Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Hitagataga @ izay i news2dago! | Main | Raraka ny Ajesaia »
Isan'andro dia tsy maintsy ahenona vono olona sy halatra foana eto antaninarivo nanomboka t@ volana janoary no nankaty! tsy vao ela akory moa no nifanafika ny polisy sy ny jiolahy! dia izao indray dia ny jiolahy no mandripaka ny vahoaka!
Tsy izany mantsy fa t@ androny propagandy dia oe laharapahamehana ny fandriampahalemana ary saika nivoy an'io daholo ny mpifaninana! @ izao fotoana izao anefa dia toa very fanahy mbola velona ihany ny mpiarabelona fa toa tena ataon'ny jiolahy haza lambo mihitsy!
Tsy hita moa izay iatorahana fa dia samy miaro tena ny rehetra ary aleon'ny olona aza maka alika masika "chien de race" toy injay maka mpiambina fa toa oe ireny ihany hn no mamely @ ankapobeny ny halatra! toy ny eny mahabo andoharanofotsy izao dia alika be masika daholo no miandry tanàna!
Mandeha be mihitsy ny fampiterahana alika @ izao fotoana izao ary tena misy mahasahy mividy lafo mihitsy! satria dia any @ 1.000.000 Ar any ny alika iray izao! rehefa voabaiko tsara. Ny biby indray izany izao no atokisan'ny olona kokoa noho ny olona.
Betsaka mihitsiny ny ankizy ny mitataran'ny zavatra manjo any @ tanana.
Ataoko hoe ho lasa Bogota foana i Tana nefa tsy mampimeha amiko intsony izany fitenenako izany...
Ps:aza misalasa manao correction ny teny gasiko...!!
ka ny tsy fandriampahalemana facteurs maromaro no tena mahatonga azy. Ny voalohany indrindra raha any amintsika dia ny fahantran'ny vahoaka.
Raha nanana ny ampy manko ny rehetra dia vitsy no tena hoe andeha hamono sy hangalatra izany.
Manaraka izany, ny alika raha atao miandry tanàna, dia an-trano no asiana azy satria tena miaro ny domaine-ny izy @zay fa tsy ao antokotany. Heveriny fa tsy azy ny trano tsinona (mba toro-hevitra majinijinika fotsiny iny :)
isika ihany koa no tena lalina kanou.
Izao fampandriana adrisa rehetra izao kosa ve d hinoana doly... Tsy hoe sceptika fa ny mpanao politika resabe hambamboana ny mpifidy no tena ataony... Ny fanatanterahana mbola zavatra hafa.
Tokony asiana andrimasom-pokonolona indray ve sa ahoana?
Tena mahakivy tokoa io tsy fisian'ny fandriam-pahalemana io.
Isaky ny mijery gazety dia mihorohoro ihany ny saina.
Mahereza é!
Tsikisariaka => Tsy hita tokoa izy ity fa manao ronono antavy no betsaka ny mpanao politika no tiako resahana eto!
ny fahalemeny indray dia azo itarafana ny tsy fahaizana mandray andraikitra amiko ny tsy fisin'ny fandriampahalemana!
Te-hanamafy ilay hevitra iresahina ny fanomezan-tokin'ny mpanao pôlitika aho. Moa ve tsy azo andrefesana ny tanjany sy ny fahatomombanany sy ny mahamarindrano ny fitondrana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ao aminy ?
Satria raha samy manao ny fiarovan-tenany ny olona, raha mahefa izany dia tsara, raha tsia moa dia iza kosa no antenainy ? Rehefa tsy voafehin'ny manam-pahefana mantsy dia fanjakan'ny baroha ilay izy izany ka manjaka ho azy ny jiolahy.
Inona no hevitra ?
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |