Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
Mbola resaka Federasiona ihany e! Raha amiko manokana aloa raha samy hanova ihany dia mba manolotra olona vaovao no tsara ary koa olona mba efa nahavita sy tsy hinambola fotsiny! tsy dia fanaoko ny manonona anaran'olona fa tiana moa ity baolina kitra ity ka tsy nahasakana ny tena izany! satria rehefa marary ny kitra dia mahagaga fa marary ihany koa ny mpankafy azy! mbola andrasana moa izay tena ho hevitrin'ny FIFA @ io fihetsiky ny Minisitera io! satria moa rafitra mahaleo tena ny FIFA ary tsy baikon'ny politika sy ny fanjakana!
Ambetindresaka ataon'ny mpitia baolina kosa moa etsy an-daninin'izay dia izao oe iza tokoa ary no tena tsara atao prezida ny FMF e? ao ny miteny oe i Henry Roger no mety eo koa ny miteny oe i Tsoa Pacom no izy lay!!! raha pazapa moa izany izy ity dia efa nominé izy roalahy mianaka ireo! samy efa nahavita be sy nahitana vokatra t@ toerany avy! ilaina traikefa tokoa izy ity fa tsy misy andrakandrana intsony!
Ireo alo no fantatrin'ny olona ary singanina manokana tokoa aloha fa i Tsoa Pacom efa nilatsaka t@ 2003 fa nisitaka t@ ora farany noho ny fahatsapany fa misy kitranoatrano tao @ ilay fifidianana koa asa izy izao raha mbola tapa-kevitra ny hanandrana @ ity indray maka ity!
Ho hita eo ny tohiny e! ny irarina dia mba hiova any @ fanantsarana tokoa!
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
voatagy elà :)
maintikely | 14/03/2008, 22:36
Re: Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
news2dago | 11/03/2008, 17:48
Jentilisa => izy indrindra eeeeeee!
Re: Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
jentilisa | 11/03/2008, 17:28
Ntsoa Randriamifidimanana no anarany ooooooo
Re: Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
news2dago | 11/03/2008, 16:28
Dadarabe => Iny indray no tsy hitako!
Maintikely => ary njy tena maharaka mhitsy an! sao mbola misy hafa ihany koa oh?
Re: Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
DadaRabe | 11/03/2008, 15:32
NOheveriko fa ho filoham-pirenena ka hoy aho hoe iza indray izany Tsoa Pacom izany !
Re: Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha!
maintikely | 11/03/2008, 15:28
i henri roger ny ahy no hitako mety ho mety. Asa anefa.
marina fa i Ntsoa nahavita be tao @ FMSA sy tao @ tennis. Fa i henri roger nefa no mety hahavita be satria efa tsy be obligation @resaka asa intsony


voatagy fanindroany elà
jereo ato: http://maintikely.blogspot.com/2008/03/deux-tags-dun-coup.html