Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Anjara-biriky @ "Aza ampijaliana ny tenintsika" | Main | Faty olona mikararana! »

Ady @ fingitrihan'ny mpiasa!
2008/04/02,12:36

Tena lalina ny fahaizan'ny zanak'olombelona ankehitriny fa tsy misy tsy vita ny electronique sy ny informatique @izao! ny mpiasa moa dia somary manahirana ny manaramaso azy rehefa oe ho any @ dokotera na ostie izay fa raha tokony mba vita adiny iray na roa ny dia makany dia lanin-dry zalahy any ny azy ny tapakandro ny sasany aza moa dia ny tontolo andro mihitsy.

Asa tokoa na efa nifanaraka ny mpampiasa sy ny dokotera ny ostie @ izy ity fa dia tonga eto madagasikara tokoa ankehitriny itony karazana karatra mitahiry ny mombamomba anao rehetra ohatra ny abehana karapanondro ilay karatra asa mety mbola kely aza! dia ao daholo e! afaka mitahiry ny ora nahatongavanao ao @ ostie sy ny ora nivoahanao tao ihany koa, ny fanafody nomena anao, na ny aretina mahazo anao, na ny andro hakanao aina kely ka afahanao tsy miasa dia voatahiry ndry zalahy ao avokoa.

"Natao izao fomba manarampenitra izao": hoy ity sefon'ny dokotera eny @ ostie vaovao eny tanjombato ity mba ialana @ ilay fotoana lany @ fakanesana aty @ ostie! etsy andanin'izay dia misy azy ry zalahy mpingitrika indrindra fa ireo mpiasa @ orinasa afakaba ireny fa dia tsy misy fika intsony ny fanaovana kilavaka.

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA KELY ALOHA

Hevitra

Comment Icon

Miandry ny tohiny é!

Posted by: DadaRabe at 2008/04/05, 00:37
Comment Icon

Tokinao => ie maharaka mihitsy kosa alo ny malagasy e!

Simp => tena marina mht izany lazain'i simp izany angamba mba vita aloa ny taratasy atao any @ firaisana sy ny toerana hafa toy ny ao @ domaine sy ny topo izay tena mampijaly ny maro tokoa

Posted by: news2dago at 2008/04/03, 10:40
Comment Icon

Miankina @ situation fa le cadre lehibeny koa no manao laisser- aller matoa izy afaka maka tapak'andro tontolo izany...
Tsara aloha rehefa misy fivoarana otr'zany eee. Ny fonktionera no tokony hampiasa azy voalohany :)

Posted by: simp at 2008/04/03, 00:25
Comment Icon ok

Tsara be kosa aloha izany fanarahantsika fivoarana izany e!

Posted by: Tokinao at 2008/04/02, 19:04
Comment Icon

tsikisariaka => ie mampiezaka aloa ilay izy e! sady isika efa zatra ny gaboraraka taloha dia ny miala @ io no tena manahirana ny sasany

Posted by: news2dago at 2008/04/02, 15:00
Comment Icon

tsara kosa izany ko ! izaho aloha dia tena tsy tia an'ireny olona mpanaraoraotra ireny e ! aiza tokoa moa ka adiny iray no ao amin'ny dokotera, ampiana ny adiny iray ny fandehanana mankany mandroso sy miverina dia tapak'andro ny sasany any ihany. Ho an'izay tena K.O. aloha tsy omen-tsiny e ! miampy repos aza iny ko !

tsara ilay système ka ! amiko aloha izay an !

Izaho efa niasa tany taloha dia ilay pointage eo am-bavahady raha vao miditra dia marina mihitsy ny ora voalaza saingy izao, ireo minitra mitambatra amin'ny fahataràna dia alaina aminao rehefa tonga ny karama. Tsy maninona aloha fa mampiezaka e !

Posted by: Tsikisariaka at 2008/04/02, 14:48
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype