Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

Posted by news2dago on 30 Martsa, 2008 20:25

Androany alahady 30 marsa 2008 no notsofin-drano handeha hisotro ronono i sa grâce Mgr rémi Joseph Rabenirina izay Eveka ny diosesin'antananarivo ho an'ny finoana anglikanina! izy moa dia teraka t@ 1938 tao ambohidratrimo, ary tao @ sekoly angikanina tao anjazafohy ambohidratrimo no nanombohany niasa teo anivon'ny eklesia ny taona 1958 talen'ny sekoly tao izy nandritra ny 3 taona. Niditra tao @ kolejy Teolojika Santa Paoly ambatoharanana ny taona 1961. Ny taona 1964 ka h@ 1967 dia nanohy ny fianarany teolijia tany @ kolejin'ny santa Chad lichfield any angletera sy tao @ insitut Oecuminique de Bossey any soisa.

Ny taona 1968 moa izy no notendrena ho presbytera tao @ santa laurent ambohimanoro ary ny 13 mai 1984 izy no nohamasinina ho eveka ny diosesin'antananarivo.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana moa ny prezida mivady sy ny filoha ny andrim-panjakana isan'isany! araka izany dia miandry izay ho voafidy ho eveka vaovao hisolo azy indray izany ny mpino anglikanina @ izao fotoana izao.

Jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

news2dago | 31/03/2008, 10:35

Tokinao => Mahafinaritra ahy mihitsy ny fanamarihana ataontsika toy izao midika izao fa omenareo lanja tokoa ity blaogiko ity!
ny hevitra efa mipetraka kosa aleo hiseho eo foana e! sa ahn! ahitsiko izao dia izao io diso io!

simp => mahazo manambady daholo ny rapresy ka!

Ny anglikanina anie tena karazana tetezamita ny finoana katolika sy protestanta e!

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

razaordira | 31/03/2008, 06:18

toa hoe "presbytera" (rapresy) hono no iantsoana ny mpitari-pivavahana anglikana fa tsy "pasitera" (rapasy). :-) Ny eveka kosa aloha eveka ihany kah.

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

simp | 31/03/2008, 00:57

:)
za nge manana stature evekable e

:-P

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

ikalamako | 31/03/2008, 00:38

ikalamako

hahaha hiiiiiiii
simp : hanao eveka ialahy ????
Aoka re marina e, ce serait la révolution avec "tes lunettes"

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

simp | 31/03/2008, 00:19

:)

za io e ;-)

tsy zany wa fa mba te ho eveka ny bandy e. Nefa otran'ny manja manambady...
... poinsa zany fa hifindra anglikana ah :)

ok

Tokinao | 31/03/2008, 00:04

news : tena tsy haiko ny lalànan'io fa misaotra anao nanamarika. Tsy ho @ry ho hain'i Tokinao daholo kosa ange izao rehetra rehetra izao e :-P.

ie. mahazo manambady ny pasitera anglikana 'ka. tsisy ahìnao ny amin'io raha te hanao pasitera anglikana i news (hanihany hihihi)

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

simp | 30/03/2008, 23:23

Toky,

tsy hoe "fafana" ve no marina kokoa

fafa-ana

:b:b:b

new2dago,
mahazo manambady moa ny pasitera anglikana?

ok

Tokinao | 30/03/2008, 22:51

Misaotra news a! ahitsiko kely ilay lohateny : "notsofin-drano" fa tsy "notsifin-drano" angamba no tokony ho izy hihihi

Maimaika izay i News teo ampandikàna. Mpahazo ny rehetra io e :-).

okay!

(mahazo fafainao ity hafatro ity raha mandratsy endrika an'ilay blaogy :-P )

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

news2dago | 30/03/2008, 21:01

Ikalamako => ie! ny toerana tsy maintsy hifandimbiasana e! mandalo ihany ny fiaina ny zanak'olombelona

Re: Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana

ikalamako | 30/03/2008, 20:58

ikalamako

dia efa antitra tokoa izy io kah, hay izay vao nisotro ronono ?!
Sady nahavita be teo amin'ny sehatry ny eokomenisma izy.
Mba haka aina amin'izay kosa izy izany koh ! Nahaefa be teo amin'ny sahan'ny Tompo.