Asa na dia ota inona laotra no nataon'i rossy izany t@ ireto mpitondra ankehitriny fa tsy mbola fotoana tokony hanaovany seho eto madagasikara hono izao noho ny antony iaraha mahalala!!! inona anefa io antony iaraha mahalala io? misitery izany anaka!!! raha izao manokana aloa tsy mahafantatra koa e! Mametram-panotaniana ihany oe misy korontana ve eto sa misy fanoganam-panjakana sa misy mikomy? Ny heno fotsiny avy tao @ minisitera ny kolontsaina dia ny oe misy hifandraisan'ny 2002 hono ilay izy! isika anefa efa aty @ taona 2008. Dia tsy misy azo hifandeferana mihitsy eto izany fa rehefa mpifanandrina fahiny dia fahavalo mandrakizay! aiza ilay fair-play e! dia izao mihitsy ilay demokrasia afrikanina porofo azo tsapain-tanàna mihitsy.
Maty antoka be hono ny media consulting t@ io fikarakarana ny "ino vaovao tour 2008" io na ny fitsidiam-paritany ataon'i Rossy satria nofoanana avokoa ny fifanarahana rehetra. Asa raha mba honeran'ny fanjakana izany fatiantoka izany na tsia, satria dia roa herinandro mialoha ny seho no nandraràna ny hanaovana ny lanonana. Mbola tantàra mitohy ny @ iny.
Managam-peo ihany koa ny federasiona milaza fa mpiaro ny zon'ny mpanjifa @ fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny ary betsaka ireo tolon-kevitra naroso hisoroana ny fiakaran'ny vidim-piainana ary misongadina @ ireny ny famerenana ny karatra isan-dahy hanalefahana ny fandoavam-bola eny @ hopitaly hono, kanefa efa hiarana mahita fa na ny vola raisina @ TAFITA isan-taona isan-taona aza tsy hita oe lasa aiza na lasa aiza avy eo. Izany ve tsy oe rano atondraka an-damosin'ny ganagana fotsiny. Ireto ny santionany @ vidin'ny PPN: 1kg vary dia 1000 Ar, ny menaka Tiko 1L dia 2000 Ar, ny sira 1 sachet milanja 200gr dia 120 Ar, ny laoka moa dia 6000 Ar ny kilao na ny hena kisoa io na ny hen'omby, ny vary 1/2plat eny @ vary mitsangana dia 700 Ar. Ny saran-dalana moa dia 300 Ar. Asa mety azontsika sary an-tsaina angamba ny fahorin'ny malagasy ankehitriny, raha olona mikarama 50.000 Ar ka manofa trano, ary manan-janaka mianatra, mandoa jiro ary tsy maintsy misakafo fara faharatsiny indroa isan'andro!!! ary tsy mahazo marary mihitsy satria mbola hafa ihany koa iny! Mijaly e, izay no hamehezana azy, lanja miakatra tokoa ny fiainana...
JEREO KOA ETO





13/04/2008, 20:47
ny Menaka aloha tsy 2.000 Ar Fa efa 4.000 ar zao e, efa hainareo rehetra ihany io afera Rossy io e, Ze tsy TIM eto amin'ny Tanana de tsy maintsy mifafa ny kihony, Ry Ainga sy Tempo gaigy ihany no mahazo ranondranony eto satria ireny no mpanao propangady sy kandidà Tim, ny Senat koa zao tsy maintsy ho TIM daolo, ny Vola moa iny efa TIM rahateo ny 10.000 Ar. Lolompo diso tafahoatra ny an-dravalo (Hitler gasy, ny mahazo an'i TGV aza mo efa tsy hita resahana intsony fa soa ihany fa sendra ny mahay azy ravalo t@ iny (TGV), koa ianareo izay mieritreritra fa tahotry ny rotaka iny censuren' ny Rossy iny, de zah aloh manahy be loatra aho fa noho iny annulation iny de ho rotaka ny eto @ tanana
12/04/2008, 10:01
fehiny ho an'i Jogany, Rajiosy => Soa fa nisy ny blaogy hiresahana ny ato am-po fa raha tsy izany asa fotsiny oa...
Maintikely => io mihitsy ilay TAFITA e! misaotra @ fanomezana hevitra
12/04/2008, 06:34
Hotran'ireny soap opera ireny, na Marimar aza mbola misy tantara vaovao.
Ary izaho tsy nanfatatra fa efa mandeha be ny recyclage ...de concept, de censure, de terreur any dago...
et après on en veut aux chinois de faire du foska alors que nous sommes les rois du réchauffé
12/04/2008, 00:26
miombon-kevitra @ simp aho fa rehefa vakiana ny tora-blaoginareo mbakan-dry jentilisa dia hita mazava fa misy fahasorenana @ hasarotam-piainana. efa nihetsika ny maro tany Afrika ka tsy gaga aho raha anatin'ny volana vtsy hihetsika koa ramalagasy. "émeutes de la faim" no iantson'ny gazety vazaha an'ilay izy. tsy gaga aho hoe te-hanolo mpitondra ianareo satria angamba hisy ny fahagagana amin'izay. tsy gaga aho raha avy mi-saofisaofy mitapôlaka iny ramalagasy dia handeha hanala azy any an-tanàna, hanapotika kely kalongany rehefa tsy hisy ihany ny atokona.
koa aza manam-be izay asolonareo an-dra8 ao fa vao fanombohany fotsiny izao fahasahiranana izao fa toa ho mafy lavitra ao aoriana ao (na miova na tsy miova mpitondra io an).
jereo koa any @ blaogin'i vaomiera fa misy resaka momba ny vary.
mahavalalanina e !
11/04/2008, 22:12
tsy hita e! fiainana daholo izany! nahoana kosa moa nareo no ahita tapolaka gilady dia izahay hitsiriritra fotsiny!hihihihi laingako izany
simp: TAFITA= tahiry aina ho an'ny fanatanjahantena sy itsinjovana ny tanora na fonds national pour la promotion et le développement de la jeunesse et des sports
Raha tsy diso za dia ny taxe @ sigara sns any amintsika milatsaka ao @tafita daholo raha tsy efa niova ny lalàna.
11/04/2008, 14:36
Tsikisariaka => ie mety le mpanakorotana tokoa e! sady efa manomboka lonilony @ mpitondra ny vahoaka n'iarivo ka mety tsy ho voafehy ra vahoaka be no mirotaka eo
11/04/2008, 14:36
Ny mpikarakara mety voagidraka, ny kôminina voatrerona... mazava ho azy iza no mitrerona fa ny fehiny dia ity farany ity no matahotra fa raha i Rossy sy ny mpankafy azy tsy te-hitsoaka ady akory sanatria ary zanaky ny mangotraka ka tsy matahotra ny mangorovitsika hono e ! dia miandy aloha fa gasy, ho hita eo ihany izay tohiny fa ny aina hono no matezà ! Ny fahamalinana sakelehina hatrany.
11/04/2008, 14:33
Ny fahitako azy dia tahotra ranofotsiny ! ilay hoe 'symbole' eo ihany fa ny azo antoka dia mahazo olona be dia be izy ka na dia tsy mifanindry amin'ny 'sénatoriales' intsony aza dia atahorana hisy 'bavure' e ! Ny mpanaraoraotra tsy ferana rahateo. Ka na mafy aza ny te-hanala azy dia aleo ihany mitandrina ka !
11/04/2008, 14:06
Simp => le tafaita dia karazana tahiry natao hanampiana ny fanantajahantena ary alaina avy @ hetra azo @ fivaroana toaka sy sigara ary ny loka toy ny pmu sy ny sisa! ny minisitera ny kolontsaina sy ny fanatanjahatena no miahy azy mivantana!
marina mihitsy eo fijerin'ny simp io @ le resaka rossy!
Ikalamako => ie misy lolom-po mihotrika mihitsy ao e!
Farany dia nindina an-dalambe tokoa i henry lecacheur andrasana fatratra izay ho tohiny
11/04/2008, 13:43
Tsy resaka lolom-po(.) kosa angamba izany fa tratran'ny le conjoncture hoe misy mitady hanao rotaka eee, transition ee... dia mipanika rafanja. I Rossy manko otran'ny symbole an'i Deba ihany...
phenomene manerana an'izao ntontolo izao ngamba le fiakaran'ny vidim-piainana... indrindra ny vary...
in le TAFITA kay?
11/04/2008, 13:21
be lolompo tssss !
Fezaka daholo izany izany rehefa atao ny kajy...