Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« vaovao nisongadina androany | Main | Tsy raikitra ny tapôlaka »
Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.
Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!
Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!
Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!
dadarabe => izay mihitsy ny marina e! aleo aloa hilamina fa ratsy ny mikorotana.
Simp => io ilay antsoina oe demokrasia afrikanina ry simp a! rehefa miara misosy tsy olana fa raha vao mihinandrery dia wawa be.
Ny irariana ry News2dago dia ny ilaminan'ny tanàna fa efa be izay korontana izay
:)
t@ ry zalah tao zany nangina fotsiny izy fa rehefa tsy ao tsony izy vao miwawawa...
zany ve tsy alehelon-kanina/seza le? :)
ikalamako => Dia miandry e! mandeha be ny resaka ankehitriny satria misy mikonokonona korotana any ho any! ary rossy anie lehibe ny bemiranga taloha e! ka mety anisany tsy hapoinsa an'io seho sehatra io mihitsy!
jentilisa => Izay mihitsy ilay izy e! mpiray tsikombakomba matoa tsy sahy milaza ny marina hatrizay
news2dago a ! ary toa tena tsy raikitra intsony ilay rossy kle !
mba bordel koa amintsika ao zao zalahy !!!
Ireny fomba fitenin'i Lecacheur ireny no vao maika manimba nyfitokisana ny mpanohitra. Amin'ny fotoana isian'ny zavatra no fotoana mety ilazana azy indrindra fa tsy hoe aty aoriana ela be.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||