Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Mande be ny varotra ENZOY!!! | Main | Tananan'ny Gangs!!! »

Hitagataga @ izay i news2dago!
2008/02/27,11:04

ity ary ny tsiambaratelo n'i news2dago aloha dia mahaiza mitsatoka izay mety ho mombamomba azy! efa nifanarahana moa izy ity ka tsy maintsy atao izany satria maro no efa nahefa ny azy ny mpiblaogy sasany!

1. Mino an'Andriamanitra aho ary Kristianina aho mazava ho azy!

2. Tsy dia tia olona matikenamaso loatra aho fa rehefa miresaka amiko aleo tg dia mahitsy!resaka tsy soronana izany no tena angadiko aleoko izay toy injay manaikinaiky kanefa tsy mifanaraka @ ao antsaiko ny resaka.

3. Ny fanantajahatena tena mba reviko dia ny lalao baolina kitra mijery angamba sisa fa efa retirety raha ny taona nojerena lol! ary ny ekipam-pirenena tena ankafiziko indrindra dia i Brezila vao fito taona monja aho t@ 82 dia efa nijery Mondial t@ fahitalavitra ary haiko dhl ny anaran'ireo mpilalao brezilianina ireo t@ izany ka h@ izao! ny tsy azoazoko indray dia ny ekipan'i lafrantsa ankehitriny satria dia merisenera no akamarony! ny tsy lanin'ny vavoniko h@ izao moa dia ny mondial 98 satria resy ny ekipako t@ io! 1 et 2 et 3 zero snif snif! rehefa milalao iraisam-pirenena ny club M scorpion ary barea dia mijery eny mahamasina foana aho ra mbl afaka na resy na maharesy tsy ahoako firy fa mijery foana aho!

4. Halako ny lehilahy mikasitanàna ny vadiny @ io dia tena fahalemena amiko ary henatra ho anay lehilahy mht

5. Mirevy ihany aho indraindray fa rehefa misy fety ihany kosa anefa fa tsy isak'izay mahatsiaro ary beks na bin no mba fisotroko fa tsy mahavoa an'ilay mahery vaika fa mora zakan'ny rano! hi hi hi 

6. Tia miresadresaka aho ary mankafia mijerijery ny hakanton'ireo joba ny tanàna!manja anie izy ireo e! malahelo kosa aho anefa rehefa mahita malagasy vavy manambady vazaha! tsy hita fa fiainana izany e! 

7. Tsy mba mahay solfa sy mitendry glita kanefa mba te hihira ihany ilay fotsy feo akamanareo e! izay no tsy nampalaza ahy angamba fa mety halaza ihany eto @ tontolon'ny baogy raha sitrapon'ny Tompo!

dia izay no izy ry reto a!

Jereo koa eto 

Hevitra

Comment Icon

Rajiosy => koboko iny lahatsoratra navokanao iny e!
fa ny blema anie oa dia isika kely @ vatana dia mety atosika fotsiny nefa ny afrikanina manao kaomberaka! lol
ho hita eo fa ny fanirina dia ho tanteraka io prediction nao io e!
bonne e!

Posted by: news2dago at 2008/03/02, 14:28
Comment Icon

Euro 2008 : zany hoe tsy dia maharaka intsony aho, fa toa mahavoa ilay Benzema-kelin'i Frantsa iny. sady efa tsy momba ny atsy ny aroa fa dia bonne daholo e !

izaho izao efa nandefa taim-bava ho lanin'ny gasy ny Côte d'Ivoire dia avy eo ny toniziana @ 2ème toro !

Posted by: Rajiosy at 2008/03/01, 20:13
Comment Icon

Rajiosy => Enao koa kay akama fa mirevy rabre! lol
lery angmba (jentilisa) any @ tribune de tsy hitako!
bonne e!
iza no alainareo zao @ euro 2008?

Posted by: news2dago at 2008/03/01, 09:35
Comment Icon

pt 3) mbola mahatadidy an-dry Zico sy Socrates izany ? ny @ fijerevana baolina eny Mahamasina : tokony ho tafahoana izany ianareo mbakan-dry jentilisa !

Posted by: Rajiosy at 2008/03/01, 00:05
Comment Icon

manao ahoana Niouz a, faly mahafantatra koa e

Posted by: Mialy s'en fout at 2008/02/29, 17:14
Comment Icon

DdRb => za alo tsy mifidy sakafo aroso rehefa na matavitavy na mahia na mendy na misy rony mety amiko dhl!
Tokinao => misaotra e!
ikalamako => bisou oroka be e!

Posted by: news2dago at 2008/02/28, 09:41
Comment Icon

simp : elah ange voatagin'i pissoa ka mbola miandry izahay e, aza eo no mampiresaka an'i news2dago eo fotsiny e !

Posted by: ikalamako at 2008/02/28, 00:23
Comment Icon salama e

faly mafantatra zany news a! de miandry an'le sary zay e :)

Posted by: Tokinao at 2008/02/27, 23:23
Comment Icon

Ary efa manomboka fantampantatray izany raha hoe hiara-hirevy amin'i news2dago.

Fa ny tsy fantatray hoe inona no karazan-tsakafo aroso rehefa tena raikitra ny fety ?

Mahereza é

Posted by: DadaRabe at 2008/02/27, 23:14
Comment Icon

ok ok

iza avy le tagevana ary? :)

Posted by: simplex at 2008/02/27, 19:53
Comment Icon

Maintikely => le rainiboto aloha mahavoa ihany fa manao injainjay izany oa fa tsy haiko oe ahn e!

Ikalamako => tssss enao kosa oa de ny mifanohatra amiko fn e! za maka italy ko nareo mamely coup de boule rhf resy lol!

pissoa => Enao anga mahavoa gold kle ! rovina ary e? enao ve zao tsy hapiesona indray hi hi hi

Posted by: news2dago at 2008/02/27, 13:41
Comment Icon

ok ary e!
rhf tsy miblaogy e! de manodraka kely hi hi

Posted by: news2dago at 2008/02/27, 13:15
Comment Icon

Faly mahafantatra an'i News2dago izany.

Hi hi - ka ahoana, rahoviana no asiana fety dia mba mamely beks kely zany aloha ( hi hi - tiako be ilay hoe zanakn'ny rano, lol. sady tondraka izy zao)

Posted by: pissoa at 2008/02/27, 13:13
Comment Icon

faly mahafantantatsa an'i news2dago zany o !
Misaotra nahaefa adidy :-P
Fa ny ahy raha vao Italie contre France dia tonga dia france foana ny ahy fa tsy maintsy manome litika an-dri Rainilita aho, ary rehefa anontaniana aho dia ny valiny dia tsy maintsy manohana ny mainty toa ahy aho, hihihi

Posted by: ikalamako at 2008/02/27, 13:02
Comment Icon

mazava ho azy e!
andraso fa misy sary hadinoko no nampiditra azy teo

Posted by: news2dago at 2008/02/27, 12:53
Comment Icon

hihihihi
mannschaft ihany oa no milay :P.
Za koa ry nao nalahelo t@iny 98iny :(

mahay mankafia ny zavaboaarin'ny nahary ianao izany ;)

Posted by: maintikely at 2008/02/27, 12:51
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype