Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Tokony hisy "Minisitera ny fiarovana @ loza voajanahary"! | Main | Tia misetrasetra ny tanora! »

Maloto be ny ranon'ny JIRAMA!
2008/02/23,11:32

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatran'ny maloto be ny rano @ paompy izao! io aloa mety tsy mahagaga fa noho ny fiakaran'ny rano manodidina an'i mandroseza angamba! fa ilay izy tena mitovy @ ranom-potaka no tena maha sadaikatra indraindray oe azo sotroina ve ity sa ahoana?

Ny fanontaniana mipetraka dia ny oe izy itony moa ve tsy mba tokony handalo analyse maromaro vao tokony omena ny vahoaka e? satria ao anatin'ny kalitao daholo izany ary ny mpanjifa tokony omena zavatra madio satria miala vola! Ny mifanohitra @ izany foana anefa no mitranga matetika ary tsy mahagaga izany satria aty amintsika tsy dia misy be taraina ka dia manjaka ny gaboraraka!

Efa tena tarazo @ malagasy mihitsy mantsy ny manome zavatra tsy madio ho an'ny mpanjifa raha tsy hiteny afats'ilay tranga tany moramanga isika oe omby efa marary izao dia mbola amidy ihany! na koa oe akoho efa maty ny barika izao dia mbola varotana ihany!

Ataoko angamba fa mba fotoanan'izao ny mba tokony hijoron'ny mpanjifa @ izay oe tokony azo torina @ izay ireny zavatra ataon'ny sasany tsy dia mety loatra ireny! avy eo mantsy rehefa tonga ny aretina ny mpanjifa ihany no sahirana kanefa raha any @ toerana hafa ireny mety mba nahazo onitra ny mpanjifa raha voamarina tsara oe io tokoa no namparary ilay olona nihinana! raha izany lalàna izany angamba no miatra eto tena maro ny mpanjifa hahazo onitra!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ETO na ATSY

 

Hevitra

Comment Icon ie maloto mitsy

Ie za ko aloa dia nahatsikaritra fa lasa menamena zany ny ranon'ny JIRAMA. Toa hoe efa nampilaza ihany hono ry zareo any @ gazety any. Tsy mankarary hono izy io fa ny lokony fotsiny no somary hafa(...). Izany hoe aleo mitandrina ihany sao io no hinanana (hisotroana mantsy e) ny tsy fisotro eo...

Posted by: istraky at 2008/02/25, 12:53
Comment Icon

ok!
misaotra nitsidika tokinao a!

Posted by: news2dago at 2008/02/24, 20:16
Comment Icon ok

Misaotra mampita ny zava-misy aloha news a!

Raha ny ranon'ny JIRAMA dia mandalo fitiliana mihitsy 'kah. Io dia atao aorian'ny "decantation", "filtration", traitements samihafa sy "chloration". isaky ny ora mihitsy raha tsy diso aho, io fitiliana io.

Noho ny loto vokatry ny cyclone araka ny teninao tokoa angamba no mahatonga io loton'ny rano io. Ka araka ny hevitro dia tokony hanao filazàna @ haino aman-jery zareo JIRAMA momba ny rano avoakany. Ohatra ny hoe : fialan-tsiny, fanantitranterana hoe : mila ampangotrahina sy tsifina tsara ny rano vao azo sotroina, sns.

Misaotra e! Momba ilay fikambanan'ny mpanjifa dia toa ho lavitr'ezaka raha ny fijeriko. Raha tsy hijery ny eny an-tsena mantsy : betsaka ireo zavatra tsy tokony hovarotana eny ( toy ny biscuits lany daty, lafarinina en vrac tsy fata-piaviana, vovo-dronono, trondro tsy fanta-piaviana sy tsisy fanarahana [sans suivi]). Ireny anefa no mora sy takatry ny malagasy ka dia minia mikimpy ra-Fanjakana

Fa tena hevitra tsara aloha e

Posted by: Tokinao at 2008/02/24, 15:13
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype