Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Mirary paska sambatra ho antsika! | Main | Vaovao samy hafa »

Mangingina fa vita fety
2008/03/25,12:31

Mbola tsara e! indramiko kely io fiarabana ao @ fahitalavitra tsy miankina iray ity e! vita fety, mangina ny tanàna ary tena maina ny tsena hoy ireo mpivarotra sendra tafaresaka t@nay! tsy mahagaga izany satria vita fety e!

Nahazo olona avokoa ireo fety sy lanonana natao teto Iarivo sy ny manodidina indrindra ny teny Antsonjombe niaraka t@ rebika, ny teny Ivato niaraka t@ Firmin sy ry Mima ary Jean Aimé ny tao @ Don Bosco niaraka t@ tsiliva Viavy Chila, ary nafana ny revy tao Atsahamanitra niaraka t@ Lianah sy wawa ny teny @ bypass moa tsy lazaina intsony fa tena nangoro vitsika izay no ilazana azy! io moa dia tena lasa toerana fitsangatsangana vaovao mihitsy! ary marihina fa tafakatra arivo ariary ny sarany ny betax sasany omaly raha roa alina ny sarany ny fiara karetsaka makeny @ bypass, ny teny analamanga park dia tena nanasana tongotra ny thb ny olona moa dia mitovy ny toerana hafa ihany ny isany!

Ho an'ireo izay tsy afaka nandeha lavitra moa dia nitsidika ny tetsy tsimbazaza ao @ valan-javaboary ary notanterin'ny tompon'andraikitra fa any @ telo alina tany ho any ny olona nitsidika tao omaly, ny sasany indray dia teo anjaridainan'ambohijatovo no nanala azy!

Raha ny voina sy ny loza kosa dia nihena ny isan'ireo maratra sy maty satria dia 5 no maty ary ny 405 no nandalo fitsaboana teny @ hopitaly hoy ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro! ny nahazo ireto mponina tao manjakandrina no tena vaovao nisongadina ihany koa satria dia olona 3 no maty ary 20 hafa no tsaboina any @ hopitaly be @ izao fotoana izao nohon'ny fihinana hen'omby izay maty hoazy kanefa dia novarotan'ny tompony ihany ilay izy dia izao no vokany!

Nilamina @ ankapobeny ny fankalazana ny alatsinain'ny paska, ary samy manao kaontikaonty tsotsotra ny rehetra ankehitriny hiandrasana ny farany volana indray handraisana karama sy andoavana ny trosa nanaovana fety!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ATO 

Hevitra

Comment Icon

maintikely => tena mitovy amiko mht enao zany marina e!

simp => misaotra e!

pissoa => mba nihena kosa ilay loza pissoa a!
tsara be hn tany ] rebika oa

Posted by: news2dago at 2008/03/25, 15:31
Comment Icon
Dia arahabaina nahavita fetin'ny Paska daholo e ! Newsdago > misaotra amin'ny fandravonana ny zava-misy e ! maintikely > ny ahy indray efa nataoko ao anatin'ny "ambiance" hatramin'ny fitohanan'ny fiara sy ny fanenjehana fiara sy ny dia an-tongotra rehefa mody ! Pissoa > efa nisolo tena an-dry tany aho e ! tena fety masaka be ny tany ! eo am-panaovana ny toraka aho io !
Posted by: Tsikisariaka at 2008/03/25, 15:30
Comment Icon
oadray marina. Lafo, lafo, tena lafo. Efa tafakatra arivo ariary mihitsy kay izany ny taxi-be. Aleo ihany ligne 11 (tongotra roa) raha izany kah. Ny vidina kiraro no tsy haiko...
Posted by: lehilahytsyresy at 2008/03/25, 15:04
Comment Icon

Io be olona be io sy ny fitohanan'ny fiara io mihitsy ny ahy no antony tsy hitiavako mitsangatsangana rehefa lundi-njavatra ireny!lol
aleoko ao an-trano no manala azy dia rehefa vitsy ny mpitsangatsangana voa mande za!lol

Posted by: maintikely at 2008/03/25, 15:01
Comment Icon oh la la yes

Milay kosa an,
tokony manao otr'zao isan'andro ela. Lahatsoratra otran'ny hoe milaza ny vaovao ambangovangony... tonga d tsy mila mamaky gazety tsony ny ol fa tonga d eto d vita :)

Za mety nanampy ny ol teny Analamanga park. Hanoroka an'i Alicia.

Posted by: simp at 2008/03/25, 14:10
Comment Icon Tssss

Manao ahoana e !

Efa haiko mihitsy fa tsy maitsy hisy tatitry ny isan'ny maty sy ny naratra eto androany lol.

Raha izaho no tany Dago dia nanampy isa ireo nijery Rebika he he he.

Posted by: pissoa at 2008/03/25, 13:47
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype