Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Fiarabana tratry ny taona! | Main | Miala any ny rivodoza! »

Andeha hibalady ny filoha
2008/01/26,09:39

araka ny voavao navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro iray dia efa maro be sahady ny dia mety ho ataon'ny filoha amperin'asa @ ity taona 2008 ity inoana fa ho maro arak'izany ny fivoahan'i prezida any ivelany any!

@ fivoahana atao oh itony moa dia inoana fa tsy maintsy misy ny voan-dalàna entin'ny raiamandreny ho antsika vahoaka rehefa tafaverina izy na izany misy mpanambola hiasa aty amintsika na misy manampahaizana malagasy alefa hiofana na hianatra any ivelany! voalazan'ity loaranom-baovao ity moa fa any azia any izany no tena mety ho alehan'ny filoha ka maro no mety sehatra ara teknôlôjia avo lenta eo @ infôrmatika sy elektrônika no tokony mba ho trandrahany any! satria ireo no tena mampandroso ny aziatika @ izao fotoana izao!

hinoana ihany koa fa tsy maintsy hijery akaiky ny fomba fitsitsin'ny arabo ny rano ny filoha rehefa hitsidika any dobay ny tenany @ volana aprily ary tsy maintsy ahitany hevitra io olana misy ao @ jirama io nalahelo mantsy hono ny filohan'ny antenimiera teo aloha fa voatery nandeha natsàka satria dia notapahan'ny jirama ny rano ao @ antenimieram-pirenena eny tsimbazaza nohon'ny trosa tsy voaloa! ka angamba mba ho mety ho "prioriter" ny fitadiavana vahaolana @ ity resaka jirama ity! ka tsy ho ambanin-javatra mihitsy ny fitadiavana fanampiana @ resaka solika any ampotiny any! satria tany mamokatra solika daholo ireo! indrindra fa ny any dobay!

fehiny, tombon-dahiny ho an'ny mpitondra fanjakana moa ny mivoaka oh io rehefa misy firenena manasa izy koa inoana fa tsy ho mariny ny filazan'ny olona oe: "mandeha mibalady fotsiny ra8" fa tena hikaroka izay tena hahasoa ny vahoaka marina izy!

jereo koa ity na ity

Hevitra

Comment Icon

Nanoratra aho teo dia nanjavona.

Misaotra news2dago mitondra vaovao aavy any.

DdRb

Posted by: DadaRabe at 2008/01/27, 20:45
Comment Icon

Misaotra mitondra vaovao news2dago à
Ahalalanay izay mitranga any é!
DdRb

Posted by: DadaRabe at 2008/01/27, 20:43
Comment Icon

tsy oe enao fa ny mpamaky e! satria tena fanajana azy ny tsy mandiso tsipelina! @ko aloha dia efa misy tsirim-panantenana mihitsy aho @ fahitana ireo blaogy marobe manoratra ^ teny malagasy! tena faly mihitsy ka angamba tsy ataontsika ho olana ny momba an'io tsipelina io fa ny zava-dehibe dia ny oe miteny malagasy aloha na manoratra @ teny malagasy aloha!

Posted by: news2dago at 2008/01/27, 18:44
Comment Icon ok

'zah manokana dia tsy sarotiny amin'ny tsipelin-diso vokatry ny fahamehana 'ka [sao dia 'zah manko no asianao @'io 'ko :-)]. Ny ahy àry no tena loza 'ko.

Mazotoa news2dago a

Posted by: Tokinao at 2008/01/26, 21:41
Comment Icon

ie io le ps e!
ialanatsiny aloha fa be tsipelina diso e! maika hampahalala vao2 fa miezaka foana e! fantatro mht fa sarotiny isika mpamaky @ ilay izy ko dia hiezaka hanatsara hatrany! rhf tena zatra mande ho azy sa tsy izay

Posted by: news2dago at 2008/01/26, 17:21
Comment Icon Misaotra ô

Misaotra nampahalala vaovao news2dago a! ( io ve no ps iantsoana anao kay e :-) ? ).

Vao namaky an'ilay lohateny aho dia heveriko hoe : hanao fialantsasatra ndray ny filoha. Kay moa ka fivoahana ofisialy ity izy.

Enga tokoa ka hody ventiny ho an'ny vahoaka daholo izay dia ataony e!

Dia misaotra nametra-kafatra tatsy amin'ny blaogiko koa an ;-).

Posted by: Tokinao at 2008/01/26, 15:35
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype