Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Maninona moa raha i Tsoa Pacom no atao Filoha! | Main | Atao takalon'aina ny Barea ny Madagasikara »

pôlitika voretra!
2008/03/13,16:30

Tsy dia misy lanjany firy @ olona izay fifidianana hatao @ alahady 16 marsa ary ahiana ny fihenan'ny mpifidy @ ity indray maka ity! ary efa miakatrakatra ny marimpana ao ambony ao satria dia mihetsiketsika izay tsy izy ny governemanta @ famporisihina isan-karazany an-gazety sy @ televiziona oe zo ny mifidy!

Indrisy anefa fa tsy tafapaka any @ vahoaka izany!!! iza tokoa moa ny ho fidiana eo! toa ohatran'ny vato iray ihany anie no ho hita eo @ alahady 16 marsa io ka sao dia mba tokony atao oe fandatsaham-bato izy ity fa tsy fifidianana!!! ny mpifaninana rahateo tsy nisy sahy nirotsaka ny mpitondra anefa manao amboletra ary te hanamafy ny toerana @ alalan'ny fifidianana ka lasa ara-dalàna ho azy ny rafitra apetraka satria izay anga no atao oe demokrasia!

Dia ity no tonga @ ilay fitenenena oe "Pôlitika voretra" e! satria mandeha ny tsindry aloka izao manao oe ho saziana izay tsy mifidy! kanefa ny mpifidy anie efa voasazy @ fiainana sarotra sy fahantrana impito mandifotra olona! Tian'i Lery mantsy io isa fito io! LOL! ka izaho zao mety tsy ho bediny fa hanefa ny adidiko aho raha tsy misy ny sampona! enga anie! Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy na asarotina na ilana vanony izay maka taratasy any oh oe maka certificat de résidence sns! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo! 

JEREO KOA ITY na MIHOMEZA ETO 

 

Hevitra

Comment Icon Aleo ihany mifidy kah...

Aleo ihany kosa mifidy ihany e. Na dia atao aza hoe fifidianana olon-tokana sahala amin' ny fifidianana an'i Kim Jung-il aza. :-)

Posted by: razaordira at 2008/03/14, 12:53
Comment Icon

Namaky aho dia namaky aho ka tonga hatrany amin'ny hoe: "Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy ... izay maka taratasy any ...! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo!"
Dia notohizako hoe: Fa hifirany izany ilay taratasy tokony hanaovana certificat de résidence ohatra, ary avy eo ilay taratasy nandraisana anarana ny tsy mpifidy?

Fa raha izany no mahazo ireo tsy hifidy, inona kosa ny valisoan'izay mifidy? sa moa ny valisoan'izay nofidiana, ny marina kokoa izay ny valisoan'izay tsy maintsy ho voafidy no imasoan'ny vahoaka?

Posted by: Lalasoa at 2008/03/13, 21:52
Comment Icon

zà zany nihevitra hoe resaka éboueur sy hygiène urbaine ity post ity... mba oui 1er degré = 1er degré...ary tena lasa gravy mihitsiny zany demokrasia tsika izany, freestyle be ....

Posted by: jogany at 2008/03/13, 21:25
Comment Icon

Manja ilay pezia é!

Dia mahaiza mifidy ary fa ny anay efa tsy fidiny ilay tsy afa-mifidy.

Posted by: DadaRabe at 2008/03/13, 20:42
Comment Icon

Tsy manatsafidy aho ry dadarabe!
Kanefa voatery tsy maintsy andeha!
Satria ny lehibe tsy hay tohaina!
Ka ny kely avy no tsy hahaizana miaina!

oooooeeeeeee!
Dadarabe => tena efa mety ve! le poezy kely voretra e

Posted by: news2dago at 2008/03/13, 19:34
Comment Icon

Ka 'ndeha hifidy sa tsia i nesws2dago ? :-)

Posted by: DadaRabe at 2008/03/13, 18:22
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype