Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Trafika na biby sarona tatsy afrika atsimo | Main | Niakatra ny vidin-tsolika! »

Trondro maina nahafaty olona 3
2008/03/17,18:21

Anisan'ny sakafo tian'ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly!

Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin'ireto tsondro ireto! ary entanina arak'izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina! voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona!

Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono!

Vaovao tapatapany hafa!

Heno zany zao fa ninjanona t@ heviny ny minisitra ny fanatanjahan-tena! andrasana izany izay mety ho sazy hahazo an'i madagasikara!

mahatsikaiky sy mampihomehy be ny miheno voka-pifidianana ao @ radio oe: " mitarika 100 isan-jato ny Tim" @  ireo vokatra voaray vonjimaika!

Aza adino ny mijery eto na mihomehy ato 

Hevitra

Comment Icon

Helisoa => Misaotra e! dia hiezaka ny tsy handoto intsony e!

Posted by: news2dago at 2008/03/18, 12:53
Comment Icon

Maintikemy => soa izany fa fantatro dia rehefa asaiko aty an-tranonay zany enao dia tsy rosoko tsonjo intsony!

Ikalakely => ny ahy ny tsondro endasina ihany no mba tiako e!

Ikalamako => tsy tao anosy ka! tany fianaratsoa le izy no niseho

Posted by: news2dago at 2008/03/18, 12:45
Comment Icon trondro mahafaty
Mamangy, dia efa tena MALOTO BE feno zava-mahafaty: poizina avy amin'ny loton'ny ozinina na orin'asa kely vitsivitsy koa izany ny rano any Madagasikara an ! Dia potika ny tontolo iainana ! Ny any Guyana dia ny Cuivre hanadiovana tany hitrandrahana "volamena" , ny any Chine moa dia mirodorodo be ny ozinina samy misokatra sy manao izay hataony dia alefa any amin'ny rano mandeha ao an-tanàna avokoa ny loto avy iasana , sns... Dia mba lasa koa izany i Madagasikara an ! Fa Inona no atao hoe: "Fandrosoana ?" - Manao zavatra azahoana vola be tsy am-peverana fa izay halehany any halehany satria "RANO TSY TETEZIN-DOHA" ve ? Sa izay ataon'ny firenena lazaina hoe "mandroso" dia atao satria "tsara avokoa": mampidi-bola kah ! Vola ! Vola ! Vola O ! Hatraiza ny fitiavako anao ? Hatraminy mamono ny mpiray rà amiko: - ireo zanako, ray aman-dreniko, havako... Dia mamangy aman-jo an'ireo nahafoy havana! Enga anie ka mba hisy famotopotorana "momba ny fandotoana ny tontolo iainana" vokatr'io raharaha io ! Satria ny toetry ny trondro no marika fa madio ny tontolo iainana ny tsia. Eto dia TSIA ! Koa iza indray no ho tapa-doha ao e ? Ary iza no hafa-maina toy ikotofetsy tsy lasa lavitra fa manangona "vain-kafo eo an-tampon-dohany" ! http://rahelys.unblog.fr
Posted by: Helisoa at 2008/03/18, 12:29
Comment Icon

simp: hahaha! nga ny tsonjo rehetra jonoina?
Fa ny trondro maina sy poisson au coco tena hantise-ko mitsy!indrindra t@ mbola papozy

Posted by: maintikely at 2008/03/18, 12:05
Comment Icon

maintikely,

@ le izy mihinana kankana ve no tsy hitiavanao azy sa manin? :P

Posted by: simp at 2008/03/17, 22:58
Comment Icon

za oa tsy tia tsonjo; injinja fa tsonjo maina tena efa mi-forcer ny tenako vao mahahinana.

Resaka bol: ka isika anie na voasazy aza tsy dia olana loatra e! tsika zavatra tsy ho lasa can izany mitsy. Ary ny minisitra koa oailaka be raha niova t@heviny teo.

Posted by: maintikely at 2008/03/17, 22:37
Comment Icon

kay! izao anisan'ny tia tsonjo maina asiana sakamalao kely izy izay!

mazana ndray izany sady mampalahelo

Posted by: ikalakely at 2008/03/17, 21:19
Comment Icon ok
misaotra milaza vao2 news a!
Posted by: Tokinao at 2008/03/17, 21:09
Comment Icon

sao dia trondron'Anosy ?
Dia tsy mba mahay mangalatra mihitsy ve fa dia ho 100% be izao ! Izahay aza taloha raha mangala-tahaka mbola mody asiana diso fa tsy maninona na dia 15/20 aza au lieu de 18/20 fa saika hifafa ny 5/20 aza natao, lol

Posted by: ikalamako at 2008/03/17, 20:45
Comment Icon

Dadarabe => tsy hita izay ho atao e! miandry fontsiny alo

Simp => matsiro tokoa izy io ô

Posted by: news2dago at 2008/03/17, 20:35
Comment Icon

mailo mailo ihany wa ra vao matsiro loatra le tsonjo :P

Posted by: simp at 2008/03/17, 20:32
Comment Icon

Loza indray izany ! ny olona foana matetika no mamono trondro.
Tamin'ity izany dia trondro indray no namono olona !

Tokony ho jerena izany fa olana be ry news2dago

Posted by: DadaRabe at 2008/03/17, 20:21
Comment Icon

tsy misy e! fa atapy andro dia asiana sira rehefa voadio rehefa afaka ny taova ao anatiny

Posted by: news2dago at 2008/03/17, 19:57
Comment Icon

any amintsika moa tsy mbola misy fepetra ho tahaka izao ny fanamainana ny tsondro e ?

mampalahelo izany :(

Posted by: pissoa at 2008/03/17, 19:24
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype