Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Tsy raikitra ny tapôlaka | Main | Mirongatra ny sakan-dalàna »
Tena henjana ny lalao e! raha kilalao baolina kitra izy ity dia mety ho maro maro indray izany no hahazo karatra mena ato ho ato! raha tsy hilaza afatsy ny minisitra ny fanabehazana sy ny filohany federalista Henri lecacheur aho... eo ihany koa ireo mikonokonona korotana toy ny crn sy ny ny mpanara-dia azy. Ny ben'ny tanàna n'antananarivo moa dia tsy hita ihany izay hapoakany h@ izao milaza ihany koa izy fa voasakatsakana ka asa izay tena marina.
Ny vahoaka etsy an-daniny manohy ny fiainana andavanandro ihany, ary tena miady mafy mihitsy mba tsy hilazana oe mitrongy vao homana, na mpiasa miankina na ny tsy miankina moa dia efa samy leo sy lonilony @ fitondrana fa tsy afaka manoatra satria ny fanotaniana lehibe mipetraka dia ny oe iza indray no hasolo (Prezida) azy eo anefa! ny mpanohitra efa teo ihany ny ankamaroany ary tsy nahavita azy akory t@ izany fotoana!
Fa ny tena tiako ho tsindrina dia ity oe maninona ary no dia manangam-pahavalo @ manodidina azy i ra8 e! nisy tsy nifanarahana ve tao dia avy eo miady. Sanatria, ohatran'ilay kilalaonay fahiny ny raharaham-pirenena ankehitriny! saingy ity farany tena tonga dia fanagadrana no miantra an'izay mifandiso @ henjana fa tsy mba oe tsy ombonako intsony ela lol! Samy hotsarain'ny tantara eto daholo na iza na iza e! ny fiainana mitohy foana. Ianareo mpamaky no iriko hanohy izay hetahetanareo avy any.
heureusement aho tsy nifidy an'i8, heuresement aho tsy any, misy sipagasikely mahay vava izay tamizany manao hoe Izay tambanivohidahy ve no hatao filohampirenena? Izao dia izao ndray no fiteniny Izay tambanivohidahy ve de tsy voalanareo eo?
simp => to de sansAs contré ve lety? lol
Ny demokrasiantsika, ny fahantrantsika no tena olana... afaka manao ze tiany hatao doly ze eo @ fitondrana :)
Tsisy hifanomezan-tsiny zany fa mandroso tsikelikely isika...
ra8 ndray tena mafibe ny coco an'lery iny ka alao hanao fa ho tsarain'ny karatra eo ihany :)
maintikely => aza adino za rehefa tafita ela an! mahereza fa mey izany e!
tena manao jadona ihany lery e
Io ny ahy no averimberiko mazana hoe hadisoantsika gasy ihany izy io! isika rehefa mifidy dia entin'ny fo loatra dia avy eo diso fanantenana.
Ny olana faharoa koa dia ny olona ho fidiana sy azo hitokisana tsy misy fa ny eo ihany ny eo (mety hilatsaka za aoriana kely ao an! hihihihi)
tsy hitan'là hoe dictature ankolaka ve no ataony rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny dia efa tsy tiany?
lehilahytsyresy => ie! krizy iraisam-pirenena izy ity! fa ny tsy revin'ny olona anie dia ny mahita ireo mpitondra milomano ao antiny harena tsy hita nonoa e! aiza ilay fahaizana mizara izay nodradraina taloha oe hampanana ny tsy manana eeeeeee!
kobaka am-bava daholo!
Loza tokoa re ity fiainantsika eto ity; tena marina tokoa ny voalazanao.
Ilay circonstances koa sendrasendra nifanindry tamin' ity krizy ekonomika internasionaly ity kouh.
Natao ihany ny hoe hitaky fanovana, kanefa efa sendran' ny tsy-afa-manoatra daholo ihany anie isika rehetra e.
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||