Tanànan'ny Filokana!
Manjaka indray ankehitriny ny fisarihina @ alalan'ny SMS na ny Short Message Service ho an'ireo mpikirakira ny finday eto madagasikara! samy mandrabiraby @ loka marobe daholo moa ireo mpamongady @ serasera an-telefaonina eto madagasikara ity.
Ny celtel no nanao izany voalohany t@ alalan'ny fialan-tsasatra iantohana tanteraka! maro no revo nanao an'io ary narahina mivantana t@ tvm ny fisarihina indrisy fa tsy ho hita ao ny laharan'ny finday-ko satria aho tsy nandray anjara! nefa mba te ho any venise sy parisy ihany ny tena! kanefa tsy mba mahazo mihitsy aho rehefa misy lalao toy itony.
Ny telma indray no nanao ny tolotra avy eo ka avy dia mahazo 1.000.000 Ar isak'herinandro izay tsara vintana! io ilay lalao antsoiny oe "million Naka"! mba nanadrana ihany aho t@ herinandro lasa iny fa tsy tao anaty lisitra indray koa e! dia naleoko tsy nanao intsony aloa!
Fa ny tena fakam-panahy be ho ahy ry zareo dia ity tolotra omen'ny orange ity e!loka voalohany mitsubishi sportero 4x4 ny faharoa suzuki alto ny fahatelo scooter dia mbola misy loka maro be ihany koa! tena mba manofinofy ihany ny tena oe sao mba mety ho poinsa kosa fa aleo manao ihany dia efa nandefa SMS iray aho zao androany aloa! na dia 1.000 Ar be izao ary ny sarany ny SMS iray. Mahay mitady vola ry zalahy e! tena hainy mihitsy ny mambabo anao @ izay kely foana mety ho jerenao oe rendrarendra kanefa dia voasariny ihany enao avy eo! Mahay ry zalahy ao @ marketing ao ary tokony mba hakarina kosa ny karamany rehefa hita fa voaverina ny vola ilaina @ ireo vidin-doka izay mitotaly any @ 300.000.000 Ar any ho any oe! raha ity tolotra orange ity fotsiny io! zany oe SMS 300.000 isa any no ilaina zany dia efa tratra ny "seuil de rentabilité"! dia mba handray anjara ihany aho aloa sao mba ho sendra sendra mahazo ihany kono! lakalaka mantsy ny fiainana hono.

Jogany sy fiogo => misaotra @ fanomezana hevitra
Fahitako azy hoe efa tena makafy miloka efa hatrizay ny gasy fa hoe zao ilay izy hotrany hoe "moderne" zany.
Hitanao ve ireny poker sy machines à sous mameno ny tanana ireny!?!
bref
n'aiza n'aiza miits io f'anga any ihany.Eto frantsa ohatra de misy isaky ny tv,vola no tena ataony de manao doly satri sarotra ny fiainana
Ka tena io indray angamba no bizn'ny operateur aty afrika e. Taty @ misy anay moa dia Jaguar be izao mihitsy ny loka ko. Efa nisy nahazo t@ herinandro moa ilay izy dia mijanona aloha ny lalao fa dia miandry ny manaraka indray e. Ny an'ny tena moa dia cd 1 izay no mba azo hi hi
Dotmg => aoka rangahy marina a! tsy ny lohateny fotsiny ve no vakinareo sisa fa tsy handany sosy @ ze blaogin'i news2dago nareo! ny la gazette ary zao ao efa manetsetra mihitsy oe fa tsy misy mpividy kano! le en ligne io lazaiko io!
ikalamako => misaotra @ le fanazavana e! tena lasa rendrarendra sisa ny fiainana zany kano sa ahn?
aty hatramin'ny isan'ny baolina mety hiditra isaky ny match hanaovana tsapa-vintana : totocalcio no iantsoany azy. Iaho moa sady tsa manao baoly no tsa manana vola hariagna da tsa mahay fandehany loatsa !
korsa soavaly ihany ny sweapstake de Madagascar, dia iray hetsy na roa hetsy ariary no loka azo tamin'izany. Nefa eritrereto hoe sandam-bola tamin'ny taona 70 izany an.
Dotmg : Tsy ny gasy irery fa aty koa izao dia betsaka mihitsy no mitsapa vintana amin'ireny lalao ireny - ny hamafin'ny fiainana angamba ? - dia tsapaina ihany ilay vintana sao mitongilana tampoka sitrany ahay tsy mifofotra tsy mively vy fa argent facile e !
Pazzapa aza ry akama tsisy loka ho an'ny mpijery fa vola ariana fotsiny maro dia maro ny mpandray anjara koa. Andramo ange ry news2dago hoe asiana code ny fahafahana mamaky ny blaoginao, dia mila mandefa sms any @ 032 32 00 NEWS2DAGO maka an'ilay code (sarany: 400Ar), fa minoa ahy fa mba hahavoa gasy ihany koa ianao e!
Ilay mandany vola mihitsy no tena fahafinaretan-dRamalagasy. Ny vola misy fa ny hampiasana azy no ...
lehilahytsyresy => mbola misy ireo pmu sy 6/36 ireo fa efa arakin'ny kil de tsy de mande firy intsony e!
ikalamako => tena mba tsy henoko io fa azonao tantaraina ve oe inona no atao @ izany
lehilahytsyresy : tamin'ny andronay " Iray hetsy ariary, sweapstake de Madagascar, roa hetsy ariary, sweapstake de Madagascar", izany foana ny pibilisite henonay tamin'ny radio :-D
koay koay koay ! Loka goavana tokoa izay izany ! Lalao finday indray izany izao no solon' ny lalao koursa soavaly (PMU) sy ny loto 6/36 tamin' ny andronay fahiny :-) hihihi