Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Tia misetrasetra ny tanora! | Main | Hitagataga @ izay i news2dago! »

Mande be ny varotra ENZOY!!!
2008/02/26,13:51

Mba misotro jus ihany aho fa ity jus iray hitako amidin'ity mpivarotra sinoa iray eo ampitan'i JJ Rabearivelo ity no tena mba mahavariana ahy mihitsy fa tena mande be ilay izy ary saika mpianatra ao @ lycée sy mpanao cours ao  Arcade no mpividy ity karazana sachet kely misy soratra oe ENZOY ity!

Fa inona ary ity vidin-dry zalahy ity oa any antsaiko hay kay tena aphrodisiaque ilay izy! hitako ny boay kely no mibako azy eo daholo! tsy hita tokoa moa fa ianareo vehivavy ireto tena mila olona performant be ko lasa ny boay kely avy no mividy zavatra tsy izy fa mba te hanome fahafam-po anle joba kely!

Taloha mantsy tany @ taona 90 tany ho any zany oe 20 taona lasa izay dia nisy rangahy izay niara nihofana tamiko dia ny fividin'ingahy rainy dia fanafody pilona kely izay "ombilahy" no anarany asa raha mbola misy io karazana fanafody io izao na tsy misy intsony! Razoky ko moa mpanao tourné lava ka mba tia mihodikodina e!

@ izao fotoana izao kosa dia fanafody générique no feno izao ka izany "silagra" na "novagra" no misy ary tena tsy mila ordonance akory ny mividy azy vazaha namana mpibizina mpitondra kamio any dry maintikely sy ry landiboatavo any no mpividy an'io aty ka boite iray dia efa mahaverina ny frais ny mankaty dago izany oe any @ 600€ any zany no hamarotany an'io any @ mpitondra kamio namany any ivelany any ary amidy atsinjarany ilay izy! tena bizina be ho anareo izay mivezivezy! tandremo fotsiny sao tratra any!

Fa ny olana @ itony fanafody itony dia ny effet secondaire e! isika malagasy mantsy be tosin-drà izay ka sao dia anao ohatr'ilay ranamana maty teo ampanaovana oe lery ary sipany koa no niaraka t@ fa tsy vady akory!ka sady afa baraka no tapitra andro!!! ilay zazalahy kely vao 14 taona indray dia nihinana ny viagra ny dadany ka voatery naiditra hopitaly fa nihijitra be izay tsy izy ny vata tenany iray manotolo angamba be daozy @ ilay fanafody!

Tokony hitandrina ihany @ fihinana itony karazan-javatra amidy itony fa sao dia hidirana angano eo! toy ny lalandrà tapaka sy ny sisa 

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO

Hevitra

Comment Icon

Nahatsiaro ny tompon'ity blaogy ity mihitsy aho tamin'ny zoma atoandro. Ny andro nigaina, izaho vizana sy noana ary.... nangetaheta. Moa tsy iny làlanay fahiny no nodiaviko, nandalo indrindra an'i Pauline taloha... nitsiky fotsiny aho dia lasa fa tsy te-hiendratrendratra amin'ity andro atoandro raha hisotra ity ENZOY !!! ha haha.. ataovy sanatria !

Posted by: Tsikisariaka at 2008/03/03, 12:54
Comment Icon
ié, ilay mpivarotra no nampisento ahy fa tao no fanaovanay sy r'ikalamako gouter sy fanalana azy miaraka amin'ny tary sy akama !! Ny anay pain achard dia efa mi-ENJOY izahay. Fa kay jus mampihinjitra ity lazainao ? dia ireo mpianatra ve mahalala an'izany sa te-hanala hetaheta dia glou glou ! fa ratsy kosa raha ilay bandy mampirevy jôba no avy dia mampihinana ny tsy fihinany an'ilay spin kely ko ! ratsy toetra an ! Tena misy raha la terre koah !
Posted by: Tsikisariaka at 2008/02/27, 11:01
Comment Icon

Misaotra nampahafantatra izany !

Posted by: DadaRabe at 2008/02/27, 02:03
Comment Icon

zany tokoa angamba ry ikalamako a! lol

Posted by: news2dago at 2008/02/26, 18:02
Comment Icon

hihihi, ity izany no tonga amin'ny hoe "enzoy your pain achard !", lol

Posted by: ikalamako at 2008/02/26, 17:44
Comment Icon

Mbola misy io pain lasary io e! 600Ar izy izao! satria efa 300 Ar ny mofo!
Ary io mihitsy no ande hovidiko tao de efa manome morse le bandy mpanampy azy eo oe nga tsy ampiarahana @ le zavatra? io le enzoy io!

Posted by: news2dago at 2008/02/26, 16:50
Comment Icon

hihihi, ao amin'i Pauline sinoa fividiananay pain achard taloha izany fividiananareo enzoy izany re ! :-P
Tandremo fotsiny hanao ilay lasopy sinoa misy viagra-n'i Turbo !
Miova tokoa ny tany, fa tamin'ny andronay dia pain achard no novonjena toa ny taovan-kena tao, hihihi

Posted by: ikalamako at 2008/02/26, 16:39
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype