Hivoaka ihany ve ny teti-bola ho any CUA?
samy miandry fatratra ny rehetra oe hahazo vola ve ny CUA sa tsia? eo ampamolavolana ny teti-bola mantsy izao ny teknisiana mavitrika ao @ CUA @ izao fotoana izao rehefa vita izay dia ho entina hiadian-kevitra miaraka @ ireo mpanolotsiana izy ity na androany alarobia na @ herin'andro ambony satria moa ny ben'ny tanàna mbola namita iraka any ivelany any!
io ho vita ihany fa ny fanontanina mety hipetraka dia ny oe: "hanome ve ny fanjakana sa tsia?" ny fanomezana aloha tsy maintsy satria mandika lalàna ny mpitondra raha tsy manome satria fampadehanan-draharaha ho an'ny kominina ny tetibola ary samy manana ny azy ny kominina tsirairay manerana ny nosy ka angamba tsy hisy ny fiangarana oe itsy ny na iroa no zanak'i dada! fa samy malagasy daholo ny rehetra na aiza na aiza!
izany eo ihany fa ny tena mahamaika ny olona ihany koa dia ny oe tafapaka marina aty amintsika vahoaka ve ny tetibola ny kominina io sa anao ahoana indray ny hita mantsy izao dia tena dikain'ny fanjakana ny kominina eto andrenivohitra fomba fiady daholo ihany izany fa ny antsika vahoaka dia ny oe vita ve ny fampanantenaina sa tsia? hita mantsy izao fa ny minisitera no manamboatra ireo lavadavaka rehetra ny fanamboarana ny tsena eo ambohimanarina sy besarety ohatra ny tetibola ny minisitera zany no andrimbinana @ io! iny tsy hidirantsika lalina ny amin'iny fa ny fihetsiky ny mpitondra mihitsy no tiako tsindrina kely oe misy zavatra tiany aseho @ vahoaka ao oe izay no mahavita fa tsy ny kominina sy ny ben'ny tanàna nofidinareo akory!karazana ratrapage ihany zany mba ahazoana ny fon'ny vahoaka indray @ fifidianana manaraka!!!
fehiny, ny antsika dia ny tanàna mandroso no tanjontsika ny fihemorana no tena fadina ka ho hita eo raha hahay hampiasa ny fahaizamanao ny teknisiana ao @ CUA na tsia fa ho tsaraintsika @ asany izy afaka fotoana fohy!
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Hivoaka ihany ve ny teti-bola ho any CUA?
news2dago | 06/02/2008, 14:54
Re: Hivoaka ihany ve ny teti-bola ho any CUA?
DadaRabe | 06/02/2008, 14:26
ie, ho hita eo izay ataon-dry zareo. Izaho manokana tsy isan'ny mpankafy ny administration vaovao ao amin'ny CUA nefa kosa tena mirary tokoa aho mba handeha ny asan-dry zareo ary tsy hisy hanembantsembana satria isika rehetra no hiaina ao.
Mankahery amin'ny fitondrana vaovao é!
DdRb


misaotra dadarabe a! alefaso ny tononkalo hampahery ny malaina e!