Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Notsofin-drano hisotro ronono ny Eveka ny Anglikana | Main | Ady @ fingitrihan'ny mpiasa! »

Anjara-biriky @ "Aza ampijaliana ny tenintsika"
2008/03/31,13:40

Tena faly be mihitsy aho nahita ity hevitra natolotrareo eto @ tontolon'ny blaogy ity. Mahavelombolo izay no azo ilazana azy angamba satria tena mbola tafapaka tsara ilay fianarana taloha tany an-tsekoly t@ taranja malagasy. Ary tena voninahitra ho anay mpitoraka blaogy @ teny malagasy mihitsy ny toy itony.

Koa ireto no mba atolotro ho antsika androany! ary hotohizana raha mbola mahita ao aoriana kely.

Ny manao vary amin'anana @ teny frantsay no voalohany tokony mba fadiana raha misy ihany ny teny malagasy mahasolo azy.

Manaraka izany dia ireto no mba henoko matetika diso tenenin'ny olona ary tohiny ny nataon'i pissoa tao @ blaoginy izy ity satria tsy mifakaiza akory fa mety adinony fotsiny ny nanoratra azy tao.

malagasy fa tsy oe gasy io dia tena mampalahelo mihitsy fa dia fiteny matetika.

tamiko fa tsy taminà na taminah

amiko fa tsy aminà na aminah

mavesatra fa tsy mazefatra

famataranora fa tsy famataranandro ity farany angamba mety azo asolo ny kalandary satria io no mifanakaiky @ kokoa.

ny hevitra hafa moa dia efa tapitra voalazanareo daholo fa izaho no somary tara ka ialako tsiny eto.

 

Hevitra

Comment Icon

Maintikely => ekena e! njy nga mahay be! ampianaro a

Posted by: news2dago at 2008/04/01, 20:13
Comment Icon

ilay miafara @ à lesy marina an!
elà anga tsy mahay tenim-paritra?
Rehefa hiteny amiko ry zareo dia aminà na aminakà

Posted by: maintikely at 2008/04/01, 17:36
Comment Icon

tokinao => ekena e! samy mety daholo izany! na malagasy na gasy

lap => mbola ho lava ny lalao e! vao mieritreritra lalina indray oe inona indray ny teny filazan'ny olona diso

Posted by: news2dago at 2008/04/01, 10:34
Comment Icon

Sarotra ihany mampiasa an'ilay "malagasy" indraindray kle : kisoa malagasin'Ambohimanarina, mofo malagasy, ...

Posted by: lap at 2008/04/01, 10:07
Comment Icon
Tena marina io lazain'i Maintikely io hoe tsy diso ny taminà sy aminà. Hoy ny Betsimisaraka hoe: "Nindram-bôla taminà izy." na koa hoe "Aza atô aminà."
Posted by: Su at 2008/04/01, 09:57
Comment Icon

dotmg,
ny anglisy no nindrana tanY @ arabo, dia isika nindrana tanY @ anglisy momba ilay alimanaka sa samy niara-nindrana tany doly? :)

Toky,
misy koa ny hoe gasy ka manja :P
mirehareha fa gasy ;-)

Posted by: simp at 2008/03/31, 23:59
Comment Icon ok

Misaotra news2dago a!

Momba ilay "malagasy" sy "gasy" indray : toa samy marina daholo ireo 'ko.

Ny "malagasy" tokoa no mihaja kokoa. Ilay "gasy" indray, raha ny hevitro dia fiteny andavanandro ("courant"). Fa raha ny fahalalàko azy dia samy ofisialy izy ireo :-).

Sa misy antony hafa tsy itiavanao an'ilay "gasy". Indraindray manko ilay hevitra ambadika no tsy itiavan'ny sasany ny teny iray.

Misy milaza ohatra fa ny hoe "malagasy" dia avy amin'ny hoe "mal gaché", sns. Misy koa ny mieritreritra fa ratsy ny "gasy" satria haintsika ihany izany hoe kalitao vita "gasy" izany, ny fotoan-"gasy", sns

Fa raha izaho manokana dia mieritreritra fa kanto avokoa rehefa teny gasy. Tokony hirehareha isika satria manana voambolana maro, ary tokony hiezaka koa isika mba hanome lanjany an'izany : ny mpanao asa tanana hanao ny asany ho tsara mba hahatsara laza ny "vita gasy", tsy raharahintsika izay heverin'ny frantsay momba ny hoe "malagasy" (ny fanaratsiana tsy maintsy misy foana. Fa ny azo tenenina dia tsy ry zareo no manome anarana antsika hoe malagasy satria talohan'ny nahatongavan-dry zareo dia efa malagasy no niantsoana antsika).

Posted by: tokinao at 2008/03/31, 20:45
Comment Icon

Jogany => ataovy rohy marobe ao @ blaoginao e! enao anie tena mpandika teny ikohizana e! lol!
satria mila ampitaina @ hafa ihany koa oe tsy mahantra isika fa manana ny tenim-pirenena iraisana fa tsy toy ireo firenena hafa!

Posted by: news2dago at 2008/03/31, 19:50
Comment Icon

ary mety ho lava bemarina ity lalao iray ity .azo mbola atao hoe lalao vé ? izaho aloha dia mankafia be an'ilay izy satria mianatra isin'andro sady mamaky blaogy no mianarta...milay!
Misaotranare rehetra fa mety mavita manoratra lohantsoratra tsara tsy faha disoana.(sans fautes)

bises

Posted by: jogany at 2008/03/31, 18:38
Comment Icon

Dotmg => misaotra @ fanamarihana

Posted by: news2dago at 2008/03/31, 18:20
Comment Icon

Hmmm, nisy diso ny nosoratako teo, Malagasy no tokony ho nosoratako fa tsy malagasy, satria nanondro ny vahoaka Malagasy aho.

Ankoatra an'izay, toa manana voambolana avy amin'ny fiteny arabo isika entina ilazana ny "calendrier", dia ny alimanaka.

Posted by: DotMG at 2008/03/31, 16:32
Comment Icon

Famantaranandro no izy fa tsy famataranora na famataranandro, raha ny dikan'ny "montre" amin'ny fiteny frantsay na "watch" amin'ny fiteny anglisy no resahina. (Aza adinoina ny n). Tsy mifanalavitra amin'ny malagasy ny andro sy ny ora. Ohatra: hariva ny andro, mitataovovonana ny andro, ...

Tsy misy faingo mihantona manasaraka ny fanoratra azy fa mitambatra tsara. Toy ny fanoratra ny hoe solosaina (fa tsy solon-tsaina na solo-tsaina), dia toy izay koa ny famantaranandro eto, tsy midika hoe famantarana andro izy, fa efa nampivadiana ny famantarana sy ny andro ka lasa midika hoe "montre" izy.

Posted by: DotMG at 2008/03/31, 16:29
Comment Icon
popeygirl => malagasy lesy fa tsy gasy a! ikalamako => tsy misy fisaorana e! tsikisariaka => ie tena vary be akotry tokoa e! maintikely => diso lesy io a! tsy misy teny malagasy miafara @ h na à izany!lol pissoa => tsy misy fisaorana e! hiezaka raha tratra e! izaho koa anie no tena mpandiso ity teny malagasy ity e! tena tsy afenina mihitsy ary tena mahamenatra mihitsy indraindray! soa ihany fa mba manaiky ahitsy fa tsy be mokondoha e!
Posted by: news2dago at 2008/03/31, 16:18
Comment Icon

Misaotra new2dago a ! Ny ahy io ovaiko isaky ny mahatsiaro ka. Antenaiko koa ianao hanao toy izany fa mbola ela vao tapitra ny lalao. :)

Posted by: pissoa at 2008/03/31, 15:36
Comment Icon
fa matsiro ny vary amin'anana !!! sady vary amin'anana asiana hena vao mainka tena tsara hozy simp :-)
Posted by: ikalamako at 2008/03/31, 15:08
Comment Icon

Ilay taminà sy aminà io anie ka fitenim-paritra e! fa tsy hoe diso akory...

Izy ity tokoa moa izany teny malagasy ofisialy no resahana, sa ahoana tokoa 8-)

Posted by: maintikely at 2008/03/31, 14:49
Comment Icon

Averiko foana fa tena VARY BE AKOTRY no filaza azy (ny fitenenana na fanoratana teny vahiny ao anatin'ny fehezan-teny amin'ny teny malagasy fa tsy vary amin'anana ry News2dago a ! ny vary amin'anana mantsy dia sakafo tsara ary fihinana daholo tsy misy anesorana fa ny vary misy akotry dia tokony esorina ny akotry !

Posted by: Tsikisariaka at 2008/03/31, 14:47
Comment Icon

misaotra lesy e !

Posted by: ikalamako at 2008/03/31, 14:43
Comment Icon tsisy

zay mitsy ka marina zany é!!
hafa ihany ny teny gasy!!
=)

Posted by: popeyegirl at 2008/03/31, 14:09
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype