Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

Tra-boina @ lafiny rehetra ny malagasy
2008/02/19,12:25

Indrisy mantsy ry malagasy fa dia tsy sasatry ny miarina tokoa ianao ity! vao tsy ela akory izay no nandravarava ny tany @ faritr'i Besalampy i Fame izay rivodoza namely an'i madagasikara farany dia izao notetezin'Ivan izao indray! tsy tambo isaina ny fahavoazana satria dia 9 no aina nafoy tao sainte marie maty nianjeran'ny trano!

omaly moa teto an-drenivohitra dia tapatapaka be mihitsy ny jiro kanefa vao tsy ela akory izay no notokanana ny efitrano lehibe misy ny milina vaovao mamokatra angovo hatrany @ 40MW any! dia indrisy fa nosoparan'i Ivan indray andekaleka ka simba indray ny turbine ao ka mbola hiaina @ delestage indray izany ny mponina eto an-drenivohitra e!

etsy andanin'izay dia manahy mafy ny fitondrana fa hovaky ny fefiloha eny ambohimanambola ka dia asaina miakatra ety @ faritra avo ny olona mipetraka eny ambany tanàna rehetra eny! ahina tokoa mantsy ny fiakaran'ny rano ka mety ho sarotra ny hamonjy an'ireo tra-boina ka aleo dia misoroka dieny mialoha!

ny faritra rehetra manerana ny nosy dia saika nahitana fahasimbana avokoa! ny sidina an'abakabaka omaly ohatra dia naato avokoa toy izany ihany koa ny fivezivezena makany @ rn2 dia misy fahatapahana ihany koa!

ny trano miajera moa dia manginy fotsiny tena saika isan'andro mihitsy na aiza na aiza dia ahenona  foana oe misy tamboho mirodana na trano mianjera ny mampalahelo dia misy foana ny aina nafoysoa ihany ny teto ambohimanarina fa mba tsy nisy aina nafoy aloha!

tena mafy ny mahazo ny vahoaka malagasy e! ny ahiana indray izao dia ny fandehan'ny fanampiana ho azo avy eo izay marihina fa fanomezana ka tsy averina ka io no mampanahy be oe ho lanin-drizalahy fotsiny izao io fa ny ampahany ihany no hipaka @ vahoaka!  ka izay no mahatonga ahy hiteny oe tena tra-boina @ lafiny rehetra ny malagasy!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ATO

Zazakely 11 taona saika hiklandy
2008/02/15,09:49

Tena fetsy ny ankizy e! ary tena nampiesoniny ara-bakiteny ny polisy miaro ny sisintany sy ny seranana t@ alahady lasa teo! ankizy kely vao 11 taona monja no saika hiondrana an-tsokosoko ho any La reunion!

kamboty i Nirina ary mipetraka @ dadatoany ary eny @ manodidina ny Ivato izy no mipetraka! hany mba fialamboliny sy faniriny ny mba hitaingina fiaramanidina! ka dia ao ivato ao @ seranana ao no andaniany ny fotoana rehefa tsy mianatra izy, ka t@ alahady lasa teo dia mody nanontany t@ ilay polisy ny toerana fivoahana na ny "toilettes" izy ka rehefa hitany fa variana nijery sy nanamarina ny pasipaoro n'ilay madama itsy farany dia iny izy no niditra ary tsy nisy nahita intsony raha tsy tany anaty fiaramanidina rehefa misy manontany moa izy dia oe miaraka @ ray aman-dreniny izay efa lasa aloha ary efa any anaty fiaramanidina!              

Azo lazaina fa fitia te handeha @ itony fiara manidina itony no nitsiry tao @ ilay zaza ary dia nataony ny faniriny t@ fomba tsotra sy tena feno hafetsena tokoa

samy manana ny filazany moa ny gazety sy ny vaovao rehetra ao ny milaza fa vao teoivato izy dia efa tsikaritra ao kosa no milaza oe efa tena tonga tany @ nosy la reuinion mihitsy izy vao nisy nahita! tsy dia hidirantsika laliny ny @ iny fa ny tiana tsindrina dia ilay fahasahina tao @ ilay zaza izay tena mampiaky ny rehetra mihitsy oe! ho lasa lavitra itony karazana ankizy itony satria na tsy nanany aza ny vola sy ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny filàna dia mampiasa saina izy!

tsy afaka notanana moa ity zazakely ity fa dia navela nody soamantsara tany an-tranony! ny fanontaniana dia oe mety mbola ho sahy ve izy hamerina sa tsia? ho hita eo ihany ny tohiny

JEREO KOA ETO NA MIHOMEZA KELY ATO

Maditra ny ankizy!
2008/02/09,10:48

Tena sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'izao fotoana izao fa tena tsy voafehy intsony ny ankizy fa tena sarotra tenenina sy maditra!

Tsy vao ela akory izay no nandray fepetra ny fanjakana nanakatona ny ARENA na irony karazana boite de nuit irony eo antanimena moa izy ity ary tena miandahy miambavy mihitsy ny ankizy mandeha @ itony trano fandihizana itony! ny mampiavaka ity ARENA ity tokoa mantsy dia izy mivoha alarobia hariva sy asabotsy hariva ka afaka manarapo tsara ireo mpianatra tia andrakandrana sy jejojejo dia ao mianatra mifoka sy migoka ary mifampikaoty ary miafara @ firaisana ara-nofo nohon'ny andrakandrana na koa mety misy fanolanana ho an'ny sasany tsy latsaky ny 10 isan'andro mantsy ny fitorina eny @ polisy misahana ny ankizy ankehitriny!tsy io ihany fa misy koa eny betongolo ary manginy fotsiny ny karazana hetsika toy itony ataon'ireo efa lehibebe ka manao fitadiavam-bola @ itony fampandihizana itony feno peta-drindrina ny poteau oe misy Balle des jeunes atsy ary izao ny saram-pidirana!

Ny tena azo ambara angamba dia ny oe mifampitarika @ ratsy ny ankizy e!aiza ve ko zazakely izao dia efa manendaka sy mamaky trano sahady! toy ity nitranga teny tsaralalana ity satria dia ankizy manelanelana ny 15 taona ka h@ 17 taona teo no nanakana olona avy dia nofinganin-dry zalahy ilay rangahy izay ho endahina ka nianjera t@ tany ary avy dia nalainy ny zavatra teny aminy!

manamafy izany koa ity tranga iray niseho teny anosiala ity satria dia nifamaly faty ny ankizy noho ny adiady nifanaovana andianam-pianatra anakiroa ka niafara t@ torabato sy fifanjevoana izany!

Dia ny fanotaniana mipetraka dia ny oe ahoana ary no iafaran'ny taranaka malagasy raha dia lasa makany @ hetraketraka sy ny zava-mahadomelina ny fialamboly ny ankizy sisa! tena mampalahelo ny mieritreritra azy ity! ny irina dia ny oe mba ho tsara taiza ny taranaka kanefa tsy izany no zava-mitranga ankehitriny

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ETO

 

Tsy mahasoa zavatra ny malagasy
2008/02/04,10:10

mampalahelo ny mahita ireo takelaby mpanoro sy fandrindrana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra fa dia lasibatrin'ny mpangalatra izy ireny ankehitriny!

tsy mba mahasoa zavatra isika malagasy fa izay azo avadika vola dia atao avokoa!

miteny ho azy ny sary oe vao ovina moa ity làlana ity no vita nahafinaritra ery ny endriky ny tanana kanefa dia izao sisa! takelaka iray na roa sisa tafajanona eo @ izao ary mety tsy ho ela ihany koa ny anjarany!

iza ary no tena tompon'andraikitra voalohany @ fiarovana an'izy ireny e! ataoko fa ny akaiky indrindra dia ny mponina manodidina no tena ho tokony sarotiny @ izy itony satria fananana iombonana izy itony! tsy izany anefa no mitranga fa dia mijery fotsiny ny olona rehefa misy maka izy ireny satria mety mpiray tsikombakomba ihany koa ny iray tanana satria olona eo ihany na izy samy izy ihany no mangalatra! mety ho olona hafa koa anefa no tena manao izao asa ratsy izao!

tsy io ihany no alainy fa izay rehetra mety ho vita @ vy dia hongotan-drizalahy avokoa toy ny sarona dalle ny telma ny lalamby ny madarail ny tariby ny jirama ary tena metatra maromaro mihitsy mba tsy hitenenena oe kilometatra mihitsy aza ary dia majifa daholo e!

ny tena loza mantsy dia misy tambanjotra mihitsy ny fangalarana ity vy ity misy mihitsy mantsy dokam-barotra an-gazety oe mividy vy @ kilao ka eo 150Ar ka h@ 200Ar eo ny kilao tsy mikely soroka anefa ny manampahefana mikaroka ny tambanjotra ka vao t@ taon-dasa no tratra ilay karana mpamongady sy mpanangona vy kanefa mety tsy ho izy irery no manao izany fa mbola misy hafa ihany satria mbola misy foana ny halatra h@ izao!

JEREO KOA ETO

 

Lakan-drano misintona olona!
2008/02/02,10:41

Dia tena mahalasa saina ny maro tokoa ny maheno oe misintona vahiny hono ity lakan-drano iray etsy ambohimanarina Antananarivo firaisana faha6 ity! omaly tokoa mantsy dia lehilahy iray indray no nalainy tao tsy fantatra mazava moa izay tena nahafaty an'ity ranamana ity sahabo eo @ 30 taona toa oe nenjehin'ny alika hono izy dia nisaoty tao anaty rano tao dia izay! tsy nipoitra intsony!

ny mahavariana @ izy ity tokoa mantsy dia saika misy maty an-drano foana ao isan-taona rehefa fotoam-pahavaratra! t@ taon-dasa zao dia vehivavy no maty an-drano tao ary niboridana tanteraka moa io razana io t@ izay fotaoana izay ka angamba mety oe voaendaka izy! dia novoin'olona avy eo! ary mety mitovy @ izay ihany angamba ny nahazo an'ity lehilahy omaly ity!

lasa lalamasaka tokoa mantsy izy iny satria dia maro ny mpiasa ny orinasa afa-kaba no manivaka eo rehefa andeha hiasa ireo mipetraka eny andohotapenaka sy 67ha sy ny any itaosy sy ampitatafika rehetra iny ohatra dia mandeha @ iny daholo!

betsaka ihany koa ny olona mifamezivezy @ iny lalana iny eo  ny mpanasa lamba ny asa madinika isakarazany mpanao hanimasaka ny mpivarotra vy sy ny mpanao bisikileta maro zany ny vola mihodina eo ka mety efa tilin'ny jiolahy sy ny mpanendaka ny toerana hamelezany ka mety izay koa no mahatonga ny von'olona @ iny faritra iny mangina be mihitsy mantsy rehefa mandeha elaela @ ilay fefiloha sady tsy misy hevitra hitsohahana ihany koa raha sendra voasakana eny ampovoany eny!

etsy andanin'izay dia mandeha moa ny feo oe misy lolo hono io rano io t@ telo taona lasa tokoa mantsy dia nisy tanora nianantra nilomano teo ka maty nifamonjy tao izy roalahy ary hita nifamihina mihitsy ny razana rehefa navoaka avy tao anaty rano!

fehiny, aleo mitandrina ihany rehefa mandeha @ itony fefiloha itony ohatra oe mandeha andian'olona maro no miaraka rehefa mamakivaky azy io mba tsy hitaran'ny tsaho sy ny honohono izay tsy afaka @ malagasy mihitsy!

JEREO KOA ETO 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype