Niakatra ny vidin-tsolika!
Mikaikaika izay tsy izy ny mpitondra fiara karetsaka fa miandry efa ho adiny roa vao mahita mpandeha iray! tsy mahagaga izany satria dia any @ 4.000 Ar any ry zalahy vao mandeha ka alaivo sary antsaina oe ra hanejika fotoana hiala eo antanimena mankeo behoririka zany dia efatra arivo be izao ny saran-dalana! ny tompon'ny fiara anefa tsy te halala fa tsy maintsy mahita versement roa arivo sy iray alina izy isan'andro!!!
Nisy mpiasa ny jovenna izay mba nanontaniko oe fa nahoana no vao omaly no 110$ ny baril de ny ampitson'iny ihany dia efa miakatra ny solika kanefa efa telo volana mialoha ny antsika dia efa vita ny commande! dia io hono dia hitsinjovana ny vody andro merika! satria ny volantsika tsy hita be ihany izay mety ho sandany afaka telo volana! ny tena moa tsy dia manampahaizana @ resaka ekonomia! koa naleo nangina!
Ny fanjakana moa tsy afaka manao inona intsony satria efa nisitaka t@ fitantanana mivantana ny fividianana sy ny famarotana azy ity! dia azo inoana fa hiakatra indray izany ny vidin'entana @ ity fetin'ny paska ity!
Aza adino ny mitsidika eto ary mihomeza kely ato
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
tomavana | 19/03/2008, 09:34
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
news2dago | 19/03/2008, 09:01
Simp => tena mbola tsy misy hevitra ny bemolanga hn e! satria solika mavesatra no ao fa tsy ilay tonga de izy fa mbola mila fanadiovana be! mbl misy taona maro2 vao poinsa e! miandry fa gasy ô
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
news2dago | 19/03/2008, 08:54
lehilahytsyresy => ny betax zao no 300 Ar no sarany!
ilay oe Jovenna dia mpivaotra solika ihany koa izy oh total sy ny shell ary galana ireo indray mantsy izao no mpivarotra solika eto @ tanàna
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
lehilahytsyresy | 19/03/2008, 04:56
Misaotra an' i news2dago aloha amin' ity vaovao ity e.
4.000 Ariary ve ny tarif de base @ taxi ? Tena marina fa efa mitady hanakaiky ny prix any ampita izany an.
Ary hono ho'aho, ohatrinona izao ny taxi-be ? (Ny bus moa dia efa tsy anontaniana satria tsy poinss raha hanenjika fotoana...)
*Ary inona tokoa moa ilay hoe Jovenna io ?
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
simp | 18/03/2008, 22:32
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
news2dago | 18/03/2008, 21:58
Pissoa => Koa inona ary ozy pissoa no atao ka! le mercedes nao iny zao raha aty tena tsy poinsa fa mihinana solika be!lol
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
pissoa | 18/03/2008, 21:51
... mimenomenona fotsiny marina sisa hi hi
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
news2dago | 18/03/2008, 20:17
Maintikely => tsy misy intsony izany subvention izany e!
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
maintikely | 18/03/2008, 20:12
tsy hita fa fiainana daholo izany. Raha eo behoririka koa ve dia andeha pikla mankany antanimena? Akaiky anie io e! sa be entana be :)
tena marina ny tenin'ilay mpiasan'i jovenna kah! fa ny tokony atao dia averina ny subvention'ny fanjakana @solika. Sa moa mbola misy izy io?
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
news2dago | 18/03/2008, 20:02
Dadarabe => mimenomenona fotsiny fa tsy afaka manao na inona na inona e
Re: Niakatra ny vidin-tsolika!
DadaRabe | 18/03/2008, 19:58
Miha sarotra izany ny fiainana ry News2dago (mazava ho azy).
Dia ahoana hoy ny olona ?


Ary mbola ho ela angaha ny fitrandrahana any Tsimiroro vao hioatry ny 65 barila / andro ?