Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Lasan'ny Faraona ny amboara! | Main | Fety ny mpifankatia hono e! »
Dia tia maka tahaka tokoa ny malagasy e! tena resaka marina io fa tsy vazivazy intsony oe mpangalatahaka isika! aiza ve re olona koa fetim-bazaha any no alaintsika tahaka sy voizina mafy ho tafapaka aty @ kolontsaina malagasy aty! ny fety ny mpifankatia no tiako asiana teny eto!
Azo lazaina fa vao haingana tokoa ity fety ity vao tena nalaza teto @tsika teto ary tonga dia tsorina oe bizina no tena antony fa tsy dia ilay fifankatiavan'ny olon-droa akory! dia mandeha daholo ny varotra raozy mena sy ny bouquet isan-karazany e! ny peratra sy ny fisakafoanana any @ resto! tsy misy maharatsy an'izany akory raha izay no hampaharitra ny fitiavan'olon-droa!
Hiverenako kely @ izay ary ilay kilalao ao @ TVM izay mahatonga ahy hiteny oe mpangalatahaka isika satria dia ny lalao Les Z amours mihitsy no namboarimboarina e! misy fizarana roa ilay lalao ka ny fizarana voalohany ohatra dia ahitana lehilahy iray sy vehivavy telo tsy mifanatrika izy efatra mianadahy fa misy takona kely manelanelana azy eo! dia eo e! mifampikaoty eo mametraka fanotaniana ilay tovolahy ary mamaly azy eo izy telo mirahavavy ka izay mety mifanojo @ valinteny andrasan-dralehilahy no mety hambambo ny fony! i Dieu Donné sy Johary Ravaonjanahary moa no manentana ny fandaharana! dia toy izay ihany ny fizarana faharoa fa vehivavy indray no mametraka fanontaniana dia lehilahy telo indray no mamaly!
@ farany moa dia milaza izay anaran'ny olona mifanojo @ ilay tiany ny mpametraka fanotaniana dia aseho azy amin'izay ilay nosafidiany ka tsy mahazo manenina raha tahiany ka tsy mety aminy indray io safidiny io avy eo!lalao ihany moa ilay izy ka efa samy mihomana @ izany angamba ny mpandray anjara @ ity lalao ity! mafinaritra rehefa misy ny famokarana fandaharana fa ny indro kely fotsiny dia ny oe aleo tsy maka tahaka ny fandaharana vahiny fa mitrandraka izay tena an'ny tena e! io angamba dia mivantana @ ireo haino aman-jery rehetra io! santionany fotsiny ireto tanisaiko ireto fa mety misy koa tsy voamariko ny an'ny hafa! ohatra: pazzapa rta, tena tia mbs sns...
JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ETO
lalao @ fahitalavitra ilay izy e! ary mbola azo iafiana daholo ny fihetsiky ny mpandray anjara hatreto alo ary natao @ ity fety ny mpifankatia ity fotsiny angamba io kilalao io!
Endrika iray ho an'ny fifankatiavana indray ve izany ilay izy ?
Sa ny mpijery no mitady zavatra mafanafana ?
Tsarà é!
manaiky aho e!
inona ary ny fety azo atolotra @ io volana telo voaloahany io e!
manomeza sopapa aloa an
Aleo kosa mba hisy fialam-boly volana Fevrier fa io trimestre io anie ka zara-fa-misy fety mihitsy e. Marina fa fombam-bazaha ny fetin'ny mpifankatia (fety valan-T), kanefa tsy mahasakana antsika Malagasy hifampiseho fitiavana koa izany anie e. Sa ahoana hoy ise ? :-)
ekena e!
ilay fety ny mpifankatia na oe St valentin no tena tiako tsindrina @ le fankana tahaka e!
:)
tsy haiko na tadidinareo fa t@ TVM taloha (annee 90-96 tany hoa any) nisy fandaharana hoe "volan-tantely" (sa tsy izay moa??) isaky ny alahady hariva io, izay mitovitovy an'iny les zamour iny mintsy... ka hoy aho hoe iza no tena naka tahaka raha izany ;-)
sady izao koa e, raha zavatra tsara nge tsy manin na alaina tahaka ee. Hoy ny Ntaolo hoe ny soa fianatra... pazzapa ohatra, samy manao an'io doly ny firenena rehetra. Ny Frantsay koa aza maka tahaka nge e :P
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |