Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Maloto be ny ranon'ny JIRAMA! | Main | Mande be ny varotra ENZOY!!! »
Tato ato izay dia be dia be ny mirimorimo @ itony scooter itony! io indray mantsy izao no lamaody ny tanora eto Antananarivo! tena efa lasa fialam-boly mihitsy mantsy izy itony ankehitriny ny malagasy raheteo havanana @ kitikitika sy ny adaptation! koa dia revo ao dhl na kely na lehibe!
Tsy mila fahazoan-dalana moa ny mitondra azy itony ka mora ho an'ny ray aman-dreny no mividy scooter ho an-janany sitran'ny ahahay tsy manatitra azy mianatra intsony dia mba afaka @ frais sy ny lasantsy miakatra! tsara izy @ io lafiny io tena mitsitsy ao ilay itiavana azy mihitsy saingy ny ankizy tia andrakadrana izay ka dia mivoana any @ tsy izy ny zavatra avy eo!
Taloha t@ andronay dia ny pointe no nalaza teny antaninarenina fa izao dia pointe @ scooter indray no malaza mivoatra miaraka @ toetr'andro tokoa ny fialamboly e! ao ny Jog 50 sy 90 izay tena tian'ny ankizy tokoa satria efa tena voafolak'irizalahy tsara ny momba azy! toa oe zany kité kité zany oe ny maotera ka io 2 temps io no tena mora amboarina alehibiazina izany ny herin'ny maotera ka lasa mirifatra izay tsy izy izy itony ka raha tokony ho 70km/h no faratampony @ hafainganam-pandeha dia tonga any @ 120km/h any izy rehefa kité!
Dia raikitra ity karazana dridrodridro tsy misy farany ity rehefa mety ho lalana malalaka rehetra eto Antaninarivo dia ahitana andiana tanora mifanejika @ scooter!!! @ io ry zalahy tsy miraharaha ny hafa mihitsy fa dia tena misetrasetra e! na efa hita izao ary oe misy fiara mifanena @ dia mbola sahy miditra ihany izy enao indray no mandefitra! raha tena mpamily ratsiratsy frein aloha dia taraiky ao ry lerony e!
Iny @ Marais masay iny moa dia efa tena lasa fifaninana mihitsy ary tena misy loka goavana ao any @ 10.000 Ar any no fanamby ary mitomba arakarak'izay hifanarahana eo! ny zesta sy ny tsindry koa aloa mandeha ihany! eo koa ny Joba kely miandry ho entin'izay maharesy @ fifaninana tena revy hafa mihitsy ny an'ny ankizy @ izao e!raha sanatria mianjera @ io anie @ hafainganam-pandeha 100km/h any mety tena tsy misy raisina e!asa ditra ary ve izany sa hadedahana no betsaka! Mba tandremo kely lesy fa malama maina anie ny tany e! sao maratra mafy eo vao hanenina ao aorina!
JEREO KOA ATO na MIHOMEHEZA ETO
Izahay izao tanora dingana faharoa fa tamin'izay mbola tena tanora mialoha dingana voalohany dia nisy ireo tanora mistrasetra mifanindry, natao ny fanalana hazakazaka (fiara eo no resaka an !) dia mifanintsana tsy misy manaiky ho resy... dia nihodina dia nandeha mafy, dia miditra sens interdit sns... kanjo ilay iray lôvy be dia nantsoiny ilay adva dia nataony hoe, ity tsy vitan'lah fa tairo ! ... tena tsy vitan'ilay iray tokoa... satia inona ? naka bahana lavidavitra ilery dia nandeha faran'izay mafy ary nadonany tamin'ny vodihazo ilay fira milay be ! potika tsisy noraisina. Ilery moa nanao fanahy iniana noho izany vonona nisehatra loza dia mba tsy naninona... mahery ve inedala ?
ekena Ikaretsaka a! ny zandry tiana hn tsy hitsitsina rotsakazo e! hi hi hi
ny anjara ko no tena mitondra an'io e!
ny ahy le takaitra azo avy eo no manahirana ahy
Hihi dia ahoana le mpandeha piste @ tour de f/ce manao be midina mandeha 120 km'h @ biskleta ireny izany rehefa mikarapoka le ??
Samy nandalo teo aby re a
tsy maintsy mbo chauffard kely teny aby rehefa tanora e
lol tanora a ka!
fa maintikely nga ahn!
manahirana oa ry zala indraindray
newsdedago anga tsy tanora no tsy misetrasetra? :D
Efa fombany io re a!
aty @misy anà betsaka ny tanora manana azy io fa ny mandreraka dia enao mitondra tonabil indray no sahirana satria izy tsy manaja lalàn'ny fifamoivozana.
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |