Lasan'ny Faraona ny amboara!

Posted by news2dago on 11 Febroary, 2008 14:39

Dia ny ady famaranana ny lalao baolina kitra niadiana ny amboara ny afrika aloha no nalaza indray t@ farany herin'andro lasa iny!vita omaly tokoa mantsy ny lalao ka norombahan'ny ejypta indray ny amboara lasan'ny indroa nifanesa izany izao ity amboara ity satria mbola izy ihany no nahazo izany t@ CAN 2006!

tsy dia hiverenana intsony ny lalao fa samy efa nahita daholo angamba ny mpitia baolina kitra! fa ny tiana ho resahana dia ny oe! aiza hoa aiza moa izao ny fanomanana ny barea ny madagasikara e! satria hanomboka indray mantsy izao ny fifanitsanana isan-tsokajy ka asa na efa mba miomana ny @ izany ve isika sa dia efa zatra ny oe mandeha io e! rehefa tsy mahavoa ve tsy @ manaraka indray manarina!

ny hita t@ iny lalao CAN2008 iny mantsy dia tsy mba nisy nanao ambanin-javatra ny fanatanjahatena ny firenena rehetra nandray anjara fa noraisin'ny fanjakana an-tànana avokoa ny mety ho lany rehetra t@ fiomanana ny mpilalao rehetra!

ny mampalahelo mantsy eto amintsika dia tsy mba misy fikarakarana mihitsy ny mpilalao malagasy fa dia miady irery daholo na samy miavontena eo dia izay tsara vintana ihany no tafavoaka!aiza ho aiza izao no fifanarahana @ franz gerber fa ohatra tsy henoheno intsony sa koa dia efa vita hatreo ny @ iny!io moa dia efa vazivazin'ny namana  mpitia baolina oe efa mahazatra lesy io ry zandry fa aza marary fo @ baolina gasy mihitsy!

JEREO KOA ITO NA MIHOMEZA ETO

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Lasan'ny Faraona ny amboara!

news2dago | 12/02/2008, 08:32

voaray e!
dia mankahery anareo ao @ foko club ao e

merci

jogany | 12/02/2008, 01:25

Bonjour, Je voulais profiter de ce petit passage pour te remercier des petits passages dans les nouveaux blogs des (foko) Blogs Clubs. Fantatrao tsara fa mila motivation mafy ry zareo hitohizana miblaogy ary tena mafinaritra be mahitanareo rehetra mandray anjara ao amin'ilay commenting.
Misaotra mille fois et bonne ocntinuation
(ie, grave be lé vary @ anana, grave mihitsiny fa efa miezaka ê!)

Bises, Joan

Re: Lasan'ny Faraona ny amboara!

news2dago | 11/02/2008, 15:59

ary le club M sy zambia ko anga tsy hitanao le naharesy 2 sy 0 t@ andron'i tsoa io koa mba tena nahafay ahy no nijery ary satria tena teny mihitsy a!
za ko mantsy ry dadarabe mba tia an'io baolina io a! zany enao marary fo rehefa resy izany anie tena tsy te hierika mihitsy fa dia tena tiana le zvt ka tsy mety mihitsy raha vao tsy mijery e!
le rafitra mihitsy sy ny finiavana no tsy matotra tsara ry dadarabe a! mahay anie le malagasy e! le vatana fotsiny angamba no tsy dia ao fa mila tohanana aratsakafo tsara fotsiny fa le fahaizana efa ao anaty rà mht e!

Re: Lasan'ny Faraona ny amboara!

DadaRabe | 11/02/2008, 15:15

MIla ezaka sy finiavana é!

Izaho taloha tena mpanaraka baolina be mihitsy tao Dago fa tena kivy ihany aho nony farany.
Ny match mba nahafinaritra ahy indrindra dia ilay match tamin'ny jeux des îles (1989 angamba) nandresen'ny gasy ny Maorisiana tao Mahamasina. Tsy nanenina aho nankeny Mahamasina tamin'izay !

Re: Lasan'ny Faraona ny amboara!

news2dago | 11/02/2008, 15:05

mbola ho avy ilay maraina dadarabe a! tsy kivy fa mila mitraka foana! vao tsy ela akory zao nonisy fanadihadiana nataon'ny midi madagasikara oe feno zandry kely junior mahavita ekipa iray mihitsy an milalao any frantsa any ary ankizy nanao ecole dhl!

Re: Lasan'ny Faraona ny amboara!

DadaRabe | 11/02/2008, 14:55

Nijery iny final iny aho. Izaho moa naka an'i Cameroun nefa dia izay voa mangina é!

I Côte d'Ivoire no mba tena ekipako nefa nokepokepohin-dry zalahy Faraona !

Asa rahoviana ny ekipa malagasy vao hifoha ! Tsaroako ilay match n'ny club M sy Egypte (roapolo taona lasa angamba izay). Saika nandresy ny gasy......

Courage é!