Saran-dalana tokana
Tena mampikaikaika ny mpandeha mihitsy ity ataon'ny taxibe ity e! satria dia nofoanana ny saran-dalana 200 Ar ka natao tokana avokoa 300 Ar na aiza na aiza no miainga! izany oe tsy misy intsony izany ilay antsoina oe tapa-dalana fahiny izay nanavotra ny maro mihitsy!
heno ihany koa fa hiakatra manomboka rahampitso ny saran-dalana makany Mahitsy ka hiakatra 1000 Ar avy hatrany ny makany ambohidratrimo dia ho lasa 400 Ar ary tsy mitondra tapa-dalana ihany koa! raha azoko tsara zany ny tiandry zalahy atao dia oe mandehana tongotra e! mahagaga tokoa mantsy ny mahita an'ireo taxibe marobe mivezivezy zara raha misy olona 2 ao anaty fiara! kanefa dia aleony mitondra an'ireo toy injay hitondra olona 5 andoa sarany 200 Ar mety efa betsaka koa angamba ny azo hatrizay ka tsy olana na hitaona seza ary!
etsy andanin'izay dia miandry fatratra ny zotra andalamby ny mpandeha makany @ ireo faritra mba lalovan'ny masinina toy ny makany antsirabe ambatolampy na ihany koa ny makany moramanga sy ny faritra rehetra antsinana iny hatrany toamasina! satria dia mijaly ihany koa ireo @ io resaka saran-dalana io! ary betsaka @ mponina any mantsy no voatery mandeha an-tongotra elabe vao tonga eny @ lalam-pirenena toy ny mpandeha avy ao ambila lemaintso ohatra! efa manomboka miarin-doha tokoa ny madarail @ izao fotoana izao ary vao nahazo lohamasinina 5 vaovao be nafarana manokana avy any shina! koa inoana fa tsy ho ela dia ho afa-pasahiranana ny mpandeha ao aoriana kely ao!
fehiny, mbola mila ezaka be mihitsy ny fanatsarana ny kalitao @ itony sehatra fitanterana itony ka tokony mba jeren'ny fanjakana izay famaizana sy fantsarana ny asan'ny mpitatitra tsy vitsy @ izy ireo mantsy no mifanejika sy tsy mahay manaja ny mpandeha izay kely sisa mba zon'ny mpandeha mba tokony ho azony satria mantsy efa lafo rahateo ny saran-dalana!
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Saran-dalana tokana
news2dago | 01/02/2008, 14:45
Re: Saran-dalana tokana
DadaRabe | 01/02/2008, 14:31
Mampijaly ny saran-dalana.
Ny isan'ny mahakivy ahy koa amin'ny taxi-be dia ny "sécurité". Mampatahotra mantsy é!


io dia tena gravy e! zao aloa efa nisy fepetra noraisina ihany oe tokony ho latsakin'ny 10 taona ny fiara ampiasaina @ resaka fitanterana kanefa le mpamily mihitsy no somary tsy dia ao tsara ny ahavon'ny farimpahaizany mba tsy lazaina oe tsy nianatra ny akamaroany fa mpanampy resevara nisondrotra daholo ka mirimorimo tsy mahalala izay hahafaty azy! zany oe tsy mbola tena responsable angamba oe ain'olona anie no entina ao! ka io dia matetika misy foana ny loza!