Chinatown in Tana
Dia mahita atao mihitsy ity media consulting ity ka, hainy mihitsy ny mitady vola izay no azo ilazana azy, satria dia ho entiny etsy @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena indray izany ny vokatra vita sinoa manomboka ny 24 aprily ka h@ 27 aprily ho avy izao! tsy ho latsan-danja @ io zany fa afotaka ny fihinana lasopy sinoazy sy ny tsatsio kano! manginy fotsiny ny telefonina finday sy ny "menuiserie en aluminium" na ny rafitra vy ranty!!! izay tena kapoakany tokoa, eo koa my moto sy scooter sy ny maro hafa... enga anie ka mba izay tena raitra no omeny ny mpanjifa @ ity indray maka ity fa tsy ilay mora simba mampalaza ny sinoa ihany koa.
Hivoaka ato ato ihany koa ny moov 3G+ tolotra vaovao omeny ny mpamongady aterineto voalohany eto Madagasikara na ny MOOV izany. Afaka mampiasa azy ity avy hatrany moa ianao fa tsy misy ny atontan-taratasy be ilaina akory. Karazana "Clé USB" izy ity ary azo antoka fa misy irony "puce" kely irony atsofoka ao anatiny dia zay! afaka manome "debit" hatrany @ 384Kbps izy ity, raha 256Kbps ny tolotra telma sy ny orange net! mafinaritra fa afaka mifidy izay tiany ny mpanjifa ary tena tokony mba hidina ihany koa ny sandan'ny aterineto!
Hamokatra simenitra ihany koa etsy Ambohimanambola ry zareo sinoa efa mipetraka ao daholo moa ny fitaovana isan-karazany ka tombanana hamokatra simenitra voalohany izy @ volana jiona na jiolay any ho any!
lehilahytsyresy => enao anga mahavoa mandarin tsara tena mila miresaka tsara aminao aho fa te hianatra izay base ilaina!
lehilahytsyresy => tena izany ve no dikanio io soratra kely io! lol
tsy mila ligne telephonique intsony e! tena oh ireny cle usb ireny de efa ao anaitiny ao ilay modem kely! azonao entina mibalady miaraka @ laptop nao io ka! efa mandroso be anie aty e!
Misaotra amin' ny vaovao e. Mampi-te-hihinana lasopy koa izy izany ! miam !!
Tena tsara sy pratique kosa raha ohatra hoe tsy mila antontan-taratasy betsaka izany offre wireless vaovao moov 3G+ izany an.
Karazana service prépayé ve izany ? Ary mila manana ligne téléphonique ve nefa ilay olona mpanjifa vao afaka mampiasa an' io hono ?
:-) 'saotsa mialoha e ! �� ! (tititangola ...hihihi)
hihihi
ikalamako => toa oe teny ratsy sinoa hn io tititangôla io an! asa anefa ra misy namana sinoa miblaogy eto tena tsara hametrahantsika ny fanotaniana
tsaroaka tampoka ilay fiteny nataonay ny sinoa fahizany fa notenenin'izay namanay izay tampoka ilay izy vao haingana mihitsy dia tapaka ny tsinaiko satria efa elabe tsy reko intsony, ilay hoe "tititangôla !"
:-D tpt