Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Mamely ny kohaka sy gripa | Main | Noravana ny FMF na ny federasiona ny baolinakitra »

Mila vola ny fifindra-monina any aostralia
2008/03/06,08:50

Nalaza indray tato ato tao aorinan'ilay fisolokiana goavana nataona maorisianina iray hanome mana sy  tantely any bahamas dia indro indray fa manangasanga any ny nofinofy aostralianina! feno ny trano tao @ motel anosy omaly raha nitafatafa t@ mpanao gazety sy ireo olona te hifindra monina any aostralia ny kabinetra iray misahana ny fikarakarana ny taratasy hifindra monina any aostralia!

Tsy azo mora foana anefa izany fa miantotena tanteraka ireo olona maniry ny hifindra monina any ary mandany any @ 10.000$ amerikanina any ho any izay te hifindra monina any aostralia! inona anefa moa no tena mety ho tombotsoa hifindra any raha tsy tena matipaika daholo ny zavatra rehetra! toy ny trano hivantanana ny asa mety ho atao sy ny ho entimanana @ sakafo ary indrindra ny fiantohana @ mety tsy fahasalamana tampoka! raha akapoka ireo vinavina rehetra ireo dia mety ho avo 2 na 3 heny @ io no tena ilain'ny olona iray izany raha te hifindra monina any ivelany ianao!

Etsy andanin'izay raha sahala amiko manokana ka oe manana ireo vola ireo aho dia aleoko mijanona eto madagasikara manangana orinasa madinika toy injay hitetateta ho any ivelany any aho! ka asa aloha izay tena mety mandrisika ireto tanora malagasy ho any an-dafin'ny rika ireto fa tena vonona tokoa ry zareo raha vao misy resaka fifindramonina tahak'itony! efa niforona ohatra ny agence iray mikarakara ny taratasy ho an'ny mpianatra maniry ny hianatra any lafrantsa! izy daholo no mikaroka izay fikafika sy taratasy rehetra ilaina! dia toy izany koa ireo mapanera mpiasa hiasa any liban izay iarahana mahalala ny fijaliana rehefa tonga any kanefa dia somary henjana ny traikefa ilaina toy ny fahaizana miteny frantsay tanteraka sy mahay ny asa an-trano rehetra! manodidina 200$ eo ny mety karama @ io! ny olona iasana anefa tsy fantatra na anao ahoana na ahoana!

Eto ampamaranana dia mba te hanaitra ireo malagasy namana aho oe tsy aleo ve eto no mikaroka ny tsara sy ny mahafinaritra dia miala sasatra no atao any ivelany any fa tsy oe hifindra monina izany e! samy eto an-tany daholo na aiza na aiza no mipetraka ary masoandro iray ihany no manazava antsika rehetra eto! hafa ihany anie ity Madagasikara ity leretsy e!

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO

Hevitra

Comment Icon

Maintikely => tsy aleo njy ve mijanona ao nice ihany toy injay makany!
tena resaka visa fotsiny io ary izay olona eligible ihany koa no karakarainy fa tsy izay te hanao rht akory!
izay mihitsy e! ze manakatao ihany no lasa!

Posted by: news2dago at 2008/03/08, 09:08
Comment Icon

Ka inona moa fa ny manankatao izany no afaka mankany raha avy any amintsika.
Dia mba efa misy trano hivantanana sy asa atao ve any?

Laingalainga fa raha i Australie tena toerana tiako na dia tsy mbola nandehanako aza :)

Posted by: maintikely at 2008/03/07, 21:54
Comment Icon

tsikisariaraka => tena izany mht oa aleo manao zavatra eto alo!
istraky => leo tokoa alo le malagasy e! na any ivelany koa anie mety ahilikiliky ny oul e! asa anefa

Posted by: news2dago at 2008/03/07, 11:03
Comment Icon

Tena vola be ilay izy ko !!!! mahavita taona ilay sanda ka tsy aleo ihany ve mikarataka eto an-toerana e ! asa anefa...

Posted by: tsikisariaka at 2008/03/07, 09:19
Comment Icon euh

izay tokoa zany no midika fa tena leo ny eto an-toerana ny malagasy... kanefa indrisy lavitra iany aloa lé Australie e! ka tena mila vola be ...

Posted by: istraky at 2008/03/07, 08:26
Comment Icon

dadarabe =>ie izay tokoa alo ilay izy e! safidy ny tsirairay io

Posted by: news2dago at 2008/03/06, 20:46
Comment Icon

Lafolafo ihany ilay fifindra-monina an !
Nefa maro be koa ny te hifindra monina.
Safidy moa io ka dia irariana ny rehetra ahita izay sahaza azy !

Posted by: DadaRabe at 2008/03/06, 20:08
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype