Tsy fahamatorana @ politika
Lasa resabe ho an'ny mpanara-baovao indray ity resaka kandida ao @ antoko TIM ity e!satria dia voamarina mihitsy izany izao fa misy tokoa ny parachutage eo @ ity antoko ity! saika matoa-dahatsoratra an-gazety foana ity nahazo an'i Jhay Tax ity na ilay tale jeneralin'ny RDJ izay toa ohatran'ny kandida sambotsamborina fotsiny izy ka saika atao lohalisitra TIM kanjo gaga ny anao lahy fa tsy hita lisitra akory avy eo!
ny tiana hisarihana ny saintsika dia izao oe mba te hanatsara ny vokatra ho an'ny TIM ingahy mpihay "Coach" analamanga ka saika mba haka ny fon'ny tanora izy ka nanolotra kandida tanora arentirety eo aloha hazahoana fandresena kanefa ny ao @ birao politika ny TIM mihitsy no efa te hanilika azy ka tsy mila izay kandida natolony!tsy iza moa ny mpihay an'analamanga fa ny minisitry ny raharaham-bahiny izay hany sisa naharitra ela teo @ toerany!
ny zavatra toy intony moa dia azo hitarafana sahady oe tena misy zavatra tsy milamina mihitsy eo @ ity antoko ity fa samy manao izay saimpantany ny mpitantana nifandimby teo! tsy atao mahagaga moa izao zava-mitranga izao fa efa nampoizina ihany satria tsy matotra ara-politika ny antoko eto madagasikara! raha manaraka ny fifidianana any @ bekintana isika izao dia mafana ny ady hevitra sy ny fifandresen-dahatra eo @ samy mpikambana ary fifidianana be manadala mihitsy vao mipoitra izay tena hitondra ny kasikety ny antoko tsirairay avy! hanatra ho antsika aty madagasikara ny toy ireny oe mila mifandresy lahatra aloha manohana izay programa ny mpilatsaka ary izay tafavoaka eo dia kandida ny antoko @ izay!
hoy ny olona oe soa fa tsy misy mpifanina ny TIM fa raha tsy izany angamba dia mibaby faharesena indray izy @ io fifidiana manaraka eo io!
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Tsy fahamatorana @ politika
Rakoto | 09/02/2008, 12:01
Re: Tsy fahamatorana @ politika
news2dago | 08/02/2008, 10:26
dia miandry ze tohiny ny tantara e! zay no azo atao
Re: Tsy fahamatorana @ politika
DadaRabe | 08/02/2008, 02:54
Dia ahoana izany ?
Tim
harilova | 07/02/2008, 22:01
Tena marary ny lohako ry reto a! Efa folo taona lasa izany no nanaovako vava tsy hamaky loha firy amin'ny resaka politika dia ohatry ny tsy mahatam-bava aho...
Soa ihany fa tsy mandreraka ny sofiko intsony ny resaka TIM satria TIM sy Vodafone sy WINd ny telefonnako!!!
Mivavaha dia mifadia hanina daholo araka ny toritenin'le ! lahy taloha!
Re: Tsy fahamatorana @ politika
news2dago | 07/02/2008, 21:13
Re: Tsy fahamatorana @ politika
Lalasoa | 07/02/2008, 20:51
Fa sûr izany fa tsy maintsy mbola TIM no mandresy amin'ny fifidianana manaraka ve ry news2dago?
Mahantra olo-manga ny firenena an!


Tena marina mihitsy ny voalazanao fa tsy misy fahamatorana ara-politika mihitsy ny “mpanao politika� any amintsika. Raha tena ny politika no ho resahina, dia ho “lavitry ny afo ny kitay�, hoy ny oha-teny fanao. Saingy ny politika fahita sy fiaina any amintsika dia ny politika hamenoana paosy haingana ihanyDia misy tokoa anie ny manan-karena tampoka amin’izao fotoana izao e.
Fa ny tena tiako hanohizana ny resakao, dia tsotra ihany e: mpamadika palitao daholo izy mianakavy. Tsy misy mihitsy mba tena sahy mijoro amin’ny firehan-keviny ireo izay “mba nanana antoko, na anisan’ny antoko politika�, fa dia izany tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe: “izay misy saosy ihany�. Ka tsy gaga aho raha izao no vokany ny misy eto amintsika.
Raha niandrandra fiovana isika taorian’iny tolona goavana tamin’ny 2002 iny, dia inona no mitranga ankehitriny, fa tsy “ny teo ihany va no miverina� e?!… Mety nisy tokoa angamba ny finiavan’ny mpitondra, izay noheverin’ny malagasy fa “ho mesia vaovao hitondra faminjena� ho azy, saingy ny “famindra� teo aloha ihany no nahazatra. Ratsiraka no niova ho Ravalomanana, saingy ny sisa rehetra dia ny fomba teo ihany, hany ka tsy tanteraka araka izay nokendrena ny fanovana. Izany anie izao no tena mahakivy ny olona e ankehitriny e!… Tsy voafehin’i Ravalomanana ireo mpiara-miasa aminy, izay tsy iza fa mpiara-miasa amin’i Ratsirake teo aloha ihany, dia mazava ho azy fa ny “teo ihany no miverina� ankehitriny.
Tsy fampitaha amin’izay mitranga any amin’ny bekintana amin’izao fotoana izao, araka ny ohatra nomenao, ny misy any amintsika, satria ny “fo� no mibaiko antsika fa tsy ny “saina� loatra. Isika tsy mahatanty ireny fifanatrehana misy amin’ny kandidà roa tonta ireny, na izay mpifaninana, na isika mpanatrika sy mpihaino. Ny antsika ny “olona� no miady fa tsy ny “hevitra�.
Fa na izany na tsy izany kosa aloha, efa misy fahamatorana ara-politika ihany eo anivon’ny sarabambem-bahoaka, raha mitaha amin’ny fotoanan’ny taorian’ny 1960, ilay mpanara-dria-drano fotsiny, fa efa mba misy kosa ny fanehoana hevitra. Fa eo amin’ny mpanao politika kosa, eto amintsika, dia io voalazako eo ambony io ihany: tia kely fa izay no mitambesatra eo amin’ny fiainany aloha, fa izany hoe ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro izany, mbola lavitra e, indrisy. Mbola ho ela e! Ny fanabeazana koa no tena tompon’andraikitra amin’izany, mba ho afaka amin’izany tsikelikely isika.