Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.
Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an'izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.
Etsy an-danin'izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony "rencontre" irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!
Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an'izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban'ny vola.
Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan'ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol





23/04/2008, 10:42
Rajiosy => aty mihitsy ka! mandihy daholo aty na ny babakoto na ny maki na ny mpanankanto
23/04/2008, 00:13
"mampandihy fitombenana" : f'angaha moa tsy any madagasikara ilay "i like to move it move it" ?
22/04/2008, 17:10
Mahagaga tokoa re ry newsdago fa dia samy tsy misy voasokatra na ilay na ilay . dia voasokatra tsara...
Nefa ilay
22/04/2008, 17:08
Mahagaga tokoa re ry newsdago fa dia samy tsy misy voasokatra na ilay na ilay . dia voasokatra tsara...
Nefa ilay
22/04/2008, 13:49
lehilahytsyresy => izay ilay oe mafy ny ataky sa ahn!lol tsy hita intsony e! tsy misokatra aty amiko intsony ilay www.tanamassage.com asa ny any @ nareo
22/04/2008, 13:44
>tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" ... ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any!
>
==> Ka rehefa mafy kosa anie ny ady, amidy daholo izay rehetra azo atao fidiram-bola e.
Sady manotra vatana izy no manotra paosy. hihihi...
22/04/2008, 10:06
Tomavana => tena loza tokoa izany raha tsy misy lalana ivoahana intsony ireo latsaka ao anaty vovo ireo
22/04/2008, 09:51
>Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka!
Ilay mampandihy fitombenana kosa loha angamaba tsy niandrasantsika ireo vahiny ny fanaovana azy e ;)
Ankoatr'izay, taty Atsinana'Eorôpa taloha no "fakan"'ireo mpanandevo vaovao ireo [la traite des blanches], saingy satria efa miha-mitombo ny farim-piainana any amin'ireny firenena ireny dia voatery "mila" any amin'ny lavidavitra kokoa izany.
Tena fahafatesana no hany lalana ibvoahana amin'io raha vao tafatsorobaka amin'io fanondranana olona io fa dia tsara mihintsy ny ampitandremina ny mpiray tanindrazana.