba tokony hijoron'ny mpanjifa @ izay oe tokony azo torina @ izay ireny zavatra ataon'ny sasany tsy dia mety loatra ireny! avy eo mantsy rehefa tonga ny aretina ny mpanjifa ihany no sahirana kanefa raha any @ toerana hafa ireny mety mba nahazo onitra ny mpanjifa raha voamarina tsara oe io tokoa no namparary ilay olona nihinana! raha izany lalàna izany angamba no miatra eto tena maro ny mpanjifa hahazo onitra!
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ETO na ATSY
Welcome to Blaogin'i news2dago

