Tambazana tsara ny faritany hafa!

Posted by news2dago on 22 Janoary, 2008 10:37

salama isika e! dia tena nahavelom-bolo ny naheno ny tetikasa maro be izay ho atao eto toamasina raha nadray ny tale ny sherritt ny filoha omaly eo ohatra ny fanamboarana ny trano ipetrahan'ny mpianatra ao barikadimy! ao ny fananganana sekoly ambony sy ny hopitaly lehibe manarampenitra eo anelanelan'ny moramanga sy toamasina! tsara daholo izany zavatra izany raha toa ka tena vita fa tsy ho kabary fotsiny ihany!

ny atahorana mantsy dia ny oe sao dia mba hanambatambazana ny toamasina fotsiny ihany izao tetikasa izao satria tsara ny vokatra tany toamasina t@ fifidianana ary tsy azo adinoana koa fa any toamasina no misy ny lohadohan'ny mpanohitra mahatarika olona be kokoa noho ireo faritany hafa ka avy dia tsetsemo aloha ny dômy ozy ny mpiloka izay! soa ihany fa pôlitika no resahana eto aloha! raha zohina mantsy ny fandehany tantara dia t@ ireny 2002 ireny dia toamasina irery no faritany tsy nifidy an'i prezida ravalomanana ary saika tao no namikitra ny toerany ny amiraly! nitsibadika anefa ity ny tantara ka any indray aloha ny mpitondra ankehitriny no hila ranondranony mba hifikirana ny seza sao mantsy mibolila antananarivo ka any indray ve no andeha ny mpitondra rehefa mafy ny ady! dia azon'ny sainao inoana ve ny nanokafana indray ny radio sky fm sy ny rft izay efa nakatona t@ mandat voalohany ny fitondran-dra8 ity noho izy manenjika be ny fitondrana! kanefa ny rdj aty henjehina fatratra! misy raha la terre hoy ny namana ikotoniaina ao tv plus izay!

hita taratra mantsy fa makany @ fitondrana jadona ihany ny fihetsiny izao!satria raha vao tsy mitovy hevitra@ dia migadra oh ry rolland rastiraka ry pety ry jly fidy sy ny maro hafa e! kanefa anie dia ireto roa farany ireto tena nivarotra aina mhitsy hiakarany ra8 eo @ fiondrana e! tsy azo odina tsy hita koa ireo sarangan'olona maro be teny à 13 mai fahiny! aiza izy reo zao? ry ingahy ratsirahonana ry ramakavelo sy ny maro hafa e! izay ilay lazaiko oe fihininy irery ny fahefana fa tsy mba zarainy @ hafa ka io no mhatonga hilaza oe lasa olon-tokana sisa no miteny ka iafara any @ jadona io izao! izany eo ihany fa hiverenako ireo resaka natomboko tetsy ambony oe tsy maintsy misy ambadika politika izao fihetsikin'ny mpitondra izao dia tambatambazo koa ny faritra hafa fa sao dia lasan'ny mpanohitra eo koa e! wait and see

jereo ko eto

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Tambazana tsara ny faritany hafa!

ninahy | 22/01/2008, 16:17

sarotra ihany ny manoritra ny fetra manasaraka ny jadona tsara sy ny mihoatra fa na andriamatoa Castro anie mihevitra fa jadona tsara no ampihariny amin' ny Cubains. Ekena fa rehefa mandika lalana dia tokony ho faizina saingy tsy toa izany loatra no tena tanjon'ity ra8 ity fa toa manao fodilahy mena mandrara homana fotsiny.TOA MBA EFA BE IHANY IZAY MAMY VOATRANDRAKY RA8 tamin'i MADAGASIKARA izay fa 1 sisa mbola tsy azony "filoha mendrika sy marina ny malagasy rehetra tsy ankanavaka" ho hajain' ny tantara sy taranaka malagasy rehetra.Raha izao izy no tapakevitra hiezaka ho an'izany dia eo ampelatanany ny fahefana rehetra ahatongavana amin'izany...Try fahotany nymanonofy masina madagasikara

filohan'ny malagasy rehetra

NINAHY | 22/01/2008, 15:50

Tsy zazakely akory ny vahoaka malagasy ka mila taizaina amina jadona ary sarotra ny manome fetra na tsipika manamarika ny fisarahany jadona "tsara" na "mihoatra".Ra-castro koa anie mihevitra fa tsara ho an' ny cubains ny jadona ampihainany azy ireo eh!Marina aloha fa rehefa mandika lalana dia tokony enjehiny lalana na tambanivohitra io na manampahefana kanefa i ra8 koa anie toa manao fodilahy mena no betsaka aminy mandrara homana.Mba efa be anie izay fananana sy fahefana azony izay karaha mbola tsy ampy ny sisa mbola tsy tratrany izao dia ny hoe"FILOHA MENDRIKA SY MARINA NY MALAGASY REHETRA TSY ANKANAVAKA" Na ny tantara aza tsy mahavoafafa an'io voninahita io,masina MADAGASIKARA

Re: Tambazana tsara ny faritany hafa!

simp | 22/01/2008, 15:13

* tsy mitovy mihintsy i Toamasina sy Tana. Na ny electorat fotsiny aza... mino ah fa fatatr'i ra8 izany. Noho izany mety tsy dia manambitamby loatra ngamba ny tena fika ao ambadika fa plutot hoe mampiseho izy fa tsy manavaka... Tsy haiko aloha ze tena fikany any e, fa ny image hita @ zay aloha dia zay. Zany hoe Tana no somary tsy chou-chou tsony dia izay no manirikiry ny pokona fa sinon ny eto @ internet ihany no tena be resaka no fahitako azy fa @ tena izy tsy dia misy hoe big deal en tant q telle...

* ra misy resaka fampidirana Dinausores sy AREMA zany kosa aloha dia tsy manakivy azy ah fa tsy mahavita mandat io e

Re: Tambazana tsara ny faritany hafa!

news2dago | 22/01/2008, 13:22

ekena izany ary io mahazo an'i tgv io ko dia toy izany koa satria dia fantatra fa mitady seza fotsiny no ataon'ny sasany ao dia ny avi zany tsy maintsy izy hn no atao sg sy ny sisa dia tsy mba misy fitiavana ilay vahoaka nifidy mihitsy fa fitiavan-tena sy antoko fotsiny! dia ho rava maina koa io zvt io fa ty ahy eto!

Re: Tambazana tsara ny faritany hafa!

DotMG | 22/01/2008, 12:04

Izaho kosa aloha dia tsy dakôro mihitsy amin'ilay hoe satria nanampy nampiditra ny filoha hahazo ny toerany ny olona iray dia tsy azo gadraina intsony na inona na inona fahotana ataony. Tokony gadraina izay mandika lalàna, fa tsy misy alefa fotsiny. Kivy mihitsy aho mahita ny olona manaratsy foana raha vao i Pety no kitikitihina nefa tamin'ny voarohirohy i David Rajaona tsy niteny n'inn'inn. Ny tokony ho izy dia "na amboako na amboan'olona, rehefa vandana dia kary", ka raha misy ny tokony hampalahelo dia ireo fantatra fa nandika lalàna kanefa navela hitsoaka fotsiny.

Misy ny jadona tsara fa raha ny fizarana fahefana amin-dry Alain Ramaroson, Roland Ratsiraka, Pety, Voninahitsy no heverin'ny sasany fa hoe tokony hitondrana ny fitondrana, angamba t@ 2004 io fitondrana io no efa niongana.