Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Ady @ fingitrihan'ny mpiasa! | Main | vaovao nisongadina androany »
Tena maloka iny herinandro lasa teo iny satria dia maro laotra ny olona niaramboina teto @ firenena raha tsy hilaza afatsy ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14 tao anatiny indray mipimaso monja! efa voatatitra teto ihany moa izy ity any @ bologana sasany any! tany @ iny lalam-pirenena faha 7 iny no nitranga ny loza ary voalaza fa fiara nifanejika no fototra niavin'ny loza ka ny hafa tsy manantsiny no mamoy ny ainy avy eo! "tokony ho saziana @ sazy izay farany henjana izay nahavanon-doza": hoy ny praiminisitra.
T@ sabotsy indray dia ny varatra no namono olona! ary tena azo lazaina fa varamaina tokoa ilay izy ary tena hita sy heno ho mahery vaika be izany satria dia tsy mitsahatra midoboka mihitsy! ny alin'ny sabotsy hifoha alahady moa no nitrangan'izay oram-baratra niampy havandra be efa hitovy @ totohondry tany @ faritra sasany teto @ nosy. Vokany, olona 3 no indray maty nolatsaham-potaka t@ toerana samy hafa teto antananarivo.
T@ iny herinandro iny ihany koa no nahitana tranga hafahafa satria dia ankizy kely 5 manodidina ny 5 ka h@ 12 taona eo no voarohirohy ho namono nahafaty ny ankizy kely iray namany izay vao 8 taona monja! voalaza moa fa natosika tany anaty rano itsy farany ary lasa nitsoaka ry zalahy avy eo! ka nokarohana nanomboka ny alakamisy ity zaza ity ary tsy hita raha tsy ny sabotsy! efa eny @ fampanoavana moa ny raharaha @ izao fotoana izao! ka andrasana izay ho tohiny ny raharaha.
Nifandona ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana sy ny polisy kaominaly ny sabotsy lasa teo torabato no nasetrin'iretsy mpivarotra ny polisy raha nikasa ny hanaisotra azy ry zareo ao @ kaominina! ny naratra no nisy aloa fa ny maty kosa mba tsy nisy tao aorinan'ny fifandonana!
Vaovao farany kosa dia nihazo an'i berlin androany ny filoha ravalomanana ka andrasana fatratra izay vaon-dalana ho entiny avy any! ary andrasa ihany koa izay mety ho tohin'ny ady seza eo @ antoko tim izay mifandrirotra te ho prezida ny senat avokoa ireo ngeza lahy eo @ ity antoko lehibe ity!
Helisoa => misaotra nitondra fanazavana momba ny fahasimban'ny tontolo iainana!
fanampiny fotsiny dia oe tsy nisy nahafatarana azy intsony ilay zaza nolatsaha-potaka t@ iny fotoana iny!
manomboka ny alakamisy izao indray dia hisy ny oram-baratra hoy ny mpamantatra ny toetrandro
Momba ireo zaza nisangy kosa dia heno izao fa nelefa eny @ zaza maditra ny iray t@ ireo mahery setra! omeko eo ihany ny tohiny rehefa mahazo aho
Mamangy,
misaotra an'i news2dago manome vaovao tsy tapaka !
Ataoko fa retsika rehetra sy niainan'ny olona maro izay ny vokatry ny varatra !
Fa hevero hoe mianjera ambony bozaka maina ireny !
Dia io anisany vokatry ny doro-tanety !
Tokony tsy ho gaga intsony isika satria mipaka any amin'ny mponina izao ny vokatry ny fanimbana tontolo iainana ato amintsika !
Rahefa ngazana tsy misy hazo dia mianjera amin'ny zavatra kely eo amin'ny tain-gazana ny varatra (olona, fiara, sns...) !
Ary ny oram-baratra milatsaka avy eo dia loza tsy misy toy izany satria mipoaka izay azony entina avokoa ! Na olona aza !
Koa ny tany any amintsika tsy misy fakan-kazo mitana dia lasana fotaka mandrevo sy mandetika ny olona (coulées de boue)!
Vao manomboka e !
Mampahery antsika !
Dadarabe => tsy dia misy hifandraisany loatra fa mba mila za izay vaovao misongadina fotsiny aho mba tsy ho tara isika mpiblaogy e
Henjana koa ireo vaovao voalazanao ry news2dago. Ny irariana dia ny hoe ho lasa anie ny ratsy !
Ny filohaam-pirenena kosa ho any Berlin. Msy hifandraisany ve :-)
simp => tena marina io! mahay zavatra ny gasy an
somary HS kely an
Fa any Ambato ony misy olona afaka mandatsaka havandra sy varatra ?
coincidence ou joincidence :)
jentilisa => mibebaha fa efa ho avy ny farany!lol
lehilahytsyresy => tsy efa mahazatra ve io e! miandry fa gasy.
tsikisariaka => tena lalina tokoa ny fahasahin'ireto zaza ireto e! nisangy ho nanao tolona oe ry zalahy dia notsindriny tao anarty rany ilay namany ireay dia tsy nipoitra intsony ilay io vao rifatra nandositra ry zalahy!
Izaho dia nisy toy ny afo mihitsy teo alohako tamin'iny asabotsy alina iny. Izany aho no nijanona mihitsy noho ny hagagana
Dia miandry voan-dalana avy any Berlin izany isika e.
pissoa => lol! aleo ve ho potika ao! hi hi hi
tena henjana le toetr'andro marina e! mamay be avy eo tg de oram-baratra be zany!
Aleo hisy faty sy velona eo ry ngezalahy e lol.
Namely mafy izany ny havandra tamin'ity. Omaly aho nahare vaovao hoe mila hoe 1/3 an'ny vary sisa azo nalaina tany an-tsaha tamin'ny faritra iray fa nahintsan'ny havandra teny an-tanimbadry tamin'ny Alarobia ny vary :(
ikalamako => tsy misy hisaorana e! natao adidy ity mba ahafahantsika any dilambato any ny vaovao misy eto antoerana e!
misaotra hatrany amin'ny fampitam-baovao ry news2dago an !
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |