Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Faty olona mikararana! | Main | Misy miketrika rotaka eto! »

vaovao nisongadina androany
2008/04/09,11:11
Efa notanteriko teto ihany ilay tranga iray teny andoharanofotsy, mikasika ilay zaza voalaza fa maty an-drano novonoin'ireo namany! ka tsy hita popoka izy io nanomboka ny alakamisy oe, omaly anefa dia nisy zaza nirenireny hita teny Tanjombato ary heveriny fa itsy zaza voalaza fa maty itsy io hita omaly io indray! mifamahofaho be ihany araka izany ny vaovao azo! kanefa dia efa nalefa eny @ zaza maditra ny iray t@ ireo nisangisangy ratsy t@. Andrasana indray araka izany izay mety ho tohiny satria tsy hanaikinaky foana ireo ray aman-drenin'ilay ankizy nalefa eny @ zaza maditra, mbola hitohy ny tantara ary ho tanterina eo ihany ny tohiny. Ny nahafinaritra fotsiny aloha dia tsy namoy ny ainy ilay zaza fa very izany izy raha ny tena marina satria vao haingana no tonga teto antananarivo fa avy any fianarantsoa ry zareo ka hianatra aty antananarivo no tena antodihany aty ary mipetraka @ rahavavin-dreniny izy aty.

Nahemotra @ 27 avril indray ny fampisehoana ataon'i Rossy noho ny andron'ny 20 avril izay anaovana ny fifidianana ho senatera. Marihina fa maro no mimenomenona @ ity fepetra noraisina ity satria hono tsy mahakasika afatsy ny mpifidy vaventy ity fifidianana izay ho loholona ity.

Nodiovina avokoa ireo tsena fivarotan-kena teto andrenivohitra nanomboka ny alatsinainy teo satria dia maro loatra tato ato izay ireo olona maty t@ fihinana hen'omby! ary koa be loatra ny gaboraraka misy @ fivarotana ny hena kisoa satria dia hena misy vaovary no amidy sy aranty eny an-tsena eny. Asa anefa raha handresy lahatra ny mpanjifa izao fepetra izao ny tsapa aloha dia nihena ny fividianana hena eny akalamanjana e! mahazo vahana indray izany ny eny @ grande surface.

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon Bonjour !

Mba nandalo teto ka dia mamela soritra è !
mahafaly ny nitsidihana tato ka dia mahereza !
bonne soirée !
bisous !

http://jachery5.blogspace.fr/home/

Posted by: Hery at 2008/04/15, 22:29
Comment Icon

tsy nety nga ra tao @ ilay trano fampisehoan'i Rossy no nasiana biraom-pifidianana kely eny @ sisiny...
any @ trano fidiovana ohatra :)

Posted by: simp at 2008/04/10, 01:05
Comment Icon

mba te-hijery fampisehoana kosa angamba ny mpifidy maventy

Posted by: Rajiosy at 2008/04/09, 23:22
Comment Icon

Mety nitsangana tamin'ny maty le boay kely (looool).

Fa nahoana kosa no nahemotra ny Rossy raha tsy hifidy akory ny daholo be ... ?

Posted by: pissoa at 2008/04/09, 21:03
Comment Icon

lehilahytsyresy => tsy misy fisaorana e! tena izay mihitsy no nitondrana ilay resaka h@ voalohany!

Posted by: news2dago at 2008/04/09, 21:00
Comment Icon zaza tsy-maty an-drano

Raha azoko tsara izany dia noheverina avy-hatrany hoe maty ilay zaza voalaza etsy ambony io hatrany amboalohany na dia tsy nisy fatin-jaza (cadavre) hita akory aza.
Nony avy teo vao hita hoe hay mbola velona nirenireny tany ilay boay kely. Loza tokoa izany. Soa ihany fa mbola hoe "nalefa teny amin' ny zaza maditra" fotsiny ny sazy azon'iretsy mpisangy-mahery. Raha izany angamba no olon-dehibe dia asa fotsiny. :-)
Misaotra an'i news2dago milazalaza vaovao eh. Mankasitraka.

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/04/09, 20:47
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype