Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

Posted by news2dago on 04 Febroary, 2008 10:10

mampalahelo ny mahita ireo takelaby mpanoro sy fandrindrana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra fa dia lasibatrin'ny mpangalatra izy ireny ankehitriny!

tsy mba mahasoa zavatra isika malagasy fa izay azo avadika vola dia atao avokoa!

miteny ho azy ny sary oe vao ovina moa ity làlana ity no vita nahafinaritra ery ny endriky ny tanana kanefa dia izao sisa! takelaka iray na roa sisa tafajanona eo @ izao ary mety tsy ho ela ihany koa ny anjarany!

iza ary no tena tompon'andraikitra voalohany @ fiarovana an'izy ireny e! ataoko fa ny akaiky indrindra dia ny mponina manodidina no tena ho tokony sarotiny @ izy itony satria fananana iombonana izy itony! tsy izany anefa no mitranga fa dia mijery fotsiny ny olona rehefa misy maka izy ireny satria mety mpiray tsikombakomba ihany koa ny iray tanana satria olona eo ihany na izy samy izy ihany no mangalatra! mety ho olona hafa koa anefa no tena manao izao asa ratsy izao!

tsy io ihany no alainy fa izay rehetra mety ho vita @ vy dia hongotan-drizalahy avokoa toy ny sarona dalle ny telma ny lalamby ny madarail ny tariby ny jirama ary tena metatra maromaro mihitsy mba tsy hitenenena oe kilometatra mihitsy aza ary dia majifa daholo e!

ny tena loza mantsy dia misy tambanjotra mihitsy ny fangalarana ity vy ity misy mihitsy mantsy dokam-barotra an-gazety oe mividy vy @ kilao ka eo 150Ar ka h@ 200Ar eo ny kilao tsy mikely soroka anefa ny manampahefana mikaroka ny tambanjotra ka vao t@ taon-dasa no tratra ilay karana mpamongady sy mpanangona vy kanefa mety tsy ho izy irery no manao izany fa mbola misy hafa ihany satria mbola misy foana ny halatra h@ izao!

JEREO KOA ETO

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

news2dago | 05/02/2008, 16:30

tsy maintsy oe courage ihany! e

Re: Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

DadaRabe | 05/02/2008, 14:32

Courage foana !

oadray

napol'es | 04/02/2008, 22:25

Faly be aho nahita hoe nisy nangalatra le takela-by mba hampiasaina hanaovany pioche angamba!
tsy Malagasy ihany io fa aleo tsy asiana sary fa ny an'ny vazaha aza dia azerany na potehiny eo fotsiny fa tsy ho alainy hampiasainy! misaina ihany izany ny malagasy raha izany ko! matoa izay ny an'ny vazaha tsy misy manimba dia misy mpiambina na asiana videocamera manara-maso! Le vazaha tototry ny fako aty aminay aty io a! izay no mba fantatro ho vazaha manko

Re: Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

simp | 04/02/2008, 17:08

mitady hoavy ny orana :)

Re: Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

news2dago | 04/02/2008, 14:55

dia asa izay hiafarana fa tena efa rano raraka izy ity ka tsy azo raofina intsony!

Re: Tsy mahasoa zavatra ny malagasy

Tsikisariaka | 04/02/2008, 13:44

Manahoana รด ! tsy mahari-boan-kena noho ny fahantrany r'ise ny gasy a ! mitady tany hanorenam-pangady ary tsy te-hisasatra fa mamatam-bonona fotsiny. Zara aza mahita an'ireny avadika ho vola ry Mpangalatra isany. Isika koa matahotra ka tsy afaka hiandry sy hanenjika azy fa izy nge efa tena jiolahy e ! Ry karana no namany.
Inona no hevitra ?