Zazakely 11 taona saika hiklandy
Tena fetsy ny ankizy e! ary tena nampiesoniny ara-bakiteny ny polisy miaro ny sisintany sy ny seranana t@ alahady lasa teo! ankizy kely vao 11 taona monja no saika hiondrana an-tsokosoko ho any La reunion!
kamboty i Nirina ary mipetraka @ dadatoany ary eny @ manodidina ny Ivato izy no mipetraka! hany mba fialamboliny sy faniriny ny mba hitaingina fiaramanidina! ka dia ao ivato ao @ seranana ao no andaniany ny fotoana rehefa tsy mianatra izy, ka t@ alahady lasa teo dia mody nanontany t@ ilay polisy ny toerana fivoahana na ny "toilettes" izy ka rehefa hitany fa variana nijery sy nanamarina ny pasipaoro n'ilay madama itsy farany dia iny izy no niditra ary tsy nisy nahita intsony raha tsy tany anaty fiaramanidina rehefa misy manontany moa izy dia oe miaraka @ ray aman-dreniny izay efa lasa aloha ary efa any anaty fiaramanidina!
samy manana ny filazany moa ny gazety sy ny vaovao rehetra ao ny milaza fa vao teoivato izy dia efa tsikaritra ao kosa no milaza oe efa tena tonga tany @ nosy la reuinion mihitsy izy vao nisy nahita! tsy dia hidirantsika laliny ny @ iny fa ny tiana tsindrina dia ilay fahasahina tao @ ilay zaza izay tena mampiaky ny rehetra mihitsy oe! ho lasa lavitra itony karazana ankizy itony satria na tsy nanany aza ny vola sy ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny filàna dia mampiasa saina izy!
tsy afaka notanana moa ity zazakely ity fa dia navela nody soamantsara tany an-tranony! ny fanontaniana dia oe mety mbola ho sahy ve izy hamerina sa tsia? ho hita eo ihany ny tohiny
JEREO KOA ETO NA MIHOMEZA KELY ATO
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Zazakely 11 taona saika hiklandy
news2dago | 15/02/2008, 17:24
Re: Zazakely 11 taona saika hiklandy
DadaRabe | 15/02/2008, 14:43
Soa fa tsy teny ivelany izy (sahala amin'ilay taona vitsivitsy lasa) fa dia tao anatiny ihany ka afaka nody tany an-trano.
Efa nisy ve ny netina tany anatay valizy ?
Re: Zazakely 11 taona saika hiklandy
ikalamako | 15/02/2008, 11:51
mitovy daholo tokoa rehefa zaza kah, fa tsy mifankaiza amin'ny zaza ao an-trano na eo an-tokontany vetivety eo dia tsy hitanao tampoka izany. Be ketrika rizareo!!! any amin'ny zavatra tsy eritreretinao mihitsy no ataony. Mila maso folo !
Re: Zazakely 11 taona saika hiklandy
news2dago | 15/02/2008, 11:45
tena miketrika izy ry sazikely a! asa ra efa nisy zanam-bazaha nahavita oh io
Re: Zazakely 11 taona saika hiklandy
sazykely | 15/02/2008, 11:40
avion kousa io kou, na za tsizy aza!
fa lery kousa lou intello miketrika kely n faitako azy e


iny alo mbl tsy naheno a!
oe ao anaty valizy
hi hi hi
za zao mety omby tsara ao kn
rovina enao no mandalo aty dago dia mba entinao a