Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Tanànan'ny Filokana! | Main | Chinatown in Tana »

Ino vaovao Tour
2008/04/18,14:19

Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.

Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?

Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.

Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.

JEREO KOA ETO

 

 

Hevitra

Comment Icon

Tiako aleha daholo izay ataony eto Iarivo fa miandry permisô koa e ! hi hi hi

Posted by: tsikisariaka at 2008/04/19, 15:45
Comment Icon

Ho any mihitsy aho ary efa mieritreritra déguisement ! raha mba fantatrao mantsy. Ho any ianao ?

Tsara be ny meditasiô an'ikalamako !!!! amin'ilay "eny"

Posted by: tsikisariaka at 2008/04/19, 15:44
Comment Icon

tsikisariaka => hijery tapolaka ve enao?

Posted by: news2dago at 2008/04/18, 17:04
Comment Icon

okay. mankalaza e !

Posted by: tsikisariaka at 2008/04/18, 16:51
Comment Icon

ikalamako => lol

Posted by: news2dago at 2008/04/18, 16:06
Comment Icon

"inona ny vaovao manerana ny tany ?
Meditasiô !"

raha mbola mihira an'io ry sareraka dia ho toa izao ny tohiny :

"Niverina avy any Alemaina ny Prezidà Ravalo dia tonga eto Madagasikara koa ny tarika Rossy"

"Tsy afa-mianatra ny zana-piangonana fa misy manao didi-jadona ny vavahadin-tsekoly"

"Meditasiô"

:-D :-D :-D
tsy hay raha ambara rô !

Posted by: ikalamako at 2008/04/18, 15:44
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype