Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Mila vola ny fifindra-monina any aostralia | Main | Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha! »
Vaovao somary nampalahelo no henoko sy hitako vao eo t@ fahitalavitra TVM oe noravain'ny minisitera ny fanatanjahatena hono ny FMF efa nampoizina ihany aloha satria tao aorinan'ny ireny korotana sy ny faharesena t@ ireo ekipa nandray anjara t@ lalao afrikanina ireny dia voaresakin'ny filoha tao @ fandaharana manokana "ny tenin'ny filoha" izay mandeha @ fahitalavitra sy @ radio nasionaly isaky ny alahady ny momba ny baolina kitra oe tsy nahay nadray andraikitra ny FMF t@ ireo korotana niseho teny mahamasina.
Voalaza moa fa ny FMF no tompon'andraikitra t@ korotana sy ny zavatra nitranga rehetra ary efa fantatra rahateo (ny FMF io) oe tsy tonga ny mpitsara kanefa dia namidy ihany ny tapakila sy ny sisa dia izay dia efa ampy andravana ny FMF! ary nandray fepetra sahaza @ izay ny minisitera dia ny fandravana izany ary hametraka delegasiona manokana hanao ny fifidianana vaovao! izany oe miverina zero indray izany ny taranja baolina kitra e! raha izaho manokana aloha dia ohatran'ny tsy dia azoazoko ny fomba fiasa toy izao satria dia simba indray ny zavatra efa natomboka h@ izay! indrindra moa fa ny fandraisana anjara @ fifanitsanana @ CAN 2010! izay efa tsinjo oe tsy ho tafakatra mihitsy isika!
Atao ahoana moa fa tsy maintsy milefitra ny mpitia baolina kitra satria ny lehibe no miteny! ovaina ny olona fa ny rafitra ny eo ihany no eo koa inona ary no dikany! na ovaina injato ary ny FMF tsy misy manjary eto raha tsy misy koa ny andraikitrin'ny fanjakana oe tena andray anjara mivantana @ fikarakarana ny ekipa mandray anjara @ sehatra iraism-pirenena izy! satria ny voninahitry ny firenena no arovany @ izay! ary koa hiantoka tanteraka @ fiantsoana ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy! raha izay angamba no ataony dia omeko rariny izy fa tsy korotanina ohatran'io ny zavatra dia any @ tsy alehany avy eo satria iarahana malala ihany ny zavatra rehefa tetezamita izay! fa samy manao izay danikibony ny mpitantana vonjimaika eo!
tsy oe miaro ny federasiona aho akory fa tsy naleo ve niandry ny fifidianana ho avy dia eo no miteny ny fanjakana! dia izay indray no izy zany aloha fa dia mbola ho ela isika vao ho tafarina raha resaka baolina no resahina!
ka io raha nandrasana octobre ny fifidianana dia lasa mety ho kandida à sa propre succession i ahmad!!!
dia izay anie no éviter-na e! aiza ary nareo izany.
Zara aza nisy korontana
jentilisa => tena mitovy hevitra tanteraka @nao aho!
dia asa izao izay ho tohiny fa za aloa efa tsy dia manantena inona intsony e
fahadisoana ny nataon'ny fitondrana tamin'ny fandravana ny FMF raha eo amin'ny lafiny lalàna mifehy azy eo anatrehan'ny FIFA.
Tokinao> efa tsy tezitra aho rehefa mandre io teny hoe aleo foanana any io baolina kitra io ka.
Simp => ka io le anamafisako ny hevitrao oe tsy revin'i ra8 ny FMF de noravany le izy e
vao koboko t@ lexpress teo hoe tokony @ octobre aorinan'ny JO ony ny fifidianana ny komity mpitantana ny FMF... kiiiiiiiiiiiiiiiii
nanin kou zao ra nendrasana fotsiny izay. Sao d mba errera ana stratejia kosa zany kle :)
Maintikely => tena mitovy fijery amiko ianao @ io lafiny io! ny kaladary aloa mbl tsy haiko oe rahovina fa @ ity taona ity ny fifidianana raha araka ny tokony ho izy e!
Tokinao => Tena marina tokoa aloa ireo hevitrao ireo e! kanefa ko tsy adinointsika fa tena maro ny mpitia baolina kitra e! dia tsy maintsy ampifaliana ireo raha tena fetsy ny fanjakana azontsika trandrahana azona loharanom-bola vahiny io satria mahay ny malagasy! ny rafitra izany no tsy ampy! misaotra @ fanakianana manatsara zavatra!
Simp => tena izay tokoe e! tsy meti2 @ ra8 ny FMF e! raha azony natao ny manedry an'io mivantana tena nataony izany saingy mahaleo tena ny FMF ka dia tsy afaka mikofoka lety efa in2 tokoa izao no nisy ny disadisa teo fanjakana sy ny fmf t@ fitondran-dra8!!!
Dadarabe => enga anie! hoy aho miandry ny masoandro ihiratra isika e!
Ny irariana dia ny mba ho positif ny valin'izay fa tsy vao maika hanavesatra ny olana eo amin'ny baolina kitra.
Ny fahitako ny tantara hatr@ zay otran'ny tsy dia nifanaraka tsara t@ ra8 ny mpitantana tao @ FMF fa zany oe izy no lany tao dia noho ny FIFA dia tsy afa nanoatra i ra8... ka ra misy ny occaz hanovana ny rafim-pitantanana dia lojika ra maka ny chance-ny i ra8... Ny antenaina marina dia hoe hanova zavatra, na hoe lafiny organisation sy lojistika fotsiny ihany aza hoan'ny taranja baolina kitra ee
Tokinao,
izay hevitr'ela izay ilay atao hoe "mitsoaka" olana fa tsy mamaha olana. :)
Misaotra milaza news a!
Ny tsy azoko dia ilay tianao tenenina amin'ny hoe "noravàna". "Nofoanana" ve sa "ho soloina ireo mpikambana".
Izaho manokana dia efa ela no kivy @ baolina kitra gasy. Ka raha ny hevitro dia aleo foanana mihitsy :-). 'Ngamba dia hisy azy ilay namako iray izay [Jentilisa] amin'ity teniko ity ;-).
Mandany vola izy io, no mampikorontana. Tsy haiko na ny mpilalao no tsy mahay, na ny fikarakarana no ratsy, na ahoana loatra.
Fa ny hitako dia izao :
- vola be no omena azy io isan-taona. Inona anefa no mba ampidiriny : atody lava izao.
- rehefa misy filaharana fijerem-baolina ao Mahamasina dia korontana hatrany no misy : Filaharana be tsy misy ohatra izany, sisisisika.
Ka aho hoe : tsy aleo ve alefa any amin'ny fampandrosoana ny vola. Ohatra hoe : hampidirana an'ireo zanaka tambanivohitra any an-tsekoly ...
Misaotra ô.
Izay fa dia miandry ny fanakiananareo e! hehehe
Misy azy indray ny hafalian'ny mpanenjika ny federasiona ny baolina kitra raha izany.
Fa rahoviana moa no tokony hisy ny fifidianana ho filoha raha ny kalandary efa voalamina?
Ny ahy tsy dia ny maharava azy loatra ny olako fa ny hoe, mba olona hahavita azy ve no hisolo azy eo? Raha mbola hoe olona fantatr'i ranona sy i ranona manko dia tsy hisy raha hanjary mihitsy.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||