Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Mety ho samborina ny Minisitra Radavidson!!! | Main | Tanànan'ny Filokana! »

Mirongatra ny sakan-dalàna
2008/04/15,12:07

Tantely amam-bahona ny fiainana ary semban-drahona indray ny mpanankato satria dia nodimandry omaly i Romule mpikambana ao @ kintana telo. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana izahay mpitoraka blaogy rehetra tsy ankanavaka! mahaiza mionona tompoko!

Vaovao hafa kosa dia mirongatra izay tsy izy ny mpanedaka eny @ lalam-pirenena faha 2 sy ny faha 4 iny eo anelanelan'i brickaville sy moramanga no tena matetika @ RN2 ary etsy Manerinerina Ankazobe kosa ny RN4. Avy dia atsivalan-drizalahy eo @ arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha @ fiara dia avy izy avy any an'ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny @ mpandeha. Miandry izay ho fihetsiky ny mpitondra mikasika an'izao tsy fahadriam-pahalemana izao.

Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana eny Ankatso ary manankan-dàlana ihany koa ireo mpianatra ny tena vontoatiny fitokonana moa dia tsy dia mazava loatra @ mpanaram-baovao! raha izao no mitohy dia tena andro sisa no isaina ho an'ingahy minisitra!!!

Milaza marary mafy eo am-pandriana kosa ingahy Henry lecacheur ka tsy afaka ny hanohy ny firotsahana an-dalambe aloha hatreto! marihana moa fa nisy nitifitra ny fiara noentiny t@ asabotsy lasa teo. Andrasa izay ho tohiny ny tantara!!!

Milaza ny ho avy eto Dago ihany kosa i Rossy satria toa tsy avy @ Filoha akory ny sakana tsy ahafahany manao ny seho kasainy atao fa avy @ Minisitera mpihay angamba! dia tena misangy ratsy koa ny ao Ambohinjatovo ao ka! ny baolina kitra ity tena bory tanteraka ny lohany satria mbola tsy mijoro ihany izay hitantana azy vonjimaika.

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon

Azafady fa diso fanoratra aho teo e. :-)
-fihetsiketsehana (fa tsy fihekiketsehana)
-otage (fa tsy aotage)

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/04/16, 02:42
Comment Icon fitokonana eny Ankatso

Toa tohin'ilay resaka assainissement des cités universitaires hono io fihekiketsehana ataon-dry zareo mpianatra ao amin' ny anjerimanontolo io e.
Toa nisy fakana aotage mihitsy aza knouuu...
Ity ny lahatsoratry ny gazety Tribune:
http://www.madagascar-tribune.com/Prise-d-otages-a-l-universite,6028.html

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/04/16, 02:40
Comment Icon

Simp => Tena ho avy mihitsy fa tsy vazivazy intsony ka

Ikalamako => Tena misy mihitsy e!

Posted by: news2dago at 2008/04/15, 14:36
Comment Icon

zay le noteneniko hoe akaiky ny fara andro :)

Posted by: simp at 2008/04/15, 14:25
Comment Icon

misy raha la tera !

Posted by: ikalamako at 2008/04/15, 14:14
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype