Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Atao takalon'aina ny Barea ny Madagasikara | Main | Trondro maina nahafaty olona 3 »

Trafika na biby sarona tatsy afrika atsimo
2008/03/16,11:13

Mampalahelo ny nanjo ireto biby saika ahondrana antsokosoko ho any @ repoblika tcheque! satria dia sarona tatsy afrika atsimo izy ireo! izany oe tena gorobaka be mihitsy izany ny eo @ serana rehetra eto mandagasikara fa afaka mivoaka sy miditra eo daholo na bois de rose na irakianina tsy manana pasipaoro na ankizy kely te hitaingina fiaramanidina na rongony sy fitaovam-piadina sy ny biby kely toy ny sokatra aza dia tafavoaka eo daholo!

Asa izay ho fepetra ho raisina fa dia tena manala baraka ny maheno an'izany zavatra goragora izany! Tra tehaka tany afrika atsimo tokoa mantsy ny karazana tanalahy sy bibilava sy bibikely hafa, efa miala aina moa ny sasany t@ ireo biby ireo satria tsy nihinan-kanina nandritra ny diany! tombanana eo @ tapabolana eo eo moa izany fotoana efa nialany teto madagasikara izany!

Navotan'ireo mpitsabo biby ao afrika atsimo moa ireto biby ireto ary efa nalefa any @ Zoo @ izao fotoana izao! etsy an-danin'izay anefa dia mbola mikasa ny hampody an'ireo eto Madagasikara indray ny tompon'andraikitra ao @ governemanta ka ho voakarakara ve anefa izy ireo raha ampodina eto an-tanindrazana! 

Na izany na tsy izany aloha dia tsy maintsy olona ambony sy mahitahita no afaka hanao izao trafika izao fa tsy ho vitan'ny olon-tsotra mihitsy! dia miandry ny tohiny isika fa tsy maintsy hisy olona ambony hidoboka indray eo atoato!

Jereo koa eto na mihomeza ato

Hevitra

Comment Icon

fantatra izany izao fa maty ny ampahany t@ ireo biby naondrana e!

Posted by: news2dago at 2008/03/17, 09:16
Comment Icon

Variana miantso mpifidy hahabe vato ny mpiambina sisin-tany ko!

Posted by: Folaitra at 2008/03/17, 09:09
Comment Icon

Mbola be ireo tsy maty voalavo an-kibo.
Zatra ny lalan-dririnina !

Posted by: DadaRabe at 2008/03/17, 00:56
Comment Icon

izaho ilay tranga mampalahelo. Ilay biby moa no tena mampalahelo.

Raha isan'ireo tany mandroso angamba i gasikara tena mety ho betsaka ny nangalatra niditra taty toy ireo betsaka te hiditra aty eropa...
Tsy hita tsinona fa betsaka ny gaboraraka matoa tafavoaka izay tiana ho avoaka ary tafiditra izay te hitidra

Posted by: maintikely at 2008/03/16, 21:57
Comment Icon

Mba raharaha koa izany tantara izany. Aondrana saika hatao inona moa hono izy ireo ?

Posted by: tomavanatomavana@g at 2008/03/16, 21:49
Comment Icon

Tokinao => tsy mbola tratra ry zalahy ka! fa ny biby nahondrana no sarona!

Posted by: news2dago at 2008/03/16, 19:21
Comment Icon Misaotra mitatitra news a!

Sady maharary no mahamenatra tokoa ny zava-miseho toy izany!

Saika hanoratra aho hoe "mahafaly aloha rehefa tratra ilay mpanondrana antsokosoko". Raha ny fahazoako ny resakao anefa dia tsy ny tomponandraikitra malagasy akory no nahasarona azy ireo, ka dia "aleo tsy mifaly" indray :-).

Vao tsy ela manko no nahìtana koa an'ilay vatosoa malagasy lehibe iray izay hita tatsy la reunion ( sa maurice moa ? tsy tadidiko).

Posted by: Tokinao at 2008/03/16, 13:06
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype