Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Niakatra ny vidin-tsolika! | Main | Naato ny Fifa i Madagasikara »

Teen TALK ao @ TVM
2008/03/20,10:24

Fandaharana vaovao iray indray no novokarin'ny TVM ary zatovo daholo moa no manentana an'ilay  fandaharana!! ny mampiavaka an'ity fandaharana ity moa dia izy @ teny anglisy tanteraka! mpianatra ao @ CCA no ankamaron'ireto zatovo sy tanora mpanentana ireto ka ny lohahevitra omaly ohatra dia momba ny tanora sy ny mozika!

Nasaina t@ io i Mamie ao @ tarika Imagine izay sady mpampianatra ao @ CCA ihany koa ary i Aina Cook izay zanaka Amerikanina Ray ary malagasy Reny! tsara ilay fandaharana @ lafiny iray satria dia afaka mamolaka ny teny vahiny ireo zatovo ireo ny teny vahiny tokoa mantsy tsy hay rahatsy ampiasaina! maro ny sehatra ilaina ny teny anglisy raha tsy ilaza afatsy ny fitadiavana asa fotsiny ohatra!

Etsy andanin'izay dia maro ihany koa anefa ny toerana azo hivelarana @ ity tenim-pirenena iray ity toy ny fanarahana ny BSF ohatra na ny Bible Study Fellowship ito moa dia ivon-toerana hianarana ny baiboly kanefa dia @ teny anglisy ihany koa ny fianarana ary tena maimaim-poana ny manatrika azy ary saika maneran-tany no misy an'ity BSF ity! eo ihany koa ny fihainoana ny BBC ohatra sy ny maro hafa koa!

Na izany aza anefa dia ny teny tiako omena ireto tanora ireto ary izay no tena tiako tsindrina @ ity lahatsoratra ity dia ny oe na mianatra teny vahiny maro aza isika zalahy an! dia aza atao ambanin-javatra ny teny malagasy! indrindra ny fanafangarona azy @ teny hafa toy ny teny vary amin'anana izay tena manimba ny sofiko mihitsy ny mihaino azy ary tena mba maha sarotiny ahy mihitsy io satria mantsy hono:"Ny teny malagasy hakafiziko ary ny an'ny hafa koa feheziko"!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO 

Hevitra

Comment Icon TeenTalk

Tena marina tokoa fa tsy mifehy ny teny iray raha tsy miteny e !
Koa dia tokony ho tanterahana koa io momba ny teny Malagasy e !

Ao ohatra "...Ny introduction no manahirana sns..."!
Henoy io fa ao amin'ny Vidéo iray fanolorana Hetsika goavana iraisam-pirenena hatao ao Antananarivo amin'ny 2008 ange e !

http://rahelys.unblog.fr

Posted by: Helisoa at 2008/03/20, 20:05
Comment Icon

Misaotra an'i news2dago amin'ilay hafatra ery amin'ny andininy.

Posted by: DadaRabe at 2008/03/20, 17:16
Comment Icon

jentilisa => teentalk@gmail.com
angamba izy izay raha tsy diso ny fitadidiko azy andraso fa ho raisiko antsoratra @ herin'andro!

Posted by: news2dago at 2008/03/20, 14:40
Comment Icon

Omeo rangaha ny nomerao tel sy adiresy imailaka ny fandaharana raha mety e

Posted by: jentilisa at 2008/03/20, 13:59
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype