Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Andeha hibalady ny filoha | Main | Dia inona indray ny manaraka »

Miala any ny rivodoza!
2008/01/28,10:33

salama isika e! dia tena kivy tokoa ny maraina teo raha iny andeha hiasa iny fa dia avy ny orana merika ny andro nitady elo sy aron'orana eran'ny trano satria efa ela ihany izay no maina ny andro ka zara lasa adino ny mitondra an'ireny fitaovana samy hafa ireny! indrisy fa maloka ny andro ho an'i Madagasikara e! satria dia mananotanona azy eo ny rivodoza be anakiroa dia i Fame sy i Gula izany!

ka asa izay ho afitsok'i fame aloha fa raha ny vaovao heno dia tena nitondra faisana tokoa ny any mayotte @ izao isika miresaka izao! ary ny any mahajanga ihany koa dia hita fa nisy fahavoazana ihany ny irina dia mba tsy hisy aina afoy aloha.

ho an'antananarivo manokana aloha dia hamakivaky ny tanana izy anio tontolo andro araka ny filazan'ny mpamatatra ny toetrandro samy hafa! etsy andanin'izay  dia mihamitombo hery ilay rivodoza iray atsy @ranomasibe indianina

ho any malagasy aloha dia tsy atao mahagaga ny fisin'ny loza voajanahary oh io satria dia fotoana ny izao! ny azo atao dia ny manaitra ireo eny @ faritra iva hiakatra @ toerana ambony sy hanamafy ny tafo trano @ fanasina fasika ny tafo mba tsy ho lasan'ny rivotra!

arak'izany dia ho mafimafy ihany ity taona ity satria dia mamely mafy ny loza sy ny aretina maro toy ny gripa sy ny sery ny parasy lafrika! manginy fotsiny ny tsy fahandrim-pahalemana izay nitranga ihany koa t@ ity volana janoary madiva hifarana ity dia ny fifapitsapan'ny jiolahy sy ny polisy!

fehiny, ny resaka politika aloha dia mifatoka any @ fifidianana ny mpanolotsainam-paritra ny sainy mpanao politika ny mpanohatra moa dia tsy handray anjara araka ny mahazatra ny mpitondra efa vonombonona ary ny tsy miakina kosa dia mety hanao fahagagana sahala ny t@ kominaly ihany! ny filoha moa dia hoany adisabeba @ ity herinandro ity hamonjy ny fihaonabe afrikanina!

jereo koa ity

 

 

Hevitra

Comment Icon

nanao ahoana nareo any zay, amin'ilay fame toa mahery be?

Posted by: ikalakely at 2008/02/02, 20:10
Comment Icon loza voajanahary
efa mba maromaro ihany izay ny rivodoza niainako tao toamasina izay,ary marina fa efa zatra ny olona à fepetra tokony ho raisina rehetra satria mba efa fantapantra mialoha ny herin'ny rivotra sy ny orana ho antin' ny rivo_doza(miaotra ny fivoaran' ny meteo)fa ny olana dia ny fitadiavana haninkohanina aorian'ny fandalovan'ny rivodozana.Fa ny mahagaga dia hatramin'iza dia toa mbola tsy naheno resaka momba ny tokony atao amin'ny fanairana momba ny tsunami intsony aho:dia ho tairina ohatry ny tamin'ny farany teo indray ve ny olona eny amin'ny morontsiraka nefa tsy azavaina mialoha ny tokony ataony:vokany ny tsunami natahorana tsy tonga(soa ihany)fa fandosirana ny loza indray no namohizana ain'olona :voahitsaky ny fiara sy ny bosesiky ny olona. Maro anie ny tantara niainany olona tamin'ireny ;ka ny ankamaroan'ny olona izao dia milaza fa tsy miraharaha an'izay fanairana momba ny tsunami fa fay ny mitady faty à ny andro alina erany arabe tsy hay zay tokony haleha..Mamy ny aina ka asa tokoa izay ho fihetsiky ny olona raha sanatria ka ho avy zany loza izany izay hirarina mba tsy ho avy madagasikara mihintsy
Posted by: ninahy at 2008/01/29, 12:23
Comment Icon Misaotra milaza vaovao news a!

Enga anie koa mba tsy ho feno fotaka eo antiokontanuinay izay :-)

Posted by: Tokinao at 2008/01/28, 14:43
Comment Icon

Misaotra mitondra vaovao.
Ny irariana dia ny tsy hisian'ny tondra-drano fa dia ho olana eo indray.

Tsarà é!

Posted by: DadaRabe at 2008/01/28, 14:39
Comment Icon Vaovao farany

nihena ny herin'i fame! andrasa izay mety ho diavin'i Gula

Posted by: news2dago at 2008/01/28, 14:00
Comment Icon

Misaotra amin'ny vaovao !

Enga anie tsy ho difotry ny rano indray ny varin'ny tantsaha :)

Posted by: pissoa at 2008/01/28, 12:14
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype